Hebrew: Modern

Malagasy

Deuteronomy

22

1לא תראה את שור אחיך או את שיו נדחים והתעלמת מהם השב תשיבם לאחיך׃
1[Didy samy hafa ny amin'ny fitiavana ny namana, sy ny tsi-fampifamadihana ny fomban-javatra] Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin'ny rahalahinao, dia aza atao tsy ho raharahanao izany, fa avereno any amin'ny rahalahinao mihitsy izany.
2ואם לא קרוב אחיך אליך ולא ידעתו ואספתו אל תוך ביתך והיה עמך עד דרש אחיך אתו והשבתו לו׃
2Ary raha tsy akaiky anao, na tsy fantatrao, ny rahalahinao, dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra aminao mandra-pitadin'ny rahalahinao azy, dia haverinao any aminy.
3וכן תעשה לחמרו וכן תעשה לשמלתו וכן תעשה לכל אבדת אחיך אשר תאבד ממנו ומצאתה לא תוכל להתעלם׃
3Ary toy izany koa no hataonao amin'ny borikiny, na ny fitafiany, na ny zavatry ny rahalahinao, na inona na inona izay very ka hitanao; fa aza atao tsy ho raharahanao izany.
4לא תראה את חמור אחיך או שורו נפלים בדרך והתעלמת מהם הקם תקים עמו׃
4Ary raha hitanao ny borikin'ny rahalahinao, na ny ombiny, potraka any an-dalana, dia aza atao tsy ho raharahanao izany; fa manampia ny rahalahinao hanarina azy.
5לא יהיה כלי גבר על אשה ולא ילבש גבר שמלת אשה כי תועבת יהוה אלהיך כל עשה אלה׃
5Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany.
6כי יקרא קן צפור לפניך בדרך בכל עץ או על הארץ אפרחים או ביצים והאם רבצת על האפרחים או על הביצים לא תקח האם על הבנים׃
6Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dalana ianao, na amin'ny efa foy, na mbola atodiny, ary ny reniny manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny mbamin'ny zanany.
7שלח תשלח את האם ואת הבנים תקח לך למען ייטב לך והארכת ימים׃
7Alefaso mihitsy ny reniny, fa ny zanany ihany no alao ho anao, mba hahita soa ianao ka ho maro andro.
8כי תבנה בית חדש ועשית מעקה לגגך ולא תשים דמים בביתך כי יפל הנפל ממנו׃
8Raha manao trano vaovao ianao, dia asio aro-fanina ny tampony, fandrao hisy olona hianjera eny, ka hahatonga heloka ny amin'ny rà ho ao an-tranonao ianao.
9לא תזרע כרמך כלאים פן תקדש המלאה הזרע אשר תזרע ותבואת הכרם׃
9Aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao, fandrao samy ho lasa ho sazy ny vokatry ny voan-javatra nafafinao sy ny vokatry ny tanim-boalobokao.
10לא תחרש בשור ובחמר יחדו׃
10Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany.
11לא תלבש שעטנז צמר ופשתים יחדו׃
11Aza mitafy lamba volon'ondry sy rongony mifamahofaho.
12גדלים תעשה לך על ארבע כנפות כסותך אשר תכסה בה׃
12Asio somotraviaviny ny zorony efatra amin'ny lambanao izay itafianao.
13כי יקח איש אשה ובא אליה ושנאה׃
13[Didy ny amin'ny fanamasinana ny fanambadiana] Raha misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy, ka tsy tiany indray ravehivavy,
14ושם לה עלילת דברים והוציא עליה שם רע ואמר את האשה הזאת לקחתי ואקרב אליה ולא מצאתי לה בתולים׃
14dia haratsiny sy alàny baraka ka ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy, dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijina:
15ולקח אבי הנער ואמה והוציאו את בתולי הנער אל זקני העיר השערה׃
15dia halain'ny ray aman-drenin-drazazavavy ny famantarana azy ho virijina ka ho entiny ho eo amin'ny loholona amin'ny tanàna eo am-bavahady.
16ואמר אבי הנער אל הזקנים את בתי נתתי לאיש הזה לאשה וישנאה׃
16Dia hiteny amin'ny loholona ny rain-drazazavavy hoe: Ny zanako-vavy nomeko ho vadin'io lehilahy io, kanefa tsy tiany indray izy;
17והנה הוא שם עלילת דברים לאמר לא מצאתי לבתך בתולים ואלה בתולי בתי ופרשו השמלה לפני זקני העיר׃
17ary indro fa efa noharatsiny izy ka nataony hoe: Tsy hitako ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina; kanefa indreto ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina. Dia hamelatra ny lamba eo anatrehan'ny loholona amin'ny tanàna izy mivady.
18ולקחו זקני העיר ההוא את האיש ויסרו אתו׃
18Ary halain'ny loholona amin'ny tanàna izany lehilahy izany ka hofaizany.
19וענשו אתו מאה כסף ונתנו לאבי הנערה כי הוציא שם רע על בתולת ישראל ולו תהיה לאשה לא יוכל לשלחה כל ימיו׃
19Dia hosaziny sekely volafotsy zato koa izy, ka homeny ny rain-drazazavavy izany, satria nahafa-baraka ny virijina anankiray tamin'ny Isiraely ralehilahy; nefa dia ho vadiny ihany razazavavy ka tsy azony hisaorana amin'ny andro rehetra hiainany.
20ואם אמת היה הדבר הזה לא נמצאו בתולים לנער׃
20Fa raha marina kosa izany lazainy izany, ka tsy hita ny famantarana an-drazazavavy ho virijina,
21והוציאו את הנער אל פתח בית אביה וסקלוה אנשי עירה באבנים ומתה כי עשתה נבלה בישראל לזנות בית אביה ובערת הרע מקרבך׃
21dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan'ny varavaran'ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan'ny mponina amin'ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely izy ka nijangajanga tao an-tranon-drainy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
22כי ימצא איש שכב עם אשה בעלת בעל ומתו גם שניהם האיש השכב עם האשה והאשה ובערת הרע מישראל׃
22Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin'olona, dia samy hatao maty izy roroa, na ralehilahy izay nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy koa; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin'ny Isiraely ny fanao ratsy.
23כי יהיה נער בתולה מארשה לאיש ומצאה איש בעיר ושכב עמה׃
23Raha misy zazavavy virijina voafofo ho vadin'olona, ary misy lehilahy mahita azy eo an-tanàna ka mandry aminy,
24והוצאתם את שניהם אל שער העיר ההוא וסקלתם אתם באבנים ומתו את הנער על דבר אשר לא צעקה בעיר ואת האיש על דבר אשר ענה את אשת רעהו ובערת הרע מקרבך׃
24dia ho entinareo mivoaka ho eo amin'ny vavahadin'izany tanàna izany izy roroa ka hotorahanareo vato ho faty: razazavavy moa, satria tsy niantso, nefa tao an-tanàna ihany; ary ralehilahy koa, satria nandry tamin'ny vadin'ny namany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
25ואם בשדה ימצא האיש את הנער המארשה והחזיק בה האיש ושכב עמה ומת האיש אשר שכב עמה לבדו׃
25Fa raha any an-tsaha kosa no ahitan-dralehilahy an-drazazavavy voafofo ho vadin'olona, ary misavika azy ralehilahy ka mandry aminy, dia ralehilahy izay nandry taminy ihany no hatao maty.
26ולנער לא תעשה דבר אין לנער חטא מות כי כאשר יקום איש על רעהו ורצחו נפש כן הדבר הזה׃
26Fa ravehivavy dia tsy hasianao na inona na inona; fa tsy misy ota tokony hahafaty azy; fa tahaka ny olona mitsangana hamely ny namany ka mahafaty azy no hevitr'izany zavatra izany.
27כי בשדה מצאה צעקה הנער המארשה ואין מושיע לה׃
27Fa tany an-tsaha no nahitany azy; ary niantso ihany razazavavy voafofo ho vadin'olona, nefa tsy nisy hamonjy azy.
28כי ימצא איש נער בתולה אשר לא ארשה ותפשה ושכב עמה ונמצאו׃
28Raha misy lehilahy mahita zazavavy virijina, izay tsy voafofo ho vadin'olona, ka misavika azy sady mandry aminy, koa hita izy roroa,dia hanome sekely volafotsy dimam-polo ho an'ny rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy, satria efa nosavihiny sady nandriany; ary tsy azony hisaorana izy amin'ny andro rehetra hiainany.
29ונתן האיש השכב עמה לאבי הנער חמשים כסף ולו תהיה לאשה תחת אשר ענה לא יוכל שלחה כל ימיו׃
29dia hanome sekely volafotsy dimam-polo ho an'ny rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy, satria efa nosavihiny sady nandriany; ary tsy azony hisaorana izy amin'ny andro rehetra hiainany.
30לא יקח איש את אשת אביו ולא יגלה כנף אביו׃