Hebrew: Modern

Malagasy

Exodus

33

1וידבר יהוה אל משה לך עלה מזה אתה והעם אשר העלית מארץ מצרים אל הארץ אשר נשבעתי לאברהם ליצחק וליעקב לאמר לזרעך אתננה׃
1[Ny nitenenan'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely, sy ny nanetren'ireo tena] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala atỳ ianao sy ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, ho amin'ny tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy.
2ושלחתי לפניך מלאך וגרשתי את הכנעני האמרי והחתי והפרזי החוי והיבוסי׃
2Ary haniraka Anjely Aho hitarika anao eo aloha (ka horoahiko ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita),
3אל ארץ זבת חלב ודבש כי לא אעלה בקרבך כי עם קשה ערף אתה פן אכלך בדרך׃
3dia ho amin'izay tany tondra-dronono sy tantely; nefa tsy hiara-miakatra aminao Aho (satria olona mafy hatoka ianao), fandrao handringana anao eny an-dalana Aho.
4וישמע העם את הדבר הרע הזה ויתאבלו ולא שתו איש עדיו עליו׃
4Ary rehefa ren'ny olona izany teny mampahory izany, dia nanjoretra izy, ka tsy nisy olona niravaka intsony.
5ויאמר יהוה אל משה אמר אל בני ישראל אתם עם קשה ערף רגע אחד אעלה בקרבך וכליתיך ועתה הורד עדיך מעליך ואדעה מה אעשה לך׃
5Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Hianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handringana anao Aho; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao, mba ho fantatro izay hataoko aminao.
6ויתנצלו בני ישראל את עדים מהר חורב׃
6Ary ny Zanak'Isiraely dia nanala ny firavany hatreo an-tendrombohitra Horeba.
7ומשה יקח את האהל ונטה לו מחוץ למחנה הרחק מן המחנה וקרא לו אהל מועד והיה כל מבקש יהוה יצא אל אהל מועד אשר מחוץ למחנה׃
7[Ny nihaonan'i Mosesy tamin'Andriamanitra, sy ny naneken'Andriamanitra ny fangatahany] Ary fanaon'i Mosesy ny maka ny lay ka manorina azy eo ivelan'ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny trano-lay fihaonana. Ary izay rehetra nitady an'i Jehovah dia nivoaka ho eny amin'ny trano-lay fihaonana izay teo ivelan'ny toby.
8והיה כצאת משה אל האהל יקומו כל העם ונצבו איש פתח אהלו והביטו אחרי משה עד באו האהלה׃
8Ary raha nivoaka ho eo amin'ny lay Mosesy, dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lainy avy, dia nitazana an'i Mosesy mandra-pahatongany ao amin'ny lay.
9והיה כבא משה האהלה ירד עמוד הענן ועמד פתח האהל ודבר עם משה׃
9Ary raha niditra tao amin'ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin'i Mosesy.
10וראה כל העם את עמוד הענן עמד פתח האהל וקם כל העם והשתחוו איש פתח אהלו׃
10Ary hitan'ny olona rehetra ny andri-rahona nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny lay; dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy niankohoka teo anoloan'ny varavaran'ny lainy avy.
11ודבר יהוה אל משה פנים אל פנים כאשר ידבר איש אל רעהו ושב אל המחנה ומשרתו יהושע בן נון נער לא ימיש מתוך האהל׃
11Ary Jehovah niteny nifanatrika tamin'i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin'ny sakaizany. Ary niverina nankeo amin'ny toby izy; fa ny mpanompony, dia Josoa zatovo, zanak'i Nona, tsy niala tamin'ny lay.
12ויאמר משה אל יהוה ראה אתה אמר אלי העל את העם הזה ואתה לא הודעתני את אשר תשלח עמי ואתה אמרת ידעתיך בשם וגם מצאת חן בעיני׃
12Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Indro fa Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity, ary Hianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Hianao efa nilaza hoe: Mahalala anao tokoa Aho, ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao.
13ועתה אם נא מצאתי חן בעיניך הודעני נא את דרכך ואדעך למען אמצא חן בעיניך וראה כי עמך הגוי הזה׃
13Koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, dia ampahafantaro ny lalanao hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao; ary hevero fa olonao ity firenena ity.
14ויאמר פני ילכו והנחתי לך׃
14Dia hoy Izy: Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho.
15ויאמר אליו אם אין פניך הלכים אל תעלנו מזה׃
15Fa hoy Mosesy taminy: Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra hiala atỳ.
16ובמה יודע אפוא כי מצאתי חן בעיניך אני ועמך הלוא בלכתך עמנו ונפלינו אני ועמך מכל העם אשר על פני האדמה׃
16Fa inona anefa no hahafantarana fa nahita fitia eo imasonao izaho sy ny olonao? moa tsy amin'ny handehananao miaraka aminay va? dia ho voavaka amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany izahay, dia izaho sy ny olonao.
17ויאמר יהוה אל משה גם את הדבר הזה אשר דברת אעשה כי מצאת חן בעיני ואדעך בשם׃
17Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao zavatra nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao tokoa Aho.
18ויאמר הראני נא את כבדך׃
18Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
19ויאמר אני אעביר כל טובי על פניך וקראתי בשם יהוה לפניך וחנתי את אשר אחן ורחמתי את אשר ארחם׃
19Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran'i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin'izay hamindrako fo.
20ויאמר לא תוכל לראת את פני כי לא יראני האדם וחי׃
20Ary hoy koa Izy: Tsy mahazo mahita ny tavako ianao; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona.
21ויאמר יהוה הנה מקום אתי ונצבת על הצור׃
21Dia hoy Jehovah: Indro, misy fitoerana eto anilako; dia hijanona eo ambonin'ny harambato ianao;
22והיה בעבר כבדי ושמתיך בנקרת הצור ושכתי כפי עליך עד עברי׃
22koa raha mandalo ny voninahitro, dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato ianao, ka hosaronako ny tanako ianao mandra-pandaloko.Dia hanaisotra ny tanako Aho, ka hahita ny vohoko ianao; fa ny tavako tsy ho hita.
23והסרתי את כפי וראית את אחרי ופני לא יראו׃
23Dia hanaisotra ny tanako Aho, ka hahita ny vohoko ianao; fa ny tavako tsy ho hita.