Hebrew: Modern

Malagasy

Exodus

38

1ויעש את מזבח העלה עצי שטים חמש אמות ארכו וחמש אמות רחבו רבוע ושלש אמות קמתו׃
1Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana tamin'ny hazo akasia izy: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
2ויעש קרנתיו על ארבע פנתיו ממנו היו קרנתיו ויצף אתו נחשת׃
2Ary nanao ny tandrony teo amin'ny zorony efatra izy, ka nataony miray aminy, ary nopetahany takela-barahina ireo.
3ויעש את כל כלי המזבח את הסירת ואת היעים ואת המזרקת את המזלגת ואת המחתת כל כליו עשה נחשת׃
3Ary nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny fandraofan-davenona sy ny sotron'afony sy ny loviany famafazana sy ny fitrebiny ary ny fitondran'afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy.
4ויעש למזבח מכבר מעשה רשת נחשת תחת כרכבו מלמטה עד חציו׃
4Ary nanao makarakara vara­hina tahaka ny harato ho eo amin'ny alitara izy, dia eo ambanin'ny sikiny, hatreo ambodin'ny alitara ka hatreo amin'ny fisasahany.
5ויצק ארבע טבעת בארבע הקצות למכבר הנחשת בתים לבדים׃
5Ary nandrendrika vava vola efatra hatao eo an-jorony efatra amin'ny makarakara varahina izy ho fitoeran'ny bao.
6ויעש את הבדים עצי שטים ויצף אתם נחשת׃
6Ary nanao ny bao tamin'ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-barahina.
7ויבא את הבדים בטבעת על צלעת המזבח לשאת אתו בהם נבוב לחת עשה אתו׃
7Ary nampiditra ny bao teo amin'ny vava vola teo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty.
8ויעש את הכיור נחשת ואת כנו נחשת במראת הצבאת אשר צבאו פתח אהל מועד׃
8Ary ny tavy varahina sy ny faladiany vara­hina dia nataony tamin'ny fitaratra varahin'ny vehivavy izay nanompo teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
9ויעש את החצר לפאת נגב תימנה קלעי החצר שש משזר מאה באמה׃
9Ary nanao ny kianja izy: tamin'ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin'ny kianja natao tamin'ny rongony fotsy madinika voahasina;
10עמודיהם עשרים ואדניהם עשרים נחשת ווי העמדים וחשקיהם כסף׃
10ary roa-polo ny tsangantsangany, ary roa-polo ny faladiany vara­hina; ary volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
11ולפאת צפון מאה באמה עמודיהם עשרים ואדניהם עשרים נחשת ווי העמודים וחשקיהם כסף׃
11Ary tamin'ny lafiny avaratra koa nisy zato hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny faladiany varahina roa-polo; volafotsy ny fihantonany amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
12ולפאת ים קלעים חמשים באמה עמודיהם עשרה ואדניהם עשרה ווי העמדים וחשוקיהם כסף׃
12Ary tamin'ny lafiny andrefana nisy fefy lamba dimam-polo hakiho; folo ny tsangantsangany ary folo ny faladiany; ary volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
13ולפאת קדמה מזרחה חמשים אמה׃
13Ary ny lafiny atsinanana nataony dimam-polo hakiho.
14קלעים חמש עשרה אמה אל הכתף עמודיהם שלשה ואדניהם שלשה׃
14Ary nisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny ilany iray; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany.
15ולכתף השנית מזה ומזה לשער החצר קלעים חמש עשרה אמה עמדיהם שלשה ואדניהם שלשה׃
15Ary nisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho tamin'ny ilany iray koa; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany;
16כל קלעי החצר סביב שש משזר׃
16Ary nataony rongony fotsy madinika voahasina avokoa ny fefy lamban'ny kianja manodidina.
17והאדנים לעמדים נחשת ווי העמודים וחשוקיהם כסף וצפוי ראשיהם כסף והם מחשקים כסף כל עמדי החצר׃
17Ary ny faladian'ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin'ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa.
18ומסך שער החצר מעשה רקם תכלת וארגמן ותולעת שני ושש משזר ועשרים אמה ארך וקומה ברחב חמש אמות לעמת קלעי החצר׃
18Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin'ny kianja dia asan'ny mahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary ny hahavony nitovy tamin'ny lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny hahavon'ny fefy lamban'ny kianja.
19ועמדיהם ארבעה ואדניהם ארבעה נחשת וויהם כסף וצפוי ראשיהם וחשקיהם כסף׃
19Ary efatra ny tsangantsangany, ary efatra ny faladiany varahina; ary ny fihantonany dia volafotsy; ary ny takela-bola tamin'ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia volafotsy koa.
20וכל היתדת למשכן ולחצר סביב נחשת׃
20Ary ny tsimatra amin'ny tabernakely sy amin'ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.
21אלה פקודי המשכן משכן העדת אשר פקד על פי משה עבדת הלוים ביד איתמר בן אהרן הכהן׃
21[Tontalin'ny volamena sy volafotsy ary vara­hina izay lany] Ary izao no isan'ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin'ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin'i Mosesy; natao fanompoan'ny Levita, fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona, ny nanisa azy.
22ובצלאל בן אורי בן חור למטה יהודה עשה את כל אשר צוה יהוה את משה׃
22Ary Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda, nanao izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
23ואתו אהליאב בן אחיסמך למטה דן חרש וחשב ורקם בתכלת ובארגמן ובתולעת השני ובשש׃
23Ary ny namany dia Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.
24כל הזהב העשוי למלאכה בכל מלאכת הקדש ויהי זהב התנופה תשע ועשרים ככר ושבע מאות ושלשים שקל בשקל הקדש׃
24Talenta sivy amby roa-polo, ary sekely telo-polo amby fiton-jato, araka ny sekely masina, ny volamena rehetra izay lany tamin'ny asa rehetra tamin'ny fitoerana masina, dia ny volamena izay natao fanatitra ahevaheva.
25וכסף פקודי העדה מאת ככר ואלף ושבע מאות וחמשה ושבעים שקל בשקל הקדש׃
25Ary ny volafotsy avy tamin'ny olona izay voaisa tamin'ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masina:
26בקע לגלגלת מחצית השקל בשקל הקדש לכל העבר על הפקדים מבן עשרים שנה ומעלה לשש מאות אלף ושלשת אלפים וחמש מאות וחמשים׃
26beka iray isan-olona, dia antsasaky ny sekely araka ny sekely masina, no naloan'izay rehetra voalamina, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia olona dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy.
27ויהי מאת ככר הכסף לצקת את אדני הקדש ואת אדני הפרכת מאת אדנים למאת הככר ככר לאדן׃
27Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian'ny fitoerana masina sy ny faladian'ny efitra lamba: dia faladia zato tamin'ny talenta volafotsy zato, talenta iray ny faladiany iray.
28ואת האלף ושבע המאות וחמשה ושבעים עשה ווים לעמודים וצפה ראשיהם וחשק אתם׃
28Ary tamin'ny sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato sy arivo no nanaovany ny fihantonana tamin'ny andry, sy nametahana takela-bola tamin'ny lohany, ary nanaovany ny anjaka hitohizany.
29ונחשת התנופה שבעים ככר ואלפים וארבע מאות שקל׃
29Ary ny varahina izay natao fanatitra ahevaheva dia talenta fito-polo sy sekely efa-jato amby roa arivo.
30ויעש בה את אדני פתח אהל מועד ואת מזבח הנחשת ואת מכבר הנחשת אשר לו ואת כל כלי המזבח׃
30Ary izany no nanaovany ny faladiany ho amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara varahina sy ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,ary ny faladia tamin'ny kianja manodidina sy ny faladia tamin'ny vavahadin'ny kianja, sy ny tsimatra rehetra tamin'ny tabernakely ary ny tsimatra rehetra tamin'ny kianja manodidina.
31ואת אדני החצר סביב ואת אדני שער החצר ואת כל יתדת המשכן ואת כל יתדת החצר סביב׃
31ary ny faladia tamin'ny kianja manodidina sy ny faladia tamin'ny vavahadin'ny kianja, sy ny tsimatra rehetra tamin'ny tabernakely ary ny tsimatra rehetra tamin'ny kianja manodidina.