1ויהי כשמע כל מלכי האמרי אשר בעבר הירדן ימה וכל מלכי הכנעני אשר על הים את אשר הוביש יהוה את מי הירדן מפני בני ישראל עד עברנו וימס לבבם ולא היה בם עוד רוח מפני בני ישראל׃
1Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita any an-dafy andrefan'i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin'ny Kananita any amoron'ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan'i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak'Isiraely. [Na: (mandra-pitantsika)]
2בעת ההיא אמר יהוה אל יהושע עשה לך חרבות צרים ושוב מל את בני ישראל שנית׃
2[Ny namorana ny olona izay nateraka tany an-efitra, sy ny nitandremany ny Paska, ary ny nitsaharan'ny mana] Tamin'izany andro izany no nilazan'i Jehovah tamin'i Josoa hoe: Manaova fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak'Isiraely.
3ויעש לו יהושע חרבות צרים וימל את בני ישראל אל גבעת הערלות׃
3Dia nanao fiharatra vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak'Isiraely teo an-kavoana Haralota.
4וזה הדבר אשר מל יהושע כל העם היצא ממצרים הזכרים כל אנשי המלחמה מתו במדבר בדרך בצאתם ממצרים׃
4Ary izao no anton'ny namoran'i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta.
5כי מלים היו כל העם היצאים וכל העם הילדים במדבר בדרך בצאתם ממצרים לא מלו׃
5Ary voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana tany an-efitra, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora kosa.
6כי ארבעים שנה הלכו בני ישראל במדבר עד תם כל הגוי אנשי המלחמה היצאים ממצרים אשר לא שמעו בקול יהוה אשר נשבע יהוה להם לבלתי הראותם את הארץ אשר נשבע יהוה לאבותם לתת לנו ארץ זבת חלב ודבש׃
6Fa efa-polo taona no nandehanan'ny Zanak'Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran'ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah izy; dia ireo no nianianan'i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
7ואת בניהם הקים תחתם אתם מל יהושע כי ערלים היו כי לא מלו אותם בדרך׃
7Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan'i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dalana.
8ויהי כאשר תמו כל הגוי להמול וישבו תחתם במחנה עד חיותם׃
8Ary rehefa noforana ny lehilahy rehetra, dia nitoetra tao amin'ny fitoerany tany an-toby izy mandra-pahasitrany.
9ויאמר יהוה אל יהושע היום גלותי את חרפת מצרים מעליכם ויקרא שם המקום ההוא גלגל עד היום הזה׃
9Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan'i Egypta ho afaka aminareo. Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Gilgala mandraka androany. [Gilgala = Fanakodiavana]
10ויחנו בני ישראל בגלגל ויעשו את הפסח בארבעה עשר יום לחדש בערב בערבות יריחו׃
10Ary ny Zanak'Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana, teo amin'ny tani-hay any Jeriko.[Heb. Arabà]
11ויאכלו מעבור הארץ ממחרת הפסח מצות וקלוי בעצם היום הזה׃
11Ary nony ampitson'ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin'izany andro izany indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango.
12וישבת המן ממחרת באכלם מעבור הארץ ולא היה עוד לבני ישראל מן ויאכלו מתבואת ארץ כנען בשנה ההיא׃
12Ary nitsahatra ny mana tamin'iny andro ampitso iny, dia tamin'ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an'ny Zanak'Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin'izany taona izany.
13ויהי בהיות יהושע ביריחו וישא עיניו וירא והנה איש עמד לנגדו וחרבו שלופה בידו וילך יהושע אליו ויאמר לו הלנו אתה אם לצרינו׃
13[Ny nisehoan'ny Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa, sy ny nahafahan'ny Isiraely an'i Jeriko] Ary nony teo akaikin'i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman'ny fahavalonay?
14ויאמר לא כי אני שר צבא יהוה עתה באתי ויפל יהושע אל פניו ארצה וישתחו ויאמר לו מה אדני מדבר אל עבדו׃
14Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin'ny miaramilan'i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin'ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin'ny mpanomponao, Tompokolahy ?Dia hoy Ilay Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa: Esory amin'ny tongotrao ny kapanao; fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon'i Josoa izany.
15ויאמר שר צבא יהוה אל יהושע של נעלך מעל רגלך כי המקום אשר אתה עמד עליו קדש הוא ויעש יהושע כן׃
15Dia hoy Ilay Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa: Esory amin'ny tongotrao ny kapanao; fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon'i Josoa izany.