1ויעל משה מערבת מואב אל הר נבו ראש הפסגה אשר על פני ירחו ויראהו יהוה את כל הארץ את הגלעד עד דן׃
1[Ny nahafatesan'i Mosesy, sy ny nandevenana azy] Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon'i Pisga, izay tandrifin'i Jeriko. Ary nasehon'i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany Dana
2ואת כל נפתלי ואת ארץ אפרים ומנשה ואת כל ארץ יהודה עד הים האחרון׃
2sy Naftaly rehetra sy ny tanin'ny Efraima sy ny Manase sy ny tanin'ny Joda rehetra hatramin'ny ranomasina andrefana
3ואת הנגב ואת הככר בקעת ירחו עיר התמרים עד צער׃
3ary ny tany atsimo sy ny ao amin'ny lohasahan'i Jeriko, tanàna be rofia hatrany Zoara.
4ויאמר יהוה אליו זאת הארץ אשר נשבעתי לאברהם ליצחק וליעקב לאמר לזרעך אתננה הראיתיך בעיניך ושמה לא תעבר׃
4Dia hoy Jehovah taminy: Io no tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izy; nataoko mahita azy ny masonao, nefa tsy ho tafita ho tonga eny ianao.
5וימת שם משה עבד יהוה בארץ מואב על פי יהוה׃
5Ary Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia maty teo amin'ny tany Moaba araka ny tenin'i Jehovah.
6ויקבר אתו בגי בארץ מואב מול בית פעור ולא ידע איש את קברתו עד היום הזה׃
6Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin'ny tany Moaba, tandrifin'i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
7ומשה בן מאה ועשרים שנה במתו לא כהתה עינו ולא נס לחה׃
7Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny.
8ויבכו בני ישראל את משה בערבת מואב שלשים יום ויתמו ימי בכי אבל משה׃
8Ary ny Zanak'Isiraely nisaona an'i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an'i Mosesy.
9ויהושע בן נון מלא רוח חכמה כי סמך משה את ידיו עליו וישמעו אליו בני ישראל ויעשו כאשר צוה יהוה את משה׃
9Ary Josoa, zanak'i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan'i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak'Isiraely ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
10ולא קם נביא עוד בישראל כמשה אשר ידעו יהוה פנים אל פנים׃
10Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin'ny Isiraely tahaka an'i Mosesy, izay fantatr'i Jehovah nifanatrika
11לכל האתות והמופתים אשר שלחו יהוה לעשות בארץ מצרים לפרעה ולכל עבדיו ולכל ארצו׃
11tamin'ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan'i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetraary tamin'ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon'i Mosesy teo imason'ny Isiraely rehetra.
12ולכל היד החזקה ולכל המורא הגדול אשר עשה משה לעיני כל ישראל׃
12ary tamin'ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon'i Mosesy teo imason'ny Isiraely rehetra.