1וילך משה וידבר את הדברים האלה אל כל ישראל׃
1[Anatra farany nataon'i Mosesy tamin'ny Isiraely sy Josoa, ary ny fanaperany ny lalàna] Ary Mosesy nandeha, dia nilaza izao teny izao tamin'ny Isiraely rehetra
2ויאמר אלהם בן מאה ועשרים שנה אנכי היום לא אוכל עוד לצאת ולבוא ויהוה אמר אלי לא תעבר את הירדן הזה׃
2ka nanao taminy hoe: Efa roa-polo amby zato taona androany aho ka tsy afa-mivoaka sy miditra intsony, ary Jehovah efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita io Jordana io ianao.
3יהוה אלהיך הוא עבר לפניך הוא ישמיד את הגוים האלה מלפניך וירשתם יהושע הוא עבר לפניך כאשר דבר יהוה׃
3Jehovah Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny ianao; ary Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain'i Jehovah.
4ועשה יהוה להם כאשר עשה לסיחון ולעוג מלכי האמרי ולארצם אשר השמיד אתם׃
4Ary Jehovah hanao amin'ireo tahaka ny nataony tamin'i Sihona sy Oga, mpanjakan'ny Amorita, izay naringany, sy tahaka ny nataony tamin'ny taniny.
5ונתנם יהוה לפניכם ועשיתם להם ככל המצוה אשר צויתי אתכם׃
5Dia hatolotr'i Jehovah eo anoloanareo ireo hanaovanareo azy araka ny lalàna rehetra izay nandidiako anareo.
6חזקו ואמצו אל תיראו ואל תערצו מפניהם כי יהוה אלהיך הוא ההלך עמך לא ירפך ולא יעזבך׃
6Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
7ויקרא משה ליהושע ויאמר אליו לעיני כל ישראל חזק ואמץ כי אתה תבוא את העם הזה אל הארץ אשר נשבע יהוה לאבתם לתת להם ואתה תנחילנה אותם׃
7Ary Mosesy niantso an'i Josoa ka niteny taminy teo imason'ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razany homena azy; ary ianao no hampandova azy izany.
8ויהוה הוא ההלך לפניך הוא יהיה עמך לא ירפך ולא יעזבך לא תירא ולא תחת׃
8Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
9ויכתב משה את התורה הזאת ויתנה אל הכהנים בני לוי הנשאים את ארון ברית יהוה ואל כל זקני ישראל׃
9Dia nosoratan'i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak'i Levy, izay mpitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, sy ny loholon'ny Isiraely rehetra.
10ויצו משה אותם לאמר מקץ שבע שנים במעד שנת השמטה בחג הסכות׃
10Dia nandidy azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito taona, dia amin'ny taom-panafahana, amin'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo,
11בבוא כל ישראל לראות את פני יהוה אלהיך במקום אשר יבחר תקרא את התורה הזאת נגד כל ישראל באזניהם׃
11ka avy hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izay hofidiny ny Isiraely rehetra, dia aoka hovakinao eo anatrehan'ny Isiraely rehetra ny tenin'ity lalàna ity hihainoany azy.
12הקהל את העם האנשים והנשים והטף וגרך אשר בשעריך למען ישמעו ולמען ילמדו ויראו את יהוה אלהיכם ושמרו לעשות את כל דברי התורה הזאת׃
12Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.
13ובניהם אשר לא ידעו ישמעו ולמדו ליראה את יהוה אלהיכם כל הימים אשר אתם חיים על האדמה אשר אתם עברים את הירדן שמה לרשתה׃
13Ary ny zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka hianatra hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny andro rehetra hiainanareo eo amin'ny tany, izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo.
14ויאמר יהוה אל משה הן קרבו ימיך למות קרא את יהושע והתיצבו באהל מועד ואצונו וילך משה ויהושע ויתיצבו באהל מועד׃
14Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an'i Josoa, ary mitoera ao amin'ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin'ny trano-lay fihaonana.
15וירא יהוה באהל בעמוד ענן ויעמד עמוד הענן על פתח האהל׃
15Ary Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay tamin'ny andri-rahona; dia nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay ny andri-rahona.
16ויאמר יהוה אל משה הנך שכב עם אבתיך וקם העם הזה וזנה אחרי אלהי נכר הארץ אשר הוא בא שמה בקרבו ועזבני והפר את בריתי אשר כרתי אתו׃
16Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin'ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin'ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.
17וחרה אפי בו ביום ההוא ועזבתים והסתרתי פני מהם והיה לאכל ומצאהו רעות רבות וצרות ואמר ביום ההוא הלא על כי אין אלהי בקרבי מצאוני הרעות האלה׃
17Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin'izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin'izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran'Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
18ואנכי הסתר אסתיר פני ביום ההוא על כל הרעה אשר עשה כי פנה אל אלהים אחרים׃
18Ary Izaho dia hanafina ny tavako tokoa amin'izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka andriamani-kafa izy.
19ועתה כתבו לכם את השירה הזאת ולמדה את בני ישראל שימה בפיהם למען תהיה לי השירה הזאת לעד בבני ישראל׃
19Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak'Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin'ny Zanak'Isiraely.
20כי אביאנו אל האדמה אשר נשבעתי לאבתיו זבת חלב ודבש ואכל ושבע ודשן ופנה אל אלהים אחרים ועבדום ונאצוני והפר את בריתי׃
20Fa rehefa entiko any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin'ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.
21והיה כי תמצאן אתו רעות רבות וצרות וענתה השירה הזאת לפניו לעד כי לא תשכח מפי זרעו כי ידעתי את יצרו אשר הוא עשה היום בטרם אביאנו אל הארץ אשר נשבעתי׃
21Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan'ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin'ny tany izay nianianako homena azy izy.
22ויכתב משה את השירה הזאת ביום ההוא וילמדה את בני ישראל׃
22Dia nosoratan'i Mosesy androtrizay ihany izao fihirana izao ka nampianariny ny Zanak'Isiraely.
23ויצו את יהושע בן נון ויאמר חזק ואמץ כי אתה תביא את בני ישראל אל הארץ אשר נשבעתי להם ואנכי אהיה עמך׃
23Ary Jehovah nandidy an'i Josoa, zanak'i Nona, ka nanao hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Zanak'Isiraely hiditra ao amin'ny tany izay nianianako taminy homena azy, ary homba anao Aho.
24ויהי ככלות משה לכתב את דברי התורה הזאת על ספר עד תמם׃
24Ary rehefa voasoratr'i Mosesy teo amin'ny boky avokoa ny tenin'ity lalàna ity,
25ויצו משה את הלוים נשאי ארון ברית יהוה לאמר׃
25dia nandidy ny Levita, izay mpitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, izy ka nanao hoe:
26לקח את ספר התורה הזה ושמתם אתו מצד ארון ברית יהוה אלהיכם והיה שם בך לעד׃
26Raiso ity bokin'ny lalàna ity, ka apetraho eo anilan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo mba ho vavolombelona aminao.
27כי אנכי ידעתי את מריך ואת ערפך הקשה הן בעודני חי עמכם היום ממרים היתם עם יהוה ואף כי אחרי מותי׃
27Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin'i Jehovah ianareo, ka mainka fa rehefa maty aho.
28הקהילו אלי את כל זקני שבטיכם ושטריכם ואדברה באזניהם את הדברים האלה ואעידה בם את השמים ואת הארץ׃
28Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin'ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.
29כי ידעתי אחרי מותי כי השחת תשחתון וסרתם מן הדרך אשר צויתי אתכם וקראת אתכם הרעה באחרית הימים כי תעשו את הרע בעיני יהוה להכעיסו במעשה ידיכם׃
29Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin'ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin'ny asan'ny tananareo.Dia nolazain'i Mosesy teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin'izao fihirana izao mandra-pahavitany.
30וידבר משה באזני כל קהל ישראל את דברי השירה הזאת עד תמם׃
30Dia nolazain'i Mosesy teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin'izao fihirana izao mandra-pahavitany.