1ועשית מזבח מקטר קטרת עצי שטים תעשה אתו׃
1[Ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra] Ary manaova alitara handoroana ditin-kazo manitra; hazo akasia no hanaovanao azy.
2אמה ארכו ואמה רחבו רבוע יהיה ואמתים קמתו ממנו קרנתיו׃
2Ho iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro izy, ary ho roa hakiho ny hahavony; koa ataovy miray aminy ny tandrony.
3וצפית אתו זהב טהור את גגו ואת קירתיו סביב ואת קרנתיו ועשית לו זר זהב סביב׃
3Ary petaho takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary asio koronosy volamena manodidina.
4ושתי טבעת זהב תעשה לו מתחת לזרו על שתי צלעתיו תעשה על שני צדיו והיה לבתים לבדים לשאת אתו בהמה׃
4Ary asio vava volamena roa izy eo ambanin'ny koronosiny, ka ataovy eo amin'ny zorony efatra ireo; ary ho fitoeran'ny bao ireo hilanjana azy.
5ועשית את הבדים עצי שטים וצפית אתם זהב׃
5Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena.
6ונתתה אתו לפני הפרכת אשר על ארן העדת לפני הכפרת אשר על העדת אשר אועד לך שמה׃
6Ary apetraho eo anoloan'ny efitra izay manakona ny fiaran'ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin'ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
7והקטיר עליו אהרן קטרת סמים בבקר בבקר בהיטיבו את הנרת יקטירנה׃
7Ary Arona handoro ditin-kazo mani-pofona eo; isa-maraina, raha mamboatra ny lela fanaovan-jiro, no handoroany izany;
8ובהעלת אהרן את הנרת בין הערבים יקטירנה קטרת תמיד לפני יהוה לדרתיכם׃
8ary raha mampirehitra ny lela fanaovan-jiro Arona nony hariva no handoroany izany koa; ditin-kazo mani-pofona eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany.
9לא תעלו עליו קטרת זרה ועלה ומנחה ונסך לא תסכו עליו׃
9Aza manatitra ditin-kazo manitra tsy izy eo ianareo, na fanatitra dorana, na fanatitra hohanina; ary aza manidina fanatitra aidina eo.
10וכפר אהרן על קרנתיו אחת בשנה מדם חטאת הכפרים אחת בשנה יכפר עליו לדרתיכם קדש קדשים הוא ליהוה׃
10Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin'ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin'ny ran'ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby; ho masina indrindra ho an'i Jehovah izany.
11וידבר יהוה אל משה לאמר׃
11[Ny handoavana ny vola avotra] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe;
12כי תשא את ראש בני ישראל לפקדיהם ונתנו איש כפר נפשו ליהוה בפקד אתם ולא יהיה בהם נגף בפקד אתם׃
12Raha maka ny isan'ny Zanak'Isiraely araka ny fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an'i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy.
13זה יתנו כל העבר על הפקדים מחצית השקל בשקל הקדש עשרים גרה השקל מחצית השקל תרומה ליהוה׃
13Izao no haloan'izay rehetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely masina (gera roa-polo ny sekely iray), eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an'i Jehovah.
14כל העבר על הפקדים מבן עשרים שנה ומעלה יתן תרומת יהוה׃
14Izay rehetra voalamina hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra no handoa ny fanatitra ho an'i Jehovah.
15העשיר לא ירבה והדל לא ימעיט ממחצית השקל לתת את תרומת יהוה לכפר על נפשתיכם׃
15Ny manan-karena tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekely, ary ny malahelo tsy handoa latsaka, raha mandoa ny fanatitra ho an'i Jehovah izy, hanavotra ny ainareo.
16ולקחת את כסף הכפרים מאת בני ישראל ונתת אתו על עבדת אהל מועד והיה לבני ישראל לזכרון לפני יהוה לכפר על נפשתיכם׃
16Ary handray ny vola avotra amin'ny Zanak'Isiraely ianao, ka hataonao amin'ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah izany, ho avotry ny ainareo.
17וידבר יהוה אל משה לאמר׃
17[Ny tavy, sy ny diloilo fanosorana, ary ny ditin-kazo manitra] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
18ועשית כיור נחשת וכנו נחשת לרחצה ונתת אתו בין אהל מועד ובין המזבח ונתת שמה מים׃
18Manaova tavy varahina hanasana, ary aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan'ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izy, ka asio rano eo anatiny.
19ורחצו אהרן ובניו ממנו את ידיהם ואת רגליהם׃
19Ary eo no hanasan'i Arona sy ny zanany ny tongony aman-tanany.
20בבאם אל אהל מועד ירחצו מים ולא ימתו או בגשתם אל המזבח לשרת להקטיר אשה ליהוה׃
20Raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin'ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah,
21ורחצו ידיהם ורגליהם ולא ימתו והיתה להם חק עולם לו ולזרעו לדרתם׃
21dia hanasa ny tongony aman-tànany izy, mba tsy hahafaty azy; ary ho lalàna mandrakizay aminy sy ny zanany izany hatramin'ny taranany fara mandimby.
22וידבר יהוה אל משה לאמר׃
22Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
23ואתה קח לך בשמים ראש מר דרור חמש מאות וקנמן בשם מחציתו חמשים ומאתים וקנה בשם חמשים ומאתים׃
23Makà zava-manitra tsara ho anao, dia miora mitete dimam-jato sekely sy havozomanitra antsasak'izany, dia dimam-polo amby roan-jato, sy veromanitra dimam-polo amby roan-jato
24וקדה חמש מאות בשקל הקדש ושמן זית הין׃
24sy kasia dimam-jato; araka ny sekely masina, ary diloilon'oliva eran'ny hina;
25ועשית אתו שמן משחת קדש רקח מרקחת מעשה רקח שמן משחת קדש יהיה׃
25dia amboary ho diloilo fanosorana masina izany, ho zavatra aharoharo, asan'ny mpangaroharo zava-manitra; ho diloilo fanosorana masina izany.
26ומשחת בו את אהל מועד ואת ארון העדת׃
26Ary hosory amin'izany ny trano-lay fihaonana sy ny fiaran'ny Vavolombelona,
27ואת השלחן ואת כל כליו ואת המנרה ואת כליה ואת מזבח הקטרת׃
27sy ny latabatra mbamin'ny fanaka rehetra momba azy sy ny fanaovan-jiro mbamin'ny fanaka momba azy sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra,
28ואת מזבח העלה ואת כל כליו ואת הכיר ואת כנו׃
28ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany.
29וקדשת אתם והיו קדש קדשים כל הנגע בהם יקדש׃
29Ary hamasino ireo mba ho masina indrindra; ary ho masina izay rehetra manendry azy.
30ואת אהרן ואת בניו תמשח וקדשת אתם לכהן לי׃
30Ary hosory Arona sy ny zanany, ka hamasino izy mba ho mpisorona ho Ahy.
31ואל בני ישראל תדבר לאמר שמן משחת קדש יהיה זה לי לדרתיכם׃
31Ary mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Ity ho diloilo fanosorana masina ho Ahy hatramin'ny taranakareo fara mandimby.
32על בשר אדם לא ייסך ובמתכנתו לא תעשו כמהו קדש הוא קדש יהיה לכם׃
32Aoka tsy hihosoran'ny olon-kafa izany, na hisy haka tahaka azy, araka ny fanaovana azy; fa masina izy ka ho masina aminareo.
33איש אשר ירקח כמהו ואשר יתן ממנו על זר ונכרת מעמיו׃
33Na zovy na zovy mangaroharo izay tahaka azy, ary na zovy na zovy manosotra azy amin'ny vahiny dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
34ויאמר יהוה אל משה קח לך סמים נטף ושחלת וחלבנה סמים ולבנה זכה בד בבד יהיה׃
34Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Makà zava-manitra ho anao, dia natafa sy sekeleta sy helbena ary lebona madio; samy hamboarina manokana ireo.
35ועשית אתה קטרת רקח מעשה רוקח ממלח טהור קדש׃
35Ary ataovy ditin-kazo manitra izy, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon'ny mpangaroharo zava-manitra, dia asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina.
36ושחקת ממנה הדק ונתתה ממנה לפני העדת באהל מועד אשר אועד לך שמה קדש קדשים תהיה לכם׃
36Ary torotoroy ny sasany ho madinika indrindra, dia ataovy eo anoloan'ny Vavolombelona ao amin'ny trano-lay fihaonana, izay hihaonako aminao; ho masina indrindra ho anareo izany.
37והקטרת אשר תעשה במתכנתה לא תעשו לכם קדש תהיה לך ליהוה׃
37Ary ny amin'ny ditin-kazo manitra izay hataonao, dia aza mba misy atao tahaka azy ny ho anareo; ho masina aminao ho an'i Jehovah izany.Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
38איש אשר יעשה כמוה להריח בה ונכרת מעמיו׃
38Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.