Hebrew: Modern

Malagasy

Exodus

28

1ואתה הקרב אליך את אהרן אחיך ואת בניו אתו מתוך בני ישראל לכהנו לי אהרן נדב ואביהוא אלעזר ואיתמר בני אהרן׃
1[Ny amin'ny hanendrena ny mpisorona, sy izay ho fomban'ny fitafiany] Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin'ny zanany, avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak'i Arona.
2ועשית בגדי קדש לאהרן אחיך לכבוד ולתפארת׃
2Ary manaova fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
3ואתה תדבר אל כל חכמי לב אשר מלאתיו רוח חכמה ועשו את בגדי אהרן לקדשו לכהנו לי׃
3Ary mitenena amin'izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian'i Arona hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy.
4ואלה הבגדים אשר יעשו חשן ואפוד ומעיל וכתנת תשבץ מצנפת ואבנט ועשו בגדי קדש לאהרן אחיך ולבניו לכהנו לי׃
4Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao izy, sy ho an'ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
5והם יקחו את הזהב ואת התכלת ואת הארגמן ואת תולעת השני ואת השש׃
5Ary aoka haka ny volamena sy ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika izy.
6ועשו את האפד זהב תכלת וארגמן תולעת שני ושש משזר מעשה חשב׃
6Dia aoka izy hanao ny efoda amin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mpanenona mahay.
7שתי כתפת חברת יהיה לו אל שני קצותיו וחבר׃
7Aoka hisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambana azy.
8וחשב אפדתו אשר עליו כמעשהו ממנו יהיה זהב תכלת וארגמן ותולעת שני ושש משזר׃
8Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
9ולקחת את שתי אבני שהם ופתחת עליהם שמות בני ישראל׃
9Ary makà vato beryla roa, ka soraty eo aminy ny anaran'ny Zanak'Isiraely:
10ששה משמתם על האבן האחת ואת שמות הששה הנותרים על האבן השנית כתולדתם׃
10ny anarany enina amin'ny vato iray, ary ny anarany enina kosa amin'ny vato iray, araka ny fizokiany;
11מעשה חרש אבן פתוחי חתם תפתח את שתי האבנים על שמת בני ישראל מסבת משבצות זהב תעשה אתם׃
11amin'ny asan'ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran'ny Zanak'Isiraely; ary asio randram-bolamena manodidina izy,
12ושמת את שתי האבנים על כתפת האפד אבני זכרן לבני ישראל ונשא אהרן את שמותם לפני יהוה על שתי כתפיו לזכרן׃
12Ary ataovy eo amin'ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan'i Jehovah amin'ny sorony roa ho fahatsiarovana.
13ועשית משבצת זהב׃
13Ary manaova randram-bolamena
14ושתי שרשרת זהב טהור מגבלת תעשה אתם מעשה עבת ונתתה את שרשרת העבתת על המשבצת׃
14sy olam-bolamena tsara roa; mifanolana toy ny tady no hanaovanao ireo, ary hataonao eo amin'ny randram-bolamena ireo alom-bolamena toy ny tady ireo.
15ועשית חשן משפט מעשה חשב כמעשה אפד תעשנו זהב תכלת וארגמן ותולעת שני ושש משזר תעשה אתו׃
15Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan'ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy.
16רבוע יהיה כפול זרת ארכו וזרת רחבו׃
16Ho efa-joro miforitra roa izy, ary ho irain-jehy avy ny lafiny efatra.
17ומלאת בו מלאת אבן ארבעה טורים אבן טור אדם פטדה וברקת הטור האחד׃
17Ary asio vato alatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
18והטור השני נפך ספיר ויהלם׃
18ary ny andalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
19והטור השלישי לשם שבו ואחלמה׃
19ary ny andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
20והטור הרביעי תרשיש ושהם וישפה משבצים זהב יהיו במלואתם׃
20ary ny andalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary asio randram-bolamena ny fitoerany avy.
21והאבנים תהיין על שמת בני ישראל שתים עשרה על שמתם פתוחי חותם איש על שמו תהיין לשני עשר שבט׃
21Ary ny vato dia alaharo araka ny anaran'ny Zanak'Isiraely, dia roa ambin'ny folo araka ny anarany; ary hisy soratra toy ny amin'ny fanombohan-kase, ho amin'ny firenena roa ambin'ny folo araka ny anarany avy.
22ועשית על החשן שרשת גבלת מעשה עבת זהב טהור׃
22Ary eo amin'ny saron-tratra asio olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady.
23ועשית על החשן שתי טבעות זהב ונתת את שתי הטבעות על שני קצות החשן׃
23Ary manaova vava volamena roa ho eo amin'ny saron-tratra; ary ny vava vola roa dia ataovy eo amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
24ונתתה את שתי עבתת הזהב על שתי הטבעת אל קצות החשן׃
24Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo amin'ny vava vola roa, izay amin'ny zorony roa ambony amin'ny saron-tratra.
25ואת שתי קצות שתי העבתת תתן על שתי המשבצות ונתתה על כתפות האפד אל מול פניו׃
25Ary ny lanin'ny tady roa dia ataovy eo amin'ny soroky ny efoda anoloana.
26ועשית שתי טבעות זהב ושמת אתם על שני קצות החשן על שפתו אשר אל עבר האפד ביתה׃
26Ary manaova vava volamena roa, ka ataovy amin'ny zorony roa ambany amin'ny saron-tratra, dia amin'ny sisiny anatiny, izay manolotra ny efoda.
27ועשית שתי טבעות זהב ונתתה אתם על שתי כתפות האפוד מלמטה ממול פניו לעמת מחברתו ממעל לחשב האפוד׃
27Ary manaova vava volamena roa koa, ka ataovy eo amin'ny soroko roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.
28וירכסו את החשן מטבעתו אל טבעת האפד בפתיל תכלת להיות על חשב האפוד ולא יזח החשן מעל האפוד׃
28Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan'ny saron-tratra amin'ny vava volan'ny efoda, mba ho eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo.
29ונשא אהרן את שמות בני ישראל בחשן המשפט על לבו בבאו אל הקדש לזכרן לפני יהוה תמיד׃
29Ary Arona hitondra ny anaran'ny Zanak'Isiraely eo amin'ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin'ny fitoerana masina izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.
30ונתת אל חשן המשפט את האורים ואת התמים והיו על לב אהרן בבאו לפני יהוה ונשא אהרן את משפט בני ישראל על לבו לפני יהוה תמיד׃
30Ary ataovy eo amin'ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy Tomima; ary hanolotra ny fon'i Arona izany, raha miditra eo anatrehan'i Jehovah izy; ka dia ho entin'i Arona manolotra ny fony mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah ny fitsarana ny Zanak'Isiraely.
31ועשית את מעיל האפוד כליל תכלת׃
31Ary ny akanjo ivelany misy ny efoda dia ataovy manga avokoa.
32והיה פי ראשו בתוכו שפה יהיה לפיו סביב מעשה ארג כפי תחרא יהיה לו לא יקרע׃
32Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon'ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy.
33ועשית על שוליו רמני תכלת וארגמן ותולעת שני על שוליו סביב ופעמני זהב בתוכם סביב׃
33Ary asio sarin'ampongaben-danitra manga sy volomparasy sy mena manodidina eny amin'ny moron-tongony, ary famohamandry volamena kosa eo anelanelany manodidina:
34פעמן זהב ורמון פעמן זהב ורמון על שולי המעיל סביב׃
34dia famohamandry sy sarin'ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eny amin'ny moron-tongotry ny akanjo ivelany.
35והיה על אהרן לשרת ונשמע קולו בבאו אל הקדש לפני יהוה ובצאתו ולא ימות׃
35Ary hiakanjoan'i Arona izany, raha manao ny fanompoam-pivavahany izy, mba ho re ny fanenony, raha miditra amin'ny fitoerana masina eo anatrehan'i Jehovah sy raha mivoaka izy, mba tsy hahafaty azy.
36ועשית ציץ זהב טהור ופתחת עליו פתוחי חתם קדש ליהוה׃
36Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.
37ושמת אתו על פתיל תכלת והיה על המצנפת אל מול פני המצנפת יהיה׃
37Ary asio kofehy manga izy, ka ataovy eo amin'ny hamama: dia eo anoloan'ny hamama no hasiana azy.
38והיה על מצח אהרן ונשא אהרן את עון הקדשים אשר יקדישו בני ישראל לכל מתנת קדשיהם והיה על מצחו תמיד לרצון להם לפני יהוה׃
38Ary ho eo ambonin'ny handrin'i Arona izy, mba ho entin'i Arona ny heloky ny zava-masina, izay hohamasinin'ny Zanak'Isiraely amin'ny fanomezany masina rehetra; ary ho eo amin'ny handriny mandrakariva izany, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah ny olona.
39ושבצת הכתנת שש ועשית מצנפת שש ואבנט תעשה מעשה רקם׃
39Ary ny akanjo lava dia ataovy hariry madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony fotsy madinika sy fehin-kibo, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
40ולבני אהרן תעשה כתנת ועשית להם אבנטים ומגבעות תעשה להם לכבוד ולתפארת׃
40Ary manaova akanjo lava ho an'ny zanak'i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
41והלבשת אתם את אהרן אחיך ואת בניו אתו ומשחת אתם ומלאת את ידם וקדשת אתם וכהנו לי׃
41Ary ataovy amin'i Arona rahalahinao sy ny zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokana azy ary manamasina azy, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
42ועשה להם מכנסי בד לכסות בשר ערוה ממתנים ועד ירכים יהיו׃
42Ary manaova kalisaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany; hatramin'ny valahany ka hatramin'ny feny no hisy azy.Ary hiakanjoan'i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin'ny taranany mandimby azy izany.
43והיו על אהרן ועל בניו בבאם אל אהל מועד או בגשתם אל המזבח לשרת בקדש ולא ישאו עון ומתו חקת עולם לו ולזרעו אחריו׃
43Ary hiakanjoan'i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin'ny taranany mandimby azy izany.