1והיה כי יבאו עליך כל הדברים האלה הברכה והקללה אשר נתתי לפניך והשבת אל לבבך בכל הגוים אשר הדיחך יהוה אלהיך שמה׃
1Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin'ny firenena rehetra izay androahan'i Jehovah Andriamanitrao anao ianao,
2ושבת עד יהוה אלהיך ושמעת בקלו ככל אשר אנכי מצוך היום אתה ובניך בכל לבבך ובכל נפשך׃
2ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio,
3ושב יהוה אלהיך את שבותך ורחמך ושב וקבצך מכל העמים אשר הפיצך יהוה אלהיך שמה׃
3dia hampodin'i Jehovah Andriamanitrao avy amin'ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin'ny firenena rehetra izay nampielezan'i Jehovah Andriamanitrao anao.
4אם יהיה נדחך בקצה השמים משם יקבצך יהוה אלהיך ומשם יקחך׃
4Raha misy aminao voaroaka any amin'ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan'i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao.
5והביאך יהוה אלהיך אל הארץ אשר ירשו אבתיך וירשתה והיטבך והרבך מאבתיך׃
5Dia hampidirin'i Jehovah Andriamanitrao ao amin'ny tany izay nolovan'ny razanao ianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao.
6ומל יהוה אלהיך את לבבך ואת לבב זרעך לאהבה את יהוה אלהיך בכל לבבך ובכל נפשך למען חייך׃
6Dia hoforan'i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ny taranakao hitiavanao an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao.
7ונתן יהוה אלהיך את כל האלות האלה על איביך ועל שנאיך אשר רדפוך׃
7Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny.
8ואתה תשוב ושמעת בקול יהוה ועשית את כל מצותיו אשר אנכי מצוך היום׃
8Dia hihaino ny feon'i Jehovah indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio.
9והותירך יהוה אלהיך בכל מעשה ידך בפרי בטנך ובפרי בהמתך ובפרי אדמתך לטובה כי ישוב יהוה לשוש עליך לטוב כאשר שש על אבתיך׃
9Ary hataon'i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin'izay hahasoa anao, dia amin'ny asan'ny tananao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin'ny razanao,
10כי תשמע בקול יהוה אלהיך לשמר מצותיו וחקתיו הכתובה בספר התורה הזה כי תשוב אל יהוה אלהיך בכל לבבך ובכל נפשך׃
10raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity, ka miverina amin'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
11כי המצוה הזאת אשר אנכי מצוך היום לא נפלאת הוא ממך ולא רחקה הוא׃
11Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra.
12לא בשמים הוא לאמר מי יעלה לנו השמימה ויקחה לנו וישמענו אתה ונעשנה׃
12Tsy any an-danitra izany ka hanaovanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika, mba hohenointsika ka harahintsika?
13ולא מעבר לים הוא לאמר מי יעבר לנו אל עבר הים ויקחה לנו וישמענו אתה ונעשנה׃
13Ary tsy any an-dafin'ny ranomasina izany ka hanaovanao hoe: Iza no hankany an-dafin'ny ranomasina haka azy ho antsika mba hohenointsika ka harahintsika?
14כי קרוב אליך הדבר מאד בפיך ובלבבך לעשתו׃
14Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao.
15ראה נתתי לפניך היום את החיים ואת הטוב ואת המות ואת הרע׃
15Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza,
16אשר אנכי מצוך היום לאהבה את יהוה אלהיך ללכת בדרכיו ולשמר מצותיו וחקתיו ומשפטיו וחיית ורבית וברכך יהוה אלהיך בארץ אשר אתה בא שמה לרשתה׃
16tamin'ny nandidiako anao androany ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin'ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny, mba ho velona ianao ka hihamaro, ary mba hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.
17ואם יפנה לבבך ולא תשמע ונדחת והשתחוית לאלהים אחרים ועבדתם׃
17Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankokoha eo anatrehan'izay andriamani-kafa sy hanompo azy,
18הגדתי לכם היום כי אבד תאבדון לא תאריכן ימים על האדמה אשר אתה עבר את הירדן לבא שמה לרשתה׃
18dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo.
19העידתי בכם היום את השמים ואת הארץ החיים והמות נתתי לפניך הברכה והקללה ובחרת בחיים למען תחיה אתה וזרעך׃
19Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,dia ny ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan'ny andronao, mba honenanao eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.
20לאהבה את יהוה אלהיך לשמע בקלו ולדבקה בו כי הוא חייך וארך ימיך לשבת על האדמה אשר נשבע יהוה לאבתיך לאברהם ליצחק וליעקב לתת להם׃
20dia ny ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan'ny andronao, mba honenanao eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.