Hebrew: Modern

Malagasy

Joshua

13

1ויהושע זקן בא בימים ויאמר יהוה אליו אתה זקנתה באת בימים והארץ נשארה הרבה מאד לרשתה׃
1[Ny nandidian'Andriamanitra an'i Josoa hizara ny tany ary filazana ny anjara efa nomena ny firenena roa sy sasany] Ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa zoki-olona ianao ka mandroso fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.
2זאת הארץ הנשארת כל גלילות הפלשתים וכל הגשורי׃
2Izao no tany sisa tsy mbola azo: Ny tany rehetra an'ny Filistina sy ny Gesorita rehetra,
3מן השיחור אשר על פני מצרים ועד גבול עקרון צפונה לכנעני תחשב חמשת סרני פלשתים העזתי והאשדודי האשקלוני הגתי והעקרוני והעוים׃
3hatrany Sihora, izay atsinanan'i Egypta, ka hatramin'ny fari-tanin'i Elzrona eo avaratra, izay atao ho an'ny Kananita, ireo andriana dimy amin'ny Filistina dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita
4מתימן כל ארץ הכנעני ומערה אשר לצידנים עד אפקה עד גבול האמרי׃
4any atsimo, dia ny tanin'ny Kananita rehetra sy Meara, izay an'ny Sidoniana, hatrany Afeka ka hatramin'ny fari-tanin'ny Amorita,
5והארץ הגבלי וכל הלבנון מזרח השמש מבעל גד תחת הר חרמון עד לבוא חמת׃
5ary ny tanin'ny Gebalita sy Libanona rehetra any atsinanana, hatrany Bala-gada eo ambodin'ny tendrombohitra Hermona ka hatrany akaikin'i Hamata,
6כל ישבי ההר מן הלבנון עד משרפת מים כל צידנים אנכי אורישם מפני בני ישראל רק הפלה לישראל בנחלה כאשר צויתיך׃
6ary ny mponina rehetra any amin'ny tany havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-maima. dia ny Sidoniana rehetra, Izaho no handroaka kanefa zarao amin'ny filokana ho lovan'ny Zanak'Isiraely izy araka izay efa nandidiako anao.
7ועתה חלק את הארץ הזאת בנחלה לתשעת השבטים וחצי השבט המנשה׃
7Ary ankehitriny zarao izao tany izao ho lovan'ny firenena sivy sy ny antsasaky ny firenen'i Manase.
8עמו הראובני והגדי לקחו נחלתם אשר נתן להם משה בעבר הירדן מזרחה כאשר נתן להם משה עבד יהוה׃
8Ary niaraka tamin'ireo koa no nahazoan'ny Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen'i Mosesy azy any an-dafy atsinanan'i Jordana, araka izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, azy,
9מערוער אשר על שפת נחל ארנון והעיר אשר בתוך הנחל וכל המישר מידבא עד דיבון׃
9dia hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan'ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba ka hatrany Dibona,
10וכל ערי סיחון מלך האמרי אשר מלך בחשבון עד גבול בני עמון׃
10ary ny tanàna rehetra izay an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona, hatramin'ny faritanin'ny taranak'i Amona,
11והגלעד וגבול הגשורי והמעכתי וכל הר חרמון וכל הבשן עד סלכה׃
11ary Gileada sy ny tanin'ny Gesorita sy ny Makatita sy ny tendrombohitra Hermona rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka,
12כל ממלכות עוג בבשן אשר מלך בעשתרות ובאדרעי הוא נשאר מיתר הרפאים ויכם משה וירשם׃
12dia ny fanjakana rehetra an'i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy (izy ihany no sisa tamin'ny Refaita); fa resin'i Mosesy ireny ka noroahiny.
13ולא הורישו בני ישראל את הגשורי ואת המעכתי וישב גשור ומעכת בקרב ישראל עד היום הזה׃
13Kanefa tsy mba noroahin'ny Zanak'Isiraely ny Gesorita sy ny Makatita; fa mitoetra eo amin'ny Zanak'Isiraely mandraka androany ny Gesorita sy ny Makatita.
14רק לשבט הלוי לא נתן נחלה אשי יהוה אלהי ישראל הוא נחלתו כאשר דבר לו׃
14Ny firenen'i Levy ihany no tsy nomeny lova; ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany araka izay nolazainy taminy.
15ויתן משה למטה בני ראובן למשפחתם׃
15Ary nomen'i Mosesy lova ny firenena taranak'i Robena araka ny fokony
16ויהי להם הגבול מערוער אשר על שפת נחל ארנון והעיר אשר בתוך הנחל וכל המישר על מידבא׃
16Ary ny fari-taniny dia hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan'ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba,
17חשבון וכל עריה אשר במישר דיבון ובמות בעל ובית בעל מעון׃
17dia Hesbona sy ny tanànany rehetra, izay eo amin'ny tany lemaka, sy Dibona sy Bamotabala sy Beti-bala-meona
18ויהצה וקדמת ומפעת׃
18sy Jahaza sy Kedemota sy Mefata
19וקריתים ושבמה וצרת השחר בהר העמק׃
19sy Kiria-taima sy Sibma sy Zareta-sahara amin'ny tendrombohitra ao an-dohasaha,
20ובית פעור ואשדות הפסגה ובית הישמות׃
20sy Beti-peora sy ny ao am-bodin'i Pisga ary Beti-jesimota
21וכל ערי המישר וכל ממלכות סיחון מלך האמרי אשר מלך בחשבון אשר הכה משה אתו ואת נשיאי מדין את אוי ואת רקם ואת צור ואת חור ואת רבע נסיכי סיחון ישבי הארץ׃
21ary ny tanàna rehetra any amin'ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona fa resin'i Mosesy izy sy ireo andrianan'ny Midianita, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba, andriana izay nanoa an'i Sihona ka nitoetra teo amin'ny tany.
22ואת בלעם בן בעור הקוסם הרגו בני ישראל בחרב אל חלליהם׃
22Ary Balama, mpanao fankatovana, zanak'i Beora, dia novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra niaraka tamin'izay novonoiny.
23ויהי גבול בני ראובן הירדן וגבול זאת נחלת בני ראובן למשפחתם הערים וחצריהן׃
23Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Robena dia ny amoron'i Jordana. Izay no lovan'ny taranak'i Robena araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny.
24ויתן משה למטה גד לבני גד למשפחתם׃
24Ary nomen'i Mosesy koa ny firenen'i Gada, dia ny taranak'i Gada araka ny fokony.
25ויהי להם הגבול יעזר וכל ערי הגלעד וחצי ארץ בני עמון עד ערוער אשר על פני רבה׃
25Ary ny faritaniny dia Jazera sy ny tanàna rehetra any Gileada ary ny antsasaky ny tanin'ny taranak'i Amona, hatrany Aroera, izay tandrifin'i Raba,
26ומחשבון עד רמת המצפה ובטנים וממחנים עד גבול לדבר׃
26ary hatrany Hesbona ka hatrany Ramatamizpa sy Betonima ary hatrany Mahanaima ka hatramin'ny faritanin'i Debira;
27ובעמק בית הרם ובית נמרה וסכות וצפון יתר ממלכות סיחון מלך חשבון הירדן וגבל עד קצה ים כנרת עבר הירדן מזרחה׃
27ary teo amin'ny lohasaha Beti-harama sy Beti-nimra sy Sokota sy Zafona ary ny sisa tamin'ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy ny amoron'i Jordana hatramin'ny amoron'ny Ranomasina Kinereta an-dafy atsinanan'i Jordana.
28זאת נחלת בני גד למשפחתם הערים וחצריהם׃
28Izany no lovan'ny taranak'i Gada araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny.
29ויתן משה לחצי שבט מנשה ויהי לחצי מטה בני מנשה למשפחותם׃
29Ary nomen'i Mosesy koa ny antsasaky ny firenen'i Manase; ary izao no an'ny antsasaky ny firenena taranak'i Manase araka ny fokony:
30ויהי גבולם ממחנים כל הבשן כל ממלכות עוג מלך הבשן וכל חות יאיר אשר בבשן ששים עיר׃
30Ny fari-taniny hatrany Mahanaima, dia Basana rehetra, izay fanjakana rehetra an'i Oga, mpanjakan'i Basana, ary ny tanàna madinika rehetra an'i Jaira, izay any Basana, dia tanàna enim-polo.
31וחצי הגלעד ועשתרות ואדרעי ערי ממלכות עוג בבשן לבני מכיר בן מנשה לחצי בני מכיר למשפחותם׃
31Ary ny antsasak'i Gileada sy Astarta ary Edrehy, tanàna amin'ny fanjakan'i Oga any Basana, dia an'ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, dia ho an'ny antsasaky ny taranak'i Makira araka ny fokony.
32אלה אשר נחל משה בערבות מואב מעבר לירדן יריחו מזרחה׃
32Ireo no voazaran'i Mosesy ho lova tany Arbota-moaba an-dafy atsinanan'i Jordana tandrifin'i Jeriko.Ary ny firenen'i Levy tsy mba nomen'i Mosesy lova; fa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany, araka izay efa nolazainy taminy.
33ולשבט הלוי לא נתן משה נחלה יהוה אלהי ישראל הוא נחלתם כאשר דבר להם׃
33Ary ny firenen'i Levy tsy mba nomen'i Mosesy lova; fa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany, araka izay efa nolazainy taminy.