1האזינו השמים ואדברה ותשמע הארץ אמרי פי׃
1[Ny fihirana nataon'i Mosesy] MIHAINOA, ry lanitra, fa hiteny aho! Ary mandrenesa, ry tany, ny tenin'ny vavako!
2יערף כמטר לקחי תזל כטל אמרתי כשעירם עלי דשא וכרביבים עלי עשב׃
2Ho avy tahaka ny ranonorana ny fampianarako, Ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, Sy tahaka ny erika amin'ny ahi-maitso Ary ny ranonorana amin'ny anana.
3כי שם יהוה אקרא הבו גדל לאלהינו׃
3Fa ny anaran'i Jehovah no hotoriko; Maneke ny fahalehibiazan'Andriamanitsika.
4הצור תמים פעלו כי כל דרכיו משפט אל אמונה ואין עול צדיק וישר הוא׃
4Ny amin'ny Vatolampy, tanteraka ny asany; Fa ny lalany rehetra dia amin'ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; Marina sy mahitsy Izy.
5שחת לו לא בניו מומם דור עקש ופתלתל׃
5Efa nasian-dratsy Izy; Tsy zanany ireny, tsininy izany; Taranaka miolakolaka sady efa nivadika izy.
6ה ליהוה תגמלו זאת עם נבל ולא חכם הלוא הוא אביך קנך הוא עשך ויכננך׃
6Moa Jehovah hovalianareo toy izany va, Ry firenena adala ka tsy hendry? Tsy Izy va no Rainao, Izay nanavotra anao? Tsy Izy va no nanao anao sy nanorina anao?
7זכר ימות עולם בינו שנות דור ודור שאל אביך ויגדך זקניך ויאמרו לך׃
7Tsarovy ny andro fahiny, Saino ny taona hatrizay hatrizay; Anontanio amin-drainao, fa hanambara aminao izy, Sy amin'ny anti-panahy eo aminao, fa hilaza aminao izy;
8בהנחל עליון גוים בהפרידו בני אדם יצב גבלת עמים למספר בני ישראל׃
8Fony nomen'ny Avo Indrindra zara-tany ny jentilisa, Ka samy natokantokany ny zanak'olombelona, Dia notendreny ny fari-tanin'ireo firenena Araka ny isan'ny Zanak'Isiraely.
9כי חלק יהוה עמו יעקב חבל נחלתו׃
9Fa anjaran'i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany.
10ימצאהו בארץ מדבר ובתהו ילל ישמן יסבבנהו יבוננהו יצרנהו כאישון עינו׃
10Nahita azy tany an-efitra Izy, Dia tany amin'ny tany foana be nampierona, Ka dia nanodidina sy niahy azy Ary notandremany tahaka ny anakandriamasony.
11כנשר יעיר קנו על גוזליו ירחף יפרש כנפיו יקחהו ישאהו על אברתו׃
11Toy ny voromahery manaitra ny ao amin'ny akaniny Ka manidintsidina eo ambonin'ny zanany, Dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy Ary nitondrany azy teo ambonin'ny elany,
12יהוה בדד ינחנו ואין עמו אל נכר׃
12Jehovah irery no nitondra azy, Ary tsy nisy andriamani-kafa teo aminy.
13ירכבהו על במותי ארץ ויאכל תנובת שדי וינקהו דבש מסלע ושמן מחלמיש צור׃
13Nampandeha azy teny ambonin'ny havoana amin'ny tany Izy, Ka nohaniny ny vokatry ny saha. Nampitsentsitra azy tantely avy teo amin'ny vatolampy Izy Sy diloilo avy teo amin'ny vatolampy afovato
14חמאת בקר וחלב צאן עם חלב כרים ואילים בני בשן ועתודים עם חלב כליות חטה ודם ענב תשתה חמר׃
14Sy rononomandrin'omby sy rononon'ondry aman'osy Mbamin'ny tavin'ny zanak'ondry Sy ondrilahin'i Basana sy osilahy Ary vary izay vokatra indrindra; Ary nisotro divay mahery avy tamin'ny ran'ny voaloboka ianao.
15וישמן ישרון ויבעט שמנת עבית כשית ויטש אלוה עשהו וינבל צור ישעתו׃
15Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an'Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
16יקנאהו בזרים בתועבת יכעיסהו׃
16Nampahasaro-piaro Azy tamin'ny hafa Izy; Ary tamin'ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy;
17יזבחו לשדים לא אלה אלהים לא ידעום חדשים מקרב באו לא שערום אבתיכם׃
17Namono zavatra ho fanatitra ho an'ny demonia izay tsy Andriamanitra izy, Dia andriamanitra tsy fantany, Fa andriamanitra vao niseho, Izay tsy natahoran'ny razanareo.
18צור ילדך תשי ותשכח אל מחללך׃
18Ny Vatolampy Izay niteraka anao dia tsy tsaroanao, Ary hadinoinao Andriamanitra Izay nahary anao.
19וירא יהוה וינאץ מכעס בניו ובנתיו׃
19Ary Jehovah nahita izany ka nandà Noho ny fahasosorany tamin'ny zananilahy sy ny zananivavy.
20ויאמר אסתירה פני מהם אראה מה אחריתם כי דור תהפכת המה בנים לא אמן בם׃
20Dia hoy Izy: Hafeniko azy ny tavako; Ho hitako izay hiafarany; Fa firenena tena mpivadibadika izy, Dia zaza tsy mahatoky.
21הם קנאוני בלא אל כעסוני בהבליהם ואני אקניאם בלא עם בגוי נבל אכעיסם׃
21Izy efa nampahasaro-piaro Ahy tamin'izay tsy Andriamanitra Sy nampahasosotra Ahy tamin'ny zava-poanany; Ary Izaho kosa hampahasaro-piaro azy amin'izay tsy olona, Sy hampahasosotra azy amin'izay firenena adala.
22כי אש קדחה באפי ותיקד עד שאול תחתית ותאכל ארץ ויבלה ותלהט מוסדי הרים׃
22Fa arehitra ny afon'ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin'ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin'ny tendrombohitra aza.
23אספה עלימו רעות חצי אכלה בם׃
23Havangongoko aminy ny loza betsaka; Ary holaniko aminy ny zana-tsi-pikako:
24מזי רעב ולחמי רשף וקטב מרירי ושן בהמות אשלח בם עם חמת זחלי עפר׃
24Hofezahin'ny mosary izy sady holanin'ny areti-mandripaka Sy ny fandringanana mangidy; Ary nifim-biby no hampandehaniko aminy Jesorona dia anaran'ny Isiraely. Mbamin'ny poizin'ny biby mpikisaka amin'ny vovoka.
25מחוץ תשכל חרב ומחדרים אימה גם בחור גם בתולה יונק עם איש שיבה׃
25Eny ivelany dia ny sabatra no hahafaty ny zanany, Ary ao amin'ny efi-trano dia ny fampahatahorana Na ny zatovolahy na ny zatovovavy, Na ny zaza minono na ny fotsy volo.
26אמרתי אפאיהם אשביתה מאנוש זכרם׃
26Fa efa nolazaiko hoe: Hotsofiko hihahaka izy; Hatsahatro ny fahatsiarovana azy tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona,
27לולי כעס אויב אגור פן ינכרו צרימו פן יאמרו ידינו רמה ולא יהוה פעל כל זאת׃
27Raha tsy ny fireharehan'ny fahavalo no natahorako, Andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny Ka hanao hoe: Ny tananay no avo; Fa tsy Jehovah tsy akory no nanao izany rehetra izany.
28כי גוי אבד עצות המה ואין בהם תבונה׃
28Fa firenena tsy manan-tsaina izy Sady tsy manam-pahalalana.
29לו חכמו ישכילו זאת יבינו לאחריתם׃
29Enga anie ka hendry izy mba hahalala izao Ka hahafantatra izay ho farany.
30איכה ירדף אחד אלף ושנים יניסו רבבה אם לא כי צורם מכרם ויהוה הסגירם׃
30Hataon'ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon'ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy?
31כי לא כצורנו צורם ואיבינו פלילים׃
31Fa tsy mba mitovy amin'ny Vatolampintsika ny vatolampin'ireny, Na dia izy fahavalontsika aza no hitsara.
32כי מגפן סדם גפנם ומשדמת עמרה ענבמו ענבי רוש אשכלת מררת למו׃
32Ny tahom-boalobony dia tahom-boalobok'i Sodoma Ary avy ao amin'ny sahan'i Gomora; Ny voalobony dia voaloboka mahafaty, Sady mangidy koa ny sampahony.
33חמת תנינם יינם וראש פתנים אכזר׃
33Ny divainy dia zava-mahafaty avy amin'ny dragona, Ary poizina loza avy amin'ny bibilava.
34הלא הוא כמס עמדי חתם באוצרתי׃
34Moa tsy voatahiry ato amiko va izany Ka voaisy kase ato an-trano firaketako?
35לי נקם ושלם לעת תמוט רגלם כי קרוב יום אידם וחש עתדת למו׃
35Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
36כי ידין יהוה עמו ועל עבדיו יתנחם כי יראה כי אזלת יד ואפס עצור ועזוב׃
36Fa Jehovah hanome rariny ny olony Ary hanenina ny amin'ny mpanompony, Raha hitany fa lany ny heriny, Ka lasa avokoa na ny voahazona, na ny afaka.
37ואמר אי אלהימו צור חסיו בו׃
37Ary hiteny hoe Izy: Aiza ireo andriamaniny, Dia ny vatolampy izay nialofany,
38אשר חלב זבחימו יאכלו ישתו יין נסיכם יקומו ויעזרכם יהי עליכם סתרה׃
38Izay nihinana ny saboran'ny fanatiny Ary nisotro ny divain'ny fanatitra aidiny? Aoka ireny no hitsangana ka hamonjy anareo Ary ho fierena ho anareo.
39ראו עתה כי אני אני הוא ואין אלהים עמדי אני אמית ואחיה מחצתי ואני ארפא ואין מידי מציל׃
39Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy, Ka tsy misy andriamanitra eto amiko. Izaho no mahafaty sy mahavelona, Ary Izaho no maharatra sy mahasitrana, Ka tsy misy mahafaka amin'ny tanako.
40כי אשא אל שמים ידי ואמרתי חי אנכי לעלם׃
40Fa manangana ny tanako amin'ny lanitra Aho Ka manao hoe: Raha velona koa Aho mandrakizay:
41אם שנותי ברק חרבי ותאחז במשפט ידי אשיב נקם לצרי ולמשנאי אשלם׃
41Raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, Ka voarain'ny tanako ny fitsarana, Dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony, Ary hovaliako ny mankahala Ahy.
42אשכיר חצי מדם וחרבי תאכל בשר מדם חלל ושביה מראש פרעות אויב׃
42Hataoko mamon-drà ny zana-tsipikako, Ary ny sabatro hihina-nofo, Dia ny ran'ny voavono sy ny babo Mbamin'ny lohan'izay lehibe amin'ny fahavalo.
43הרנינו גוים עמו כי דם עבדיו יקום ונקם ישיב לצריו וכפר אדמתו עמו׃
43Mihobia, ry jentilisa mbamin'ny olony; Fa ny ran'ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an'ny taniny sy ny olony.
44ויבא משה וידבר את כל דברי השירה הזאת באזני העם הוא והושע בן נון׃
44Dia nandeha Mosesy ka nilaza ny teny rehetra amin'izany fihirana izany teo anatrehan'ny olona, dia izy sy Hosea, zanak'i Nona.
45ויכל משה לדבר את כל הדברים האלה אל כל ישראל׃
45Ary nony efa tapitra voalazan'i Mosesy tamin'ny Isiraely rehetra izany teny rehetra izany,
46ויאמר אלהם שימו לבבכם לכל הדברים אשר אנכי מעיד בכם היום אשר תצום את בניכם לשמר לעשות את כל דברי התורה הזאת׃
46dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.
47כי לא דבר רק הוא מכם כי הוא חייכם ובדבר הזה תאריכו ימים על האדמה אשר אתם עברים את הירדן שמה לרשתה׃
47Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo; ary izany zavatra izany no hahamaro andro anareo eo amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo.
48וידבר יהוה אל משה בעצם היום הזה לאמר׃
48Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy androtrizay indrindra ka nanao hoe:
49עלה אל הר העברים הזה הר נבו אשר בארץ מואב אשר על פני ירחו וראה את ארץ כנען אשר אני נתן לבני ישראל לאחזה׃
49Miakara amin'ity tendrombohitra Abarima ity, dia ny tendrombohitra Nebo, izay eo amin'ny tany Moaba tandrifin'i Jeriko; ary tazano ny tany Kanana, izay omeko ny Zanak'Isiraely ho lovany.
50ומת בהר אשר אתה עלה שמה והאסף אל עמיך כאשר מת אהרן אחיך בהר ההר ויאסף אל עמיו׃
50Dia aoka ho faty ao amin'ny tendrombohitra izay iakaranao ianao, ka ho voangona any amin'ny razanao, tahaka ny nahafatesan'i Arona rahalahinao tao an-tendrombohitra Hora sy ny nanangonana azy any amin'ny razany,
51על אשר מעלתם בי בתוך בני ישראל במי מריבת קדש מדבר צן על אשר לא קדשתם אותי בתוך בני ישראל׃
51satria nivadika tamiko teo amin'ny Zanak'Isiraely ianareo tao amin'ny ranon'i Meriba any Kadesy, tany an-efitra Zina; fa tsy nahamasina Ahy teo amin'ny Zanak'Isiraely ianareo.Fa hahatazana ny tany eo anoloanao ihany ianao, kanefa tsy hiditra any amin'ny tany izay omeko ny Zanak'Isiraely.
52כי מנגד תראה את הארץ ושמה לא תבוא אל הארץ אשר אני נתן לבני ישראל׃
52Fa hahatazana ny tany eo anoloanao ihany ianao, kanefa tsy hiditra any amin'ny tany izay omeko ny Zanak'Isiraely.