1ויעש בצלאל את הארן עצי שטים אמתים וחצי ארכו ואמה וחצי רחבו ואמה וחצי קמתו׃
1Ary Bezalila nanao ny fiara tamin'ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;
2ויצפהו זהב טהור מבית ומחוץ ויעש לו זר זהב סביב׃
2ary nopetahany takela-bolamena tsara tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany koronosy volamena manodidina.
3ויצק לו ארבע טבעת זהב על ארבע פעמתיו ושתי טבעת על צלעו האחת ושתי טבעות על צלעו השנית׃
3Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin'ny tongony efatra: dia vava vola roa teo amin'ny lafiny iray, ary vava vola roa teo amin'ny lafiny iray koa.
4ויעש בדי עצי שטים ויצף אתם זהב׃
4Ary nanao bao tamin'ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-bolamena.
5ויבא את הבדים בטבעת על צלעת הארן לשאת את הארן׃
5Ary nampidiriny ny bao ho eo amin'ny vava vola, izay eo amin'ny lafin'ny fiara, hilanjana azy.
6ויעש כפרת זהב טהור אמתים וחצי ארכה ואמה וחצי רחבה׃
6Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana tamin'ny volamena tsara izy: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
7ויעש שני כרבים זהב מקשה עשה אתם משני קצות הכפרת׃
7Ary nanao kerobima volamena roa izy; voasana no nanaovany azy roa miray amin'ny lohany roa amin'ny rakotra fanaovam-panavotana:
8כרוב אחד מקצה מזה וכרוב אחד מקצה מזה מן הכפרת עשה את הכרבים משני קצוותו׃
8dia ny kerobima iray nataony teo amin'ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa teo amin'ny sakany anankiray: indray mivofy tamin'ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany ny kerobima roa, dia teo amin'ny sakany roa.
9ויהיו הכרבים פרשי כנפים למעלה סככים בכנפיהם על הכפרת ופניהם איש אל אחיו אל הכפרת היו פני הכרבים׃
9Ary ny elatry ny kerobima nivelatra teo ambony, ka nalofan'ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany nifanatrika, sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
10ויעש את השלחן עצי שטים אמתים ארכו ואמה רחבו ואמה וחצי קמתו׃
10Ary nanao ny latabatra tamin'ny hazo akasia izy: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
11ויצף אתו זהב טהור ויעש לו זר זהב סביב׃
11Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, sady nasiany koronosy volamena manodidina azy.
12ויעש לו מסגרת טפח סביב ויעש זר זהב למסגרתו סביב׃
12Ary nasiany sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary nasiany koronosy volamena ny sisiny manodidina.
13ויצק לו ארבע טבעת זהב ויתן את הטבעת על ארבע הפאת אשר לארבע רגליו׃
13Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin'ny zorony efatra, izay eo amin'ny tongony efatra, ireo:
14לעמת המסגרת היו הטבעת בתים לבדים לשאת את השלחן׃
14eo akaikin'ny sisiny no nisian'ny vava vola ho fitoeran'ny bao hilanjana ny latabatra.
15ויעש את הבדים עצי שטים ויצף אתם זהב לשאת את השלחן׃
15Ary nanao ny bao tamin'ny hazo akasia izy, hilanjana ny latabatra, ka nopetahany takela-bolamena.
16ויעש את הכלים אשר על השלחן את קערתיו ואת כפתיו ואת מנקיתיו ואת הקשות אשר יסך בהן זהב טהור׃
16Ary nanao ny fanaka izay eo ambonin'ny latabatra izy, dia ny lovia ny sy ny lovia keliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no nanaovany ireo.
17ויעש את המנרה זהב טהור מקשה עשה את המנרה ירכה וקנה גביעיה כפתריה ופרחיה ממנה היו׃
17Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin'ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
18וששה קנים יצאים מצדיה שלשה קני מנרה מצדה האחד ושלשה קני מנרה מצדה השני׃
18Ary nisy sampany enina tamin'ny ankilany roa, dia sampany telo tamin'ny fanaovan-jiro amin'ny ankilany iray, ary sampany telo tamin'ny fanaovan-jiro amin'ny ankilany iray koa;
19שלשה גבעים משקדים בקנה האחד כפתר ופרח ושלשה גבעים משקדים בקנה אחד כפתר ופרח כן לששת הקנים היצאים מן המנרה׃
19teo amin'ny sampany anankiray nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; ary teo amin'ny sampany anankiray koa nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin'ny sampany enina tamin'ny fanaovan-jiro.
20ובמנרה ארבעה גבעים משקדים כפתריה ופרחיה׃
20Ary teo amin'ny fanaovan-jiro dia nisy vodi-voniny efatra natao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny,
21וכפתר תחת שני הקנים ממנה וכפתר תחת שני הקנים ממנה וכפתר תחת שני הקנים ממנה לששת הקנים היצאים ממנה׃
21dia kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa koa sady miray aminy; dia amin'ny sampany enina izay miray amin'ny fanaovan-jiro.
22כפתריהם וקנתם ממנה היו כלה מקשה אחת זהב טהור׃
22Ny kiboriny sy ny sampany dia niray taminy avokoa; natao indray mivofy tamin'ny volamena tsara izy rehetra.
23ויעש את נרתיה שבעה ומלקחיה ומחתתיה זהב טהור׃
23Ary nanao ny lela fanaovan-jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony tamin'ny volamena tsara izy.
24ככר זהב טהור עשה אתה ואת כל כליה׃
24Volamena tsara talenta iray no nanaovany azy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy.
25ויעש את מזבח הקטרת עצי שטים אמה ארכו ואמה רחבו רבוע ואמתים קמתו ממנו היו קרנתיו׃
25Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin'ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.
26ויצף אתו זהב טהור את גגו ואת קירתיו סביב ואת קרנתיו ויעש לו זר זהב סביב׃
26Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary nasiany koronosy volamena manodidina.
27ושתי טבעת זהב עשה לו מתחת לזרו על שתי צלעתיו על שני צדיו לבתים לבדים לשאת אתו בהם׃
27Ary nasiany vava volamena roa izy teo ambanin'ny koronosiny, ka nataony teo amin'ny zorony efatra ireo ho fitoeran'ny bao hilanjana azy.
28ויעש את הבדים עצי שטים ויצף אתם זהב׃
28Ary hazo akasia no nanaovany ny bao, ka nopetahany takela-bolamena.Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan'ny mpangaroharo zava-manitra.
29ויעש את שמן המשחה קדש ואת קטרת הסמים טהור מעשה רקח׃
29Ary nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan'ny mpangaroharo zava-manitra.