Hebrew: Modern

Malagasy

Joshua

1

1ויהי אחרי מות משה עבד יהוה ויאמר יהוה אל יהושע בן נון משרת משה לאמר׃
1[Ny niomanan'i Josoa sy ny olona hita an'i Jordana] Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin'i Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Mosesy:
2משה עבדי מת ועתה קום עבר את הירדן הזה אתה וכל העם הזה אל הארץ אשר אנכי נתן להם לבני ישראל׃
2Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin'ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak'Isiraely.
3כל מקום אשר תדרך כף רגלכם בו לכם נתתיו כאשר דברתי אל משה׃
3Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i Mosesy.
4מהמדבר והלבנון הזה ועד הנהר הגדול נהר פרת כל ארץ החתים ועד הים הגדול מבוא השמש יהיה גבולכם׃
4Hatramin'ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an'ny Hetita, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.
5לא יתיצב איש לפניך כל ימי חייך כאשר הייתי עם משה אהיה עמך לא ארפך ולא אעזבך׃
5Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.
6חזק ואמץ כי אתה תנחיל את העם הזה את הארץ אשר נשבעתי לאבותם לתת להם׃
6Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin'ny razany homena azy.
7רק חזק ואמץ מאד לשמר לעשות ככל התורה אשר צוך משה עבדי אל תסור ממנו ימין ושמאול למען תשכיל בכל אשר תלך׃
7Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba hambinina ianao amin'izay rehetra alehanao. [Na: ho hita ho hendry]
8לא ימוש ספר התורה הזה מפיך והגית בו יומם ולילה למען תשמר לעשות ככל הכתוב בו כי אז תצליח את דרכך ואז תשכיל׃
8Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina. [Na: ho hita ho hendry]
9הלוא צויתיך חזק ואמץ אל תערץ ואל תחת כי עמך יהוה אלהיך בכל אשר תלך׃
9Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin'izay rehetra alehanao.
10ויצו יהושע את שטרי העם לאמר׃
10Ary Josoa nandidy ny mpifehy ka nanao hoe:
11עברו בקרב המחנה וצוו את העם לאמר הכינו לכם צידה כי בעוד שלשת ימים אתם עברים את הירדן הזה לבוא לרשת את הארץ אשר יהוה אלהיכם נתן לכם לרשתה׃
11Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.
12ולראובני ולגדי ולחצי שבט המנשה אמר יהושע לאמר׃
12Ary ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nilazan'i Josoa hoe:
13זכור את הדבר אשר צוה אתכם משה עבד יהוה לאמר יהוה אלהיכם מניח לכם ונתן לכם את הארץ הזאת׃
13Tsarovy ny teny izay nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo hoe: Jehovah Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, ary homeny ho anareo izao tany izao.
14נשיכם טפכם ומקניכם ישבו בארץ אשר נתן לכם משה בעבר הירדן ואתם תעברו חמשים לפני אחיכם כל גבורי החיל ועזרתם אותם׃
14Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin'ny tany izay nomen'i Mosesy anareo etỳ an-dafin'i Jordana; fa ianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan'ny rahalahinareo hanampy azy,
15עד אשר יניח יהוה לאחיכם ככם וירשו גם המה את הארץ אשר יהוה אלהיכם נתן להם ושבתם לארץ ירשתכם וירשתם אותה אשר נתן לכם משה עבד יהוה בעבר הירדן מזרח השמש׃
15mandra-panomen'i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen'i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin'ny taninareo ianareo ka handova azy, dia ilay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, anareo etỳ an-dafy atsinanan'i Jordana.
16ויענו את יהושע לאמר כל אשר צויתנו נעשה ואל כל אשר תשלחנו נלך׃
16Dia namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.
17ככל אשר שמענו אל משה כן נשמע אליך רק יהיה יהוה אלהיך עמך כאשר היה עם משה׃
17Araka ny nihainoanay an'i Mosesy tamin'ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an'i Mosesy.Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin'izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao.
18כל איש אשר ימרה את פיך ולא ישמע את דבריך לכל אשר תצונו יומת רק חזק ואמץ׃
18Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin'izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao.