Hebrew: Modern

Malagasy

Exodus

34

1ויאמר יהוה אל משה פסל לך שני לחת אבנים כראשנים וכתבתי על הלחת את הדברים אשר היו על הלחת הראשנים אשר שברת׃
1[Ny nanavaozan'Andriamanitra ny fanekena] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin'ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin'ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao;
2והיה נכון לבקר ועלית בבקר אל הר סיני ונצבת לי שם על ראש ההר׃
2ary aoka hivonona ianao mandra-pahamaraina; dia miakara raha maraina ho ao amin'ny tendrombohitra Sinay, ka mitsangana eo anatrehako ao an-tampon'ny tendrombohitra.
3ואיש לא יעלה עמך וגם איש אל ירא בכל ההר גם הצאן והבקר אל ירעו אל מול ההר ההוא׃
3Ary aoka tsy hisy olona hiakatra afa-tsy ianao, ary aoka tsy hisy olona ho hita eny amin'ny tendrombohitra Sinay rehetra; ary ny ondry aman'osy koa sy ny omby dia aoka tsy hisy handrasana eny akaikin'izany tendrombohitra izany
4ויפסל שני לחת אבנים כראשנים וישכם משה בבקר ויעל אל הר סיני כאשר צוה יהוה אתו ויקח בידו שני לחת אבנים׃
4Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato fisaka roa.
5וירד יהוה בענן ויתיצב עמו שם ויקרא בשם יהוה׃
5Ary Jehovah nidina tao anatin'ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran'i Jehovah.
6ויעבר יהוה על פניו ויקרא יהוה יהוה אל רחום וחנון ארך אפים ורב חסד ואמת׃
6Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana,
7נצר חסד לאלפים נשא עון ופשע וחטאה ונקה לא ינקה פקד עון אבות על בנים ועל בני בנים על שלשים ועל רבעים׃
7mitahiry famindram-po ho an'ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka sy ny zafy hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika.
8וימהר משה ויקד ארצה וישתחו׃
8Ary Mosesy dia niondrika faingana tamin'ny tany ka niankohoka;
9ויאמר אם נא מצאתי חן בעיניך אדני ילך נא אדני בקרבנו כי עם קשה ערף הוא וסלחת לעוננו ולחטאתנו ונחלתנו׃
9dia hoy izy: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay.
10ויאמר הנה אנכי כרת ברית נגד כל עמך אעשה נפלאת אשר לא נבראו בכל הארץ ובכל הגוים וראה כל העם אשר אתה בקרבו את מעשה יהוה כי נורא הוא אשר אני עשה עמך׃
10Ary hoy Izy: Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan'ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin'ny tany rehetra sy tany amin'ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan'i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin'ny fiombako anao.
11שמר לך את אשר אנכי מצוך היום הנני גרש מפניך את האמרי והכנעני והחתי והפרזי והחוי והיבוסי׃
11Tandremo izay andidiako anao anio; indro, efa horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
12השמר לך פן תכרת ברית ליושב הארץ אשר אתה בא עליה פן יהיה למוקש בקרבך׃
12Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin'ny mponina eo amin'ny tany izay halehanao ianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany.
13כי את מזבחתם תתצון ואת מצבתם תשברון ואת אשריו תכרתון׃
13Fa ravao ny alitarany, ary torotoroy ny tsangam-baton-tsampiny, ary jinjao ny Aserahany.
14כי לא תשתחוה לאל אחר כי יהוה קנא שמו אל קנא הוא׃
14Fa tsy hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy,
15פן תכרת ברית ליושב הארץ וזנו אחרי אלהיהם וזבחו לאלהיהם וקרא לך ואכלת מזבחו׃
15fandrao ianao hanao fanekena amin'ny mponina eo amin'ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny izy, ary hasainy ianao ka hihinana amin'ny fanatiny;
16ולקחת מבנתיו לבניך וזנו בנתיו אחרי אלהיהן והזנו את בניך אחרי אלהיהן׃
16ary andrao koa haka amin'ny zananivavy ho vadin'ny zanakao-lahy ianao, ary hijangajanga hanaraka ny andriamaniny ny zananivavy ka hampandeha ny zanakao-lahy hijangajanga hanaraka ny andriamaniny.
17אלהי מסכה לא תעשה לך׃
17Aza manao andriamanitra anidina ho anao.
18את חג המצות תשמר שבעת ימים תאכל מצות אשר צויתך למועד חדש האביב כי בחדש האביב יצאת ממצרים׃
18Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta.
19כל פטר רחם לי וכל מקנך תזכר פטר שור ושה׃
19Izay voalohan-teraka rehetra no Ahy, dia ny lahy amin'ny voalohan-teraky ny bibinao, na omby na ondry aman'osy;
20ופטר חמור תפדה בשה ואם לא תפדה וערפתו כל בכור בניך תפדה ולא יראו פני ריקם׃
20fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak'ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
21ששת ימים תעבד וביום השביעי תשבת בחריש ובקציר תשבת׃
21Henemana no hiasanao, fa amin'ny andro fahafito dia hitsahatra ianao: na dia amin'ny taom-pamafazana sy amin'ny taom-pijinjana aza dia hitsahatra ihany ianao.
22וחג שבעת תעשה לך בכורי קציר חטים וחג האסיף תקופת השנה׃
22Ary tandremo ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro amin'ny fanaterana ny voaloham-bokatra, raha mijinja ny vary tritika, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny fitsingerenan'ny taona.
23שלש פעמים בשנה יראה כל זכורך את פני האדן יהוה אלהי ישראל׃
23Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan'i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny Isiraely.
24כי אוריש גוים מפניך והרחבתי את גבולך ולא יחמד איש את ארצך בעלתך לראות את פני יהוה אלהיך שלש פעמים בשנה׃
24Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona ianao.
25לא תשחט על חמץ דם זבחי ולא ילין לבקר זבח חג הפסח׃
25Aza manatitra ny ran'ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin'ny andro firavoravoana amin'ny Paska.
26ראשית בכורי אדמתך תביא בית יהוה אלהיך לא תבשל גדי בחלב אמו׃
26Ny santatra amin'ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
27ויאמר יהוה אל משה כתב לך את הדברים האלה כי על פי הדברים האלה כרתי אתך ברית ואת ישראל׃
27Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin'ny Isiraely.
28ויהי שם עם יהוה ארבעים יום וארבעים לילה לחם לא אכל ומים לא שתה ויכתב על הלחת את דברי הברית עשרת הדברים׃
28Dia teo amin'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan'i Jehovah tamin'ny vato fisaka ny tenin'ny fanekena, dia ny Didy Folo.
29ויהי ברדת משה מהר סיני ושני לחת העדת ביד משה ברדתו מן ההר ומשה לא ידע כי קרן עור פניו בדברו אתו׃
29Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin'izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy.
30וירא אהרן וכל בני ישראל את משה והנה קרן עור פניו וייראו מגשת אליו׃
30Ary nony hitan'i Arona sy ny Zanak'Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy.
31ויקרא אלהם משה וישבו אליו אהרן וכל הנשאים בעדה וידבר משה אלהם׃
31Ary Mosesy niantso azy, dia niverina Arona sy ny lohan'ny fiangonana rehetra ho eo aminy; ary Mosesy niteny taminy.
32ואחרי כן נגשו כל בני ישראל ויצום את כל אשר דבר יהוה אתו בהר סיני׃
32Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak'Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain'i Jehovah taminy tao amin'ny tendrombohitra Sinay.
33ויכל משה מדבר אתם ויתן על פניו מסוה׃
33Ary rehefa vita ny teny nataon'i Mosesy taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany.
34ובבא משה לפני יהוה לדבר אתו יסיר את המסוה עד צאתו ויצא ודבר אל בני ישראל את אשר יצוה׃
34Ary raha niditra teo anatrehan'i Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia nivoaka izy ka nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely izay efa nandidiana azy.Ary hitan'ny Zanak'Isiraely ny tavan'i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron'i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy indray.
35וראו בני ישראל את פני משה כי קרן עור פני משה והשיב משה את המסוה על פניו עד באו לדבר אתו׃
35Ary hitan'ny Zanak'Isiraely ny tavan'i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron'i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy indray.