1ויקהל משה את כל עדת בני ישראל ויאמר אלהם אלה הדברים אשר צוה יהוה לעשת אתם׃
1[Ny nilazan'i Mosesy ny didin'i Jehovah ny amin'ny hitandremana ny Sabata sy ny hanaovana ny tabernakely, ary ny zavatra naterin'ny olona hanaovana azy] Ary Mosesy dia namory ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao no teny nandidian'i Jehovah hatao:
2ששת ימים תעשה מלאכה וביום השביעי יהיה לכם קדש שבת שבתון ליהוה כל העשה בו מלאכה יומת׃
2Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masina aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an'i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hatao maty.
3לא תבערו אש בכל משבתיכם ביום השבת׃
3Aza mampirehitra afo amin'ny andro Sabata any amin'izay rehetra itoeranareo.
4ויאמר משה אל כל עדת בני ישראל לאמר זה הדבר אשר צוה יהוה לאמר׃
4Ary Mosesy niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah:
5קחו מאתכם תרומה ליהוה כל נדיב לבו יביאה את תרומת יהוה זהב וכסף ונחשת׃
5Manalà ao aminareo fanatitra ho an'i Jehovah: izay rehetra amporisihin'ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an'i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,
6ותכלת וארגמן ותולעת שני ושש ועזים׃
6ary manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika, ary volon'osy
7וערת אילם מאדמים וערת תחשים ועצי שטים׃
7sy hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy hodi-takasy ary hazo akasia,
8ושמן למאור ובשמים לשמן המשחה ולקטרת הסמים׃
8sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin'ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
9ואבני שהם ואבני מלאים לאפוד ולחשן׃
9ary vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony ho amin'ny efoda sy ho amin'ny saron-tratra.
10וכל חכם לב בכם יבאו ויעשו את כל אשר צוה יהוה׃
10Ary aoka ny hendry rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian'i Jehovah:
11את המשכן את אהלו ואת מכסהו את קרסיו ואת קרשיו את בריחו את עמדיו ואת אדניו׃
11dia ny tabernakely sy ny lainy sy ny firakony sy ny farangony, sy ny zana-kazony sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
12את הארן ואת בדיו את הכפרת ואת פרכת המסך׃
12ary ny fiara sy ny baony sy ny rakotra fanaovam-panavotana sy ny efitra lamba fanakonana,
13את השלחן ואת בדיו ואת כל כליו ואת לחם הפנים׃
13ary ny latabatra sy ny baony mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny mofo aseho,
14ואת מנרת המאור ואת כליה ואת נרתיה ואת שמן המאור׃
14ary ny fanaovan-jiro ho fanazavana mbamin'ny fanaka momba azy ary ny lela fanaovan-jirony sy ny diloilo hatao fanazavana,
15ואת מזבח הקטרת ואת בדיו ואת שמן המשחה ואת קטרת הסמים ואת מסך הפתח לפתח המשכן׃
15ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra sy ny baony, ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona, ary ny varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny tabernakely,
16את מזבח העלה ואת מכבר הנחשת אשר לו את בדיו ואת כל כליו את הכיר ואת כנו׃
16ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny harato varahina ho eo aminy sy ny baony ary ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
17את קלעי החצר את עמדיו ואת אדניה ואת מסך שער החצר׃
17ary ny fefy lamba ho amin'ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany sy ny vavahady lamba ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja,
18את יתדת המשכן ואת יתדת החצר ואת מיתריהם׃
18ary ny tsimatry ny tabernakely sy ny tsimatry ny kianja sy ny kofehiny,
19את בגדי השרד לשרת בקדש את בגדי הקדש לאהרן הכהן ואת בגדי בניו לכהן׃
19ary ny fitafiana makarakara ho entiny manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona ary ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona.
20ויצאו כל עדת בני ישראל מלפני משה׃
20Dia niala teo anatrehan'i Mosesy ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
21ויבאו כל איש אשר נשאו לבו וכל אשר נדבה רוחו אתו הביאו את תרומת יהוה למלאכת אהל מועד ולכל עבדתו ולבגדי הקדש׃
21Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony, ary izay rehetra namporisihin'ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina.
22ויבאו האנשים על הנשים כל נדיב לב הביאו חח ונזם וטבעת וכומז כל כלי זהב וכל איש אשר הניף תנופת זהב ליהוה׃
22Dia nanatona ny lehilahy mbamin'ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an'i Jehovah.
23וכל איש אשר נמצא אתו תכלת וארגמן ותולעת שני ושש ועזים וערת אילם מאדמים וערת תחשים הביאו׃
23Ary ny olona rehetra izay nanana manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon'osy sy hoditr'ondrilahy efa nomenaina ary hodi-takasy dia nitondra azy.
24כל מרים תרומת כסף ונחשת הביאו את תרומת יהוה וכל אשר נמצא אתו עצי שטים לכל מלאכת העבדה הביאו׃
24Izay rehetra nanatitra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin'ny fanompoana dia nitondra azy.
25וכל אשה חכמת לב בידיה טוו ויביאו מטוה את התכלת ואת הארגמן את תולעת השני ואת השש׃
25Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin'ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika.
26וכל הנשים אשר נשא לבן אתנה בחכמה טוו את העזים׃
26Ary ny vehivavy rehetra izay nampahazotoin'ny fony tamin'ny fahendrena dia namoly ny volon'osy.
27והנשאם הביאו את אבני השהם ואת אבני המלאים לאפוד ולחשן׃
27Ary ny loholona nitondra ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin'ny efoda sy ho amin'ny saron-tratra,
28ואת הבשם ואת השמן למאור ולשמן המשחה ולקטרת הסמים׃
28ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin'ny diloilo fanosorana ary ho amin'ny ditin-kazo mani-pofona.
29כל איש ואשה אשר נדב לבם אתם להביא לכל המלאכה אשר צוה יהוה לעשות ביד משה הביאו בני ישראל נדבה ליהוה׃
29Ary ny Zanak'Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an'i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao.
30ויאמר משה אל בני ישראל ראו קרא יהוה בשם בצלאל בן אורי בן חור למטה יהודה׃
30Ary hoy Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely: Indro, efa notononin'i Jehovah anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda,
31וימלא אתו רוח אלהים בחכמה בתבונה ובדעת ובכל מלאכה׃
31ka efa nofenoiny fanahin'Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa,
32ולחשב מחשבת לעשת בזהב ובכסף ובנחשת׃
32dia ny hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina,
33ובחרשת אבן למלאת ובחרשת עץ לעשות בכל מלאכת מחשבת׃
33ary ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana izay asa kanto samy hafa rehetra.
34ולהורת נתן בלבו הוא ואהליאב בן אחיסמך למטה דן׃
34Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon'Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak'i Ahisamaka avy amin'ny firenen'i Dana.Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an'ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an'ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary amin'ny rongony fotsy madinika ary ny an'ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.
35מלא אתם חכמת לב לעשות כל מלאכת חרש וחשב ורקם בתכלת ובארגמן בתולעת השני ובשש וארג עשי כל מלאכה וחשבי מחשבת׃
35Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an'ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an'ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary amin'ny rongony fotsy madinika ary ny an'ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.