Hebrew: Modern

Malagasy

Exodus

31

1וידבר יהוה אל משה לאמר׃
1[Ny nanendrena an'i Bezalila sy Oholiaba ho lohan'ny mpiasa] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2ראה קראתי בשם בצלאל בן אורי בן חור למטה יהודה׃
2Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda;
3ואמלא אתו רוח אלהים בחכמה ובתבונה ובדעת ובכל מלאכה׃
3ary efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa:
4לחשב מחשבת לעשות בזהב ובכסף ובנחשת׃
4dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina
5ובחרשת אבן למלאת ובחרשת עץ לעשות בכל מלאכה׃
5sy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa.
6ואני הנה נתתי אתו את אהליאב בן אחיסמך למטה דן ובלב כל חכם לב נתתי חכמה ועשו את כל אשר צויתך׃
6Ary, indro, Izaho efa nanome an'i Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, ho namany; ary ny fon'izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:
7את אהל מועד ואת הארן לעדת ואת הכפרת אשר עליו ואת כל כלי האהל׃
7dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay.
8ואת השלחן ואת כליו ואת המנרה הטהרה ואת כל כליה ואת מזבח הקטרת׃
8sy ny latabatra mbamin'ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra
9ואת מזבח העלה ואת כל כליו ואת הכיור ואת כנו׃
9sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany.
10ואת בגדי השרד ואת בגדי הקדש לאהרן הכהן ואת בגדי בניו לכהן׃
10ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona,
11ואת שמן המשחה ואת קטרת הסמים לקדש ככל אשר צויתך יעשו׃
11ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin'ny fitoerana masina: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon'ireo.
12ויאמר יהוה אל משה לאמר׃
12[Ny amin'ny fitandremana ny Sabata] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
13ואתה דבר אל בני ישראל לאמר אך את שבתתי תשמרו כי אות הוא ביני וביניכם לדרתיכם לדעת כי אני יהוה מקדשכם׃
13Ary dia milaza amin'ny Zanak'Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo.
14ושמרתם את השבת כי קדש הוא לכם מחלליה מות יומת כי כל העשה בה מלאכה ונכרתה הנפש ההוא מקרב עמיה׃
14Koa tandremo ny Sabata, fa masina aminareo izany; izay tsy manamasina azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
15ששת ימים יעשה מלאכה וביום השביעי שבת שבתון קדש ליהוה כל העשה מלאכה ביום השבת מות יומת׃
15Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masina ho an'i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin'ny andro Sabata dia hatao maty tokoa.
16ושמרו בני ישראל את השבת לעשות את השבת לדרתם ברית עולם׃
16Dia hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin'ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany.
17ביני ובין בני ישראל אות הוא לעלם כי ששת ימים עשה יהוה את השמים ואת הארץ וביום השביעי שבת וינפש׃
17Ho famantarana amiko sy amin'ny Zanak'Isiraely mandrakizay izany; fa tamin'ny henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.[Ny nanomezan'Andriamanitra ny vato fisaka izay nisy ny Lalàna] Ary rehefa vita ny teny nataony tamin'i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan'Andriamanitra.
18ויתן אל משה ככלתו לדבר אתו בהר סיני שני לחת העדת לחת אבן כתבים באצבע אלהים׃
18[Ny nanomezan'Andriamanitra ny vato fisaka izay nisy ny Lalàna] Ary rehefa vita ny teny nataony tamin'i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan'Andriamanitra.