1כי ימצא חלל באדמה אשר יהוה אלהיך נתן לך לרשתה נפל בשדה לא נודע מי הכהו׃
1[Ny amin'ny fanesoran-keloka, raha misy faty hita, nefa tsy fantatra izay nahafaty azy] Raha tahìny misy maty novonoin'olona hita miampatra any an-tsaha amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy,
2ויצאו זקניך ושפטיך ומדדו אל הערים אשר סביבת החלל׃
2dia hivoaka ny loholonao sy ny mpitsaranao ka horefesiny hatreo amin'ny faty ka hatramin'izay tanàna manodidina azy.
3והיה העיר הקרבה אל החלל ולקחו זקני העיר ההוא עגלת בקר אשר לא עבד בה אשר לא משכה בעל׃
3Ary ny loholona amin'ny tanàna izay akaikin'ny faty indrindra dia haka ombivavy kely izay tsy mbola nampiasaina na nasiana zioga hitarihany.
4והורדו זקני העיר ההוא את העגלה אל נחל איתן אשר לא יעבד בו ולא יזרע וערפו שם את העגלה בנחל׃
4Ary ilay ombivavy kely dia ho entin'ny loholona amin'izany tanàna izany midina any amin'izay lohasaha tsy voasa na voafafy sady misy renirano tsy mety ritra, dia hofolahiny any an-dohasaha ny vozony.
5ונגשו הכהנים בני לוי כי בם בחר יהוה אלהיך לשרתו ולברך בשם יהוה ועל פיהם יהיה כל ריב וכל נגע׃
5Ary ireo mpisorona, taranak'i Levy, dia hanatona, fa izy no nofidin'i Jehovah Andriamanitrao hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin'ny anaran'i Jehovah; koa araka ny teniny no hanefana ny ady rehetra sy ny vonoana rehetra;
6וכל זקני העיר ההוא הקרבים אל החלל ירחצו את ידיהם על העגלה הערופה בנחל׃
6ary ny loholona rehetra amin'izany tanàna akaikin'ny faty izany dia hanasa ny tànany eo ambonin'ilay ombivavy kely izay efa voafolaka tany an-dohasaha ny vozony;
7וענו ואמרו ידינו לא שפכה את הדם הזה ועינינו לא ראו׃
7dia hiloa-bava ireo ka hanao hoe: Tsy ny tananay no nandatsaka ity rà ity, sady tsy nahita izany ny masonay.
8כפר לעמך ישראל אשר פדית יהוה ואל תתן דם נקי בקרב עמך ישראל ונכפר להם הדם׃
8Jehovah ô, mamelà ny heloky ny Isiraely olonao izay navotanao ka aza atao ho heloky ny Isiraely olonao ny rà marina! Dia ho afa-keloka ny amin'izany rà izany izy.
9ואתה תבער הדם הנקי מקרבך כי תעשה הישר בעיני יהוה׃
9Ka dia hesorinao ho afaka aminao ny rà marina, raha hanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ianao.
10כי תצא למלחמה על איביך ונתנו יהוה אלהיך בידך ושבית שביו׃
10[Ny amin'ny vehivavy babo hovadin'izay nahazo azy] Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao, ary atolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy ka voababonao,
11וראית בשביה אשת יפת תאר וחשקת בה ולקחת לך לאשה׃
11ary misy vehivavy tsara tarehy hitanao eo amin'ny babo ka tianao hovadina,
12והבאתה אל תוך ביתך וגלחה את ראשה ועשתה את צפרניה׃
12dia ento ho ao an-tranonao izy, ka asaovy haratany ny lohany sy alàny ny hohony,
13והסירה את שמלת שביה מעליה וישבה בביתך ובכתה את אביה ואת אמה ירח ימים ואחר כן תבוא אליה ובעלתה והיתה לך לאשה׃
13ary asaovy esoriny koa ny fitafiany tamin'ny nahababo azy, dia aoka hitoetra ao an-tranonao andro iray volana izy hitomany ny ray aman-dreniny; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo mandry aminy ianao ka ho tompom-bady azy, ary ho vadinao izy.
14והיה אם לא חפצת בה ושלחתה לנפשה ומכר לא תמכרנה בכסף לא תתעמר בה תחת אשר עניתה׃
14Fa raha tsy tianao intsony ravehivavy, dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy: fa aza mivarotra azy hatao vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao.
15כי תהיין לאיש שתי נשים האחת אהובה והאחת שנואה וילדו לו בנים האהובה והשנואה והיה הבן הבכור לשניאה׃
15[Ny amin'ny lovan'ny lahimatoa] Raha misy lehilahy mamporafy, ka ny anankiray tiany, fa ny anankiray kosa tsy tiany, ary samy miteraka zaza aminy izy roa vavy, na ny tiany na ny tsy tiany, ary zanak'ilay tsy tiany no lahimatoa:
16והיה ביום הנחילו את בניו את אשר יהיה לו לא יוכל לבכר את בן האהובה על פני בן השנואה הבכר׃
16amin'ny andro handidiany fananana ho an'ny zananilahy dia tsy azo hatao lahimatoa ny zanaky ny tiany, raha mbola eo ihany ny zanaky ny tsy tiany, izay tena lahimatoany;
17כי את הבכר בן השנואה יכיר לתת לו פי שנים בכל אשר ימצא לו כי הוא ראשית אנו לו משפט הבכרה׃
17fa ny lahimatoa, zanak'ilay tsy tiany ihany, no hekeny ka homeny anjaran-droa amin'izay rehetra ananany; fa voalohan'ainy izy, ka azy ny fizokiana.
18כי יהיה לאיש בן סורר ומורה איננו שמע בקול אביו ובקול אמו ויסרו אתו ולא ישמע אליהם׃
18[Ny fanao amin'ny zanaka maditra tsy zaka anarina] Raha misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feon'ny rainy, na ny feon'ny reniny, ka tsy zakany anarina,
19ותפשו בו אביו ואמו והוציאו אתו אל זקני עירו ואל שער מקמו׃
19dia hosamborin'ny rainy sy ny reniny izy ka ho entiny amin'ny loholona amin'ny tanànany, eo amin'ny vavahadin'ny tanàna onenany,
20ואמרו אל זקני עירו בננו זה סורר ומרה איננו שמע בקלנו זולל וסבא׃
20dia hiteny amin'ny loholona amin'ny tanànany izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny feonay, fa mpandany sy fileony.
21ורגמהו כל אנשי עירו באבנים ומת ובערת הרע מקרבך וכל ישראל ישמעו ויראו׃
21Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy; ary ny Isiraely rehetra dia handre izany ka hatahotra.
22וכי יהיה באיש חטא משפט מות והומת ותלית אתו על עץ׃
22[Ny amin'ny fandevenana ny fatin'ny meloka izay efa nahantona tamin'ny hazo] Ary raha misy olona manao fahotana izay tokony hahafaty azy ka atao maty ary ahantona amin'ny hazo.dia tsy havela hiloaka alina eo amin'ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr'iny ihany izy (fa voaozon'Andriamanitra ny mihantona amin'ny hazo); koa aza lotoina ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao.
23לא תלין נבלתו על העץ כי קבור תקברנו ביום ההוא כי קללת אלהים תלוי ולא תטמא את אדמתך אשר יהוה אלהיך נתן לך נחלה׃
23dia tsy havela hiloaka alina eo amin'ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr'iny ihany izy (fa voaozon'Andriamanitra ny mihantona amin'ny hazo); koa aza lotoina ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao.