Hebrew: Modern

Malagasy

Exodus

36

1ועשה בצלאל ואהליאב וכל איש חכם לב אשר נתן יהוה חכמה ותבונה בהמה לדעת לעשת את כל מלאכת עבדת הקדש לכל אשר צוה יהוה׃
1Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen'i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah.
2ויקרא משה אל בצלאל ואל אהליאב ואל כל איש חכם לב אשר נתן יהוה חכמה בלבו כל אשר נשאו לבו לקרבה אל המלאכה לעשת אתה׃
2Ary Mosesy dia nampaka an'i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian'i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony hankeo amin'ny asa hanao azy.
3ויקחו מלפני משה את כל התרומה אשר הביאו בני ישראל למלאכת עבדת הקדש לעשת אתה והם הביאו אליו עוד נדבה בבקר בבקר׃
3Ary izy ireo dia nandray tamin'i Mosesy ny fanatitra re­hetra izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely hanaovana ny asa amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin'i Mosesy.
4ויבאו כל החכמים העשים את כל מלאכת הקדש איש איש ממלאכתו אשר המה עשים׃
4Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin'ny fitoerana masina, samy niala tamin'ny asany izay nataony avy,
5ויאמרו אל משה לאמר מרבים העם להביא מדי העבדה למלאכה אשר צוה יהוה לעשת אתה׃
5ka niteny tamin'i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin'ny asa nandidian'i Jehovah hatao.
6ויצו משה ויעבירו קול במחנה לאמר איש ואשה אל יעשו עוד מלאכה לתרומת הקדש ויכלא העם מהביא׃
6Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran'ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin'ny fitoerana masina ianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony;
7והמלאכה היתה דים לכל המלאכה לעשות אתה והותר׃
7fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.
8ויעשו כל חכם לב בעשי המלאכה את המשכן עשר יריעת שש משזר ותכלת וארגמן ותולעת שני כרבים מעשה חשב עשה אתם׃
8[Ny nanaovana ny tabernakely sy izay rehetra momba azy] Ary ny hendry rehetra teo amin'izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
9ארך היריעה האחת שמנה ועשרים באמה ורחב ארבע באמה היריעה האחת מדה אחת לכל היריעת׃
9Ny halavan'ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra.
10ויחבר את חמש היריעת אחת אל אחת וחמש יריעת חבר אחת אל אחת׃
10Ambainy dimy navitrany ho iray; ary ambainy dimy koa navitrany ho iray.
11ויעש ללאת תכלת על שפת היריעה האחת מקצה במחברת כן עשה בשפת היריעה הקיצונה במחברת השנית׃
11Ary nanao tadivavarana manga teo an-tsisin'ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin'ny ambainy farany izy, dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana koa.
12חמשים ללאת עשה ביריעה האחת וחמשים ללאת עשה בקצה היריעה אשר במחברת השנית מקבילת הללאת אחת אל אחת׃
12Tadivavarana dimam-polo no nataony teo amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no nataony teo amin'ny sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana koa; ary nifandray ny tadivavarana.
13ויעש חמשים קרסי זהב ויחבר את הירעת אחת אל אחת בקרסים ויהי המשכן אחד׃
13Ary nanao farango volamena dimam-polo izy, ka nakambany tamin'ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely.
14ויעש יריעת עזים לאהל על המשכן עשתי עשרה יריעת עשה אתם׃
14Ary nanao ambainy koa tamin'ny volon'osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no nanaovany azy.
15ארך היריעה האחת שלשים באמה וארבע אמות רחב היריעה האחת מדה אחת לעשתי עשרה יריעת׃
15Ny halavan'ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo.
16ויחבר את חמש היריעת לבד ואת שש היריעת לבד׃
16Ary navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana.
17ויעש ללאת חמשים על שפת היריעה הקיצנה במחברת וחמשים ללאת עשה על שפת היריעה החברת השנית׃
17Ary nanao tadivavarana dimam-polo ho eo an­tsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voa vitrana izy; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray koa efa voavitrana.
18ויעש קרסי נחשת חמשים לחבר את האהל להית אחד׃
18Ary nanao farango varahina dimam-polo izy hampikambana ny lay ho iray.
19ויעש מכסה לאהל ערת אלים מאדמים ומכסה ערת תחשים מלמעלה׃
19Ary nanao rakotry ny lay tamin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.
20ויעש את הקרשים למשכן עצי שטים עמדים׃
20Ary nanao ny zana-kazo akasia ho amin'ny tabernakely izy.
21עשר אמת ארך הקרש ואמה וחצי האמה רחב הקרש האחד׃
21Folo hakiho ny hahavon'ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben'ny zana-kazo iray.
22שתי ידת לקרש האחד משלבת אחת אל אחת כן עשה לכל קרשי המשכן׃
22Ary lahiny roa no amin'ny zana-kazo iray, ka nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany ny zana-kazo rehetra tamin'ny tabernakely.
23ויעש את הקרשים למשכן עשרים קרשים לפאת נגב תימנה׃
23Ary nanao ny zana-kazo ho amin'ny tabernakely izy, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny atsimo.
24וארבעים אדני כסף עשה תחת עשרים הקרשים שני אדנים תחת הקרש האחד לשתי ידתיו ושני אדנים תחת הקרש האחד לשתי ידתיו׃
24Ary nanao faladia volafotsy efa-polo izy ho ambanin'ny zana-kazo roa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo hiorenan'ny lahiny roa.
25ולצלע המשכן השנית לפאת צפון עשה עשרים קרשים׃
25Ary nanao zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny faharoa amin'ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra.
26וארבעים אדניהם כסף שני אדנים תחת הקרש האחד ושני אדנים תחת הקרש האחד׃
26Ary nanao faladiany volafotsy efa-polo, izy dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo.
27ולירכתי המשכן ימה עשה ששה קרשים׃
27Ary nanao zana-kazo enina ho eo amin'ny lafin'ny tabernakely andrefana izy, izay eo ivohony.
28ושני קרשים עשה למקצעת המשכן בירכתים׃
28Ary nanao zana-kazo roa ho eo amin'ny zoron'ny tabernakely tamin'ny lafiny ivoho izy.
29והיו תואמם מלמטה ויחדו יהיו תמים אל ראשו אל הטבעת האחת כן עשה לשניהם לשני המקצעת׃
29Ary nakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin'ny zorony roa.
30והיו שמנה קרשים ואדניהם כסף ששה עשר אדנים שני אדנים שני אדנים תחת הקרש האחד׃
30Ary nisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy; dia faladia enina ambin'ny folo: faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.
31ויעש בריחי עצי שטים חמשה לקרשי צלע המשכן האחת׃
31Ary hazo akasia no nataony barany: dia dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray amin'ny tabernakely,
32וחמשה בריחם לקרשי צלע המשכן השנית וחמשה בריחם לקרשי המשכן לירכתים ימה׃
32sy barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray koa amin'ny tabernakely, ary barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
33ויעש את הבריח התיכן לברח בתוך הקרשים מן הקצה אל הקצה׃
33Ary nanao ny barany afovoany izy, ho afovoan'ny zana-kazo ka hahatratra ny farany roa.
34ואת הקרשים צפה זהב ואת טבעתם עשה זהב בתים לבריחם ויצף את הבריחם זהב׃
34Ary ny zana-kazo nopetahany takela-bolamena, ary nataony volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran'ny barany: ary nopetahany takela-bolamena koa ny barany.
35ויעש את הפרכת תכלת וארגמן ותולעת שני ושש משזר מעשה חשב עשה אתה כרבים׃
35Ary ny efitra lamba dia nataony manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, ary kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
36ויעש לה ארבעה עמודי שטים ויצפם זהב וויהם זהב ויצק להם ארבעה אדני כסף׃
36Ary nanao andry efatra tamin'ny hazo akasia izy hihantonan'izany, ary nopetahany takela-bolamena ireo, sady nataony volamena koa ny fihantonany; ary nandrendrika faladia volafotsy efatra izy'hiorenany.
37ויעש מסך לפתח האהל תכלת וארגמן ותולעת שני ושש משזר מעשה רקם׃
37Ary nanao varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny lay izy, dia tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena ny lohany sy ny anjaka hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.
38ואת עמודיו חמשה ואת וויהם וצפה ראשיהם וחשקיהם זהב ואדניהם חמשה נחשת׃
38Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena ny lohany sy ny anjaka hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.