1וזה הדבר אשר תעשה להם לקדש אתם לכהן לי לקח פר אחד בן בקר ואילם שנים תמימם׃
1[Ny amin'ny fanokanana ny mpisorona] Ary izao no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy: makà vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema,
2ולחם מצות וחלת מצת בלולת בשמן ורקיקי מצות משחים בשמן סלת חטים תעשה אתם׃
2ary mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo; koba tsara toto no hanaovanao azy.
3ונתת אותם על סל אחד והקרבת אתם בסל ואת הפר ואת שני האילם׃
3Ary ataovy eo anaty harona iray izy, ka ento amin'ny harona; ary ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.
4ואת אהרן ואת בניו תקריב אל פתח אהל מועד ורחצת אתם במים׃
4Ary Arona Sy ny zanany dia ento hankeo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy
5ולקחת את הבגדים והלבשת את אהרן את הכתנת ואת מעיל האפד ואת האפד ואת החשן ואפדת לו בחשב האפד׃
5Ary alao ny fitafiana ka ampiakanjoy an'i Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra ary fehezo amin'ny fehin-kibo mamba ny efoda izy;
6ושמת המצנפת על ראשו ונתת את נזר הקדש על המצנפת׃
6ary ny hamama dia ataovy eo amin'ny lohany, ary ny diadema masina dia ataovy eo amin'ny hamama.
7ולקחת את שמן המשחה ויצקת על ראשו ומשחת אתו׃
7Ary alao ny diloilo fanosorana, ka aidino amin'ny lohany, dia manosora azy.
8ואת בניו תקריב והלבשתם כתנת׃
8Ary ny zanany dia ento koa, ka ampiakanjoy akanjo lava.
9וחגרת אתם אבנט אהרן ובניו וחבשת להם מגבעת והיתה להם כהנה לחקת עולם ומלאת יד אהרן ויד בניו׃
9Ary fehezo amin'ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an'i Arona sy ny zanany.
10והקרבת את הפר לפני אהל מועד וסמך אהרן ובניו את ידיהם על ראש הפר׃
10Ary asaovy entina ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana ny vantotr'ombilahy; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy;
11ושחטת את הפר לפני יהוה פתח אהל מועד׃
11dia vonoy eo anatrehan'i Jehovah ny vantotr'ombilahy, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana;
12ולקחת מדם הפר ונתתה על קרנת המזבח באצבעך ואת כל הדם תשפך אל יסוד המזבח׃
12ary analao ny ran'ny vantotr'ombilahy, dia atenteno eo amin'ny tandroky ny alitara amin'ny fanandranao, ary ny rà sisa rehetra dia aidino eo am-bodin'ny alitara;
13ולקחת את כל החלב המכסה את הקרב ואת היתרת על הכבד ואת שתי הכלית ואת החלב אשר עליהן והקטרת המזבחה׃
13ary alao ny safo-drorohany rehetra sy ny ila-atiny lehibe ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, ka dory ho fofona eo ambonin'ny alitara;
14ואת בשר הפר ואת ערו ואת פרשו תשרף באש מחוץ למחנה חטאת הוא׃
14fa ny henan'ny vantotr'ombilahy sy ny hodiny ary ny tain-drorohany dia dory amin'ny afo eny ivelan'ny toby; fanatitra noho ny ota izany.
15ואת האיל האחד תקח וסמכו אהרן ובניו את ידיהם על ראש האיל׃
15Ary alao ny ondrilahy iray; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny ondrilahy;
16ושחטת את האיל ולקחת את דמו וזרקת על המזבח סביב׃
16dia vonoy ny ondrilahy, ka tantazo ny ràny, dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara;
17ואת האיל תנתח לנתחיו ורחצת קרבו וכרעיו ונתת על נתחיו ועל ראשו׃
17ary rasao tsara ny ondrilahy, dia sasao ny taovany sy ny tongony, ka ataovy eo ambonin'ny voarasa sy ny lohany;
18והקטרת את כל האיל המזבחה עלה הוא ליהוה ריח ניחוח אשה ליהוה הוא׃
18ary dory ho fofona eo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
19ולקחת את האיל השני וסמך אהרן ובניו את ידיהם על ראש האיל׃
19Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny ondrilahy;
20ושחטת את האיל ולקחת מדמו ונתתה על תנוך אזן אהרן ועל תנוך אזן בניו הימנית ועל בהן ידם הימנית ועל בהן רגלם הימנית וזרקת את הדם על המזבח סביב׃
20dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny ràny, dia atenteno amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'i Arona sy amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ny zanany, ary amin'ny ankihiben-tànany ankavanana sy amin'ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara
21ולקחת מן הדם אשר על המזבח ומשמן המשחה והזית על אהרן ועל בגדיו ועל בניו ועל בגדי בניו אתו וקדש הוא ובגדיו ובניו ובגדי בניו אתו׃
21Ary analao ny rà, izay eo ambonin'ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin'i Arona sy amin'ny fitafiany, ary amin'ny zanany sy amin'ny fitafian'ny zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany koa.
22ולקחת מן האיל החלב והאליה ואת החלב המכסה את הקרב ואת יתרת הכבד ואת שתי הכלית ואת החלב אשר עליהן ואת שוק הימין כי איל מלאים הוא׃
22Ary alao ny saboran'ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy fanakanana izy;
23וככר לחם אחת וחלת לחם שמן אחת ורקיק אחד מסל המצות אשר לפני יהוה׃
23ary manala iray amin'ny mofo sy iray amin'ny mofo voaisy diloilo ary iray amin'ny mofo manify izay eo amin'ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan'i Jehovah;
24ושמת הכל על כפי אהרן ועל כפי בניו והנפת אתם תנופה לפני יהוה׃
24ary ataovy eo an-tànan'i Arona sy eo an-tànan'ny zanany izy rehetra, ka ahevahevao izy hofanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
25ולקחת אתם מידם והקטרת המזבחה על העלה לריח ניחוח לפני יהוה אשה הוא ליהוה׃
25Dia raiso amin'ny tànany izany, ka dory ho fofona eo ambonin'ny alitara, miaraka amin'ny fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah, dia fanatitra atao amin'ny afo, ho an'i Jehovah.
26ולקחת את החזה מאיל המלאים אשר לאהרן והנפת אתו תנופה לפני יהוה והיה לך למנה׃
26Ary alao ny tratran'ny ondrilahy fanokanana an'i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anjaranao izany.
27וקדשת את חזה התנופה ואת שוק התרומה אשר הונף ואשר הורם מאיל המלאים מאשר לאהרן ומאשר לבניו׃
27Ary hamasino ny tratran'ny fanatitra ahevaheva sy ny soroky ny fanatitra asandratra, izay ahevaheva sy izay asandratra avy amin'ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an'i Arona sy izay ho an'ny zanany.
28והיה לאהרן ולבניו לחק עולם מאת בני ישראל כי תרומה הוא ותרומה יהיה מאת בני ישראל מזבחי שלמיהם תרומתם ליהוה׃
28Ary ho anjara mandrakizay ho an'i Arona sy ho an'ny taranany avy amin'ny Zanak'Isiraely izany, fa fanatitra asandratra izany; ary hisy fanatitra asandratra haterin'ny Zanak'Isiraely avy amin'ny fanati-pihavanany rehetra ho fanatitra asandratra ho an'i Jehovah.
29ובגדי הקדש אשר לאהרן יהיו לבניו אחריו למשחה בהם ולמלא בם את ידם׃
29Ary ny fitafiana masina izay an'i Arona dia ho an'ny zanany mandimby azy koa hanosorana azy sy hanokanana azy.
30שבעת ימים ילבשם הכהן תחתיו מבניו אשר יבא אל אהל מועד לשרת בקדש׃
30Hiakanjo azy hafitoana izay anankiray amin'ny zanany ho mpisarona handimby azy, dia izay miditra amin'ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina.
31ואת איל המלאים תקח ובשלת את בשרו במקם קדש׃
31Ary alao ny ondrilahy fanokanana ka andrahoy eo amin'izay fitoerana masina ny henany
32ואכל אהרן ובניו את בשר האיל ואת הלחם אשר בסל פתח אהל מועד׃
32Ary hohanin'i Arona sy ny zanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny henan'ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin'ny harona.
33ואכלו אתם אשר כפר בהם למלא את ידם לקדש אתם וזר לא יאכל כי קדש הם׃
33Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masina izany.
34ואם יותר מבשר המלאים ומן הלחם עד הבקר ושרפת את הנותר באש לא יאכל כי קדש הוא׃
34Ary raha misy sisa tsy lany amin'ny henan'ny fanatitra fanokanana, na amin'ny mofo, ka tra-maraina, dia hodoranao amin'ny afo ny sisa tsy lany: tsy hohanina izany, satria masina.
35ועשית לאהרן ולבניו ככה ככל אשר צויתי אתכה שבעת ימים תמלא ידם׃
35Dia manaova izany amin'i Arona sy ny zanany, araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana no hanokananao azy.
36ופר חטאת תעשה ליום על הכפרים וחטאת על המזבח בכפרך עליו ומשחת אתו לקדשו׃
36Ary vantotr'ombilahy iray no haterinao isan'andro ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana; ary diovy ny alitara, raha manao fanavotana azy ianao; ary hosory izy hanamasina azy.
37שבעת ימים תכפר על המזבח וקדשת אתו והיה המזבח קדש קדשים כל הנגע במזבח יקדש׃
37Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an'ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masina indrindra ny alitara, ary ho masina izay rehetra manendry azy.
38וזה אשר תעשה על המזבח כבשים בני שנה שנים ליום תמיד׃
38[Ny fanatitra isa-maraina sy isan-kariva] Ary izao no haterinao eo ambonin'ny alitara: zanak'ondry roa izay iray taona isan'andro isan'andro
39את הכבש האחד תעשה בבקר ואת הכבש השני תעשה בין הערבים׃
39(ny zanak'ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva),
40ועשרן סלת בלול בשמן כתית רבע ההין ונסך רבעית ההין יין לכבש האחד׃
40ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina amin'ny isan-janak'ondry iray.
41ואת הכבש השני תעשה בין הערבים כמנחת הבקר וכנסכה תעשה לה לריח ניחח אשה ליהוה׃
41Ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin'ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
42עלת תמיד לדרתיכם פתח אהל מועד לפני יהוה אשר אועד לכם שמה לדבר אליך שם׃
42Ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana eo anatrehan'i Jehovah, dia ao amin'izay hihaonako aminareo hiteny aminao
43ונעדתי שמה לבני ישראל ונקדש בכבדי׃
43Ary hihaona amin'ny Zanak'Isiraely ao Aho, ka hohamasinin'ny voninahitro izy.
44וקדשתי את אהל מועד ואת המזבח ואת אהרן ואת בניו אקדש לכהן לי׃
44Ary hohamasiniko ny trano-lay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy.
45ושכנתי בתוך בני ישראל והייתי להם לאלהים׃
45Ary honina eo amin'ny Zanak'Isiraely Aho ka ho Andriamaniny.Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny.
46וידעו כי אני יהוה אלהיהם אשר הוצאתי אתם מארץ מצרים לשכני בתוכם אני יהוה אלהיהם׃
46Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny.