1ויריחו סגרת ומסגרת מפני בני ישראל אין יוצא ואין בא׃
1Ary nihidy mafy Jeriko tamin'izany noho ny Zanak'Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy niditra.
2ויאמר יהוה אל יהושע ראה נתתי בידך את יריחו ואת מלכה גבורי החיל׃
2Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Indro, efa natolotro eo an-tananao Jeriko sy ny mpanjakany mbamin'ny lehilahy mahery.
3וסבתם את העיר כל אנשי המלחמה הקיף את העיר פעם אחת כה תעשה ששת ימים׃
3Koa mandehana manodidina ny tanàna indray mandeha ianareo mpanafika rehetra; henemana no hanaovanao izany.
4ושבעה כהנים ישאו שבעה שופרות היובלים לפני הארון וביום השביעי תסבו את העיר שבע פעמים והכהנים יתקעו בשופרות׃
4Ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny fiara; ary amin'ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanàna, ary aoka ny mpisorona hitsoka ny anjomara.
5והיה במשך בקרן היובל בשמעכם את קול השופר יריעו כל העם תרועה גדולה ונפלה חומת העיר תחתיה ועלו העם איש נגדו׃
5Ary raha manao feo lavareny ny anjomara mafy faneno, ka renareo ny feon'ny anjomara, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra; ka dia hirodana amin'izay ny màndan'ny tanàna, ary hiakatra samy hizotra amin'izay hitsiny avy ny olona.
6ויקרא יהושע בן נון אל הכהנים ויאמר אלהם שאו את ארון הברית ושבעה כהנים ישאו שבעה שופרות יובלים לפני ארון יהוה׃
6Dia niantso ny mpisorona Josoa, zanak'i Nona, ka nanao taminy hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan'ny fiaran'i Jehovah.
7ויאמרו אל העם עברו וסבו את העיר והחלוץ יעבר לפני ארון יהוה׃
7Dia hoy izy tamin'ny vahoaka: Mandehana, ka manodidina ny tanàna, ary aoka ny olona efa voaomana hiady handeha eo alohan'ny fiaran'i Jehovah.
8ויהי כאמר יהושע אל העם ושבעה הכהנים נשאים שבעה שופרות היובלים לפני יהוה עברו ותקעו בשופרות וארון ברית יהוה הלך אחריהם׃
8Ary rehefa niteny tamin'ny vahoaka Josoa, dia nandeha ireo mpisorona fito nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'i Jehovah ka nitsoka ny anjomara; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nanaraka azy.
9והחלוץ הלך לפני הכהנים תקעו השופרות והמאסף הלך אחרי הארון הלוך ותקוע בשופרות׃
9Ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohan'ny mpisorona izay nitsoka ny anjomara, ary ny vodi-lalana nanaraka ny fiara; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
10ואת העם צוה יהושע לאמר לא תריעו ולא תשמיעו את קולכם ולא יצא מפיכם דבר עד יום אמרי אליכם הריעו והריעתם׃
10Ary ny vahoaka efa noraran'i Josoa hoe: Aza manakora na mamoaka feo na miloa-bava akory aza mandra-pahatongan'ny andro hanaovako aminareo hoe: Manakorà! dia vao amin'izay ianareo no hanakora.
11ויסב ארון יהוה את העיר הקף פעם אחת ויבאו המחנה וילינו במחנה׃
11Ary nanodidina ny tanàna indray mandeha ny fiaran'i Jehovah; dia nankany an-toby ny olona ka nitoetra tany.
12וישכם יהושע בבקר וישאו הכהנים את ארון יהוה׃
12Dia nifoha maraina koa Josoa, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'i Jehovah.
13ושבעה הכהנים נשאים שבעה שופרות היבלים לפני ארון יהוה הלכים הלוך ותקעו בשופרות והחלוץ הלך לפניהם והמאסף הלך אחרי ארון יהוה הולך ותקוע בשופרות׃
13Ary ny mpisorona fito izay nitondra ny anjomara fito mafy faneno teo alohan'ny fiaran'i Jehovah dia nandeha mandrakariva ka nitsoka ny anjomara; ary ny olona efa voaomana hiady dia nandeha teo alohany; ary ny vodi-lalana kosa dia nanaraka ny fiaran'i Jehovah; ary notsofina teny am-pandehanana ny anjomara.
14ויסבו את העיר ביום השני פעם אחת וישבו המחנה כה עשו ששת ימים׃
14Dia nanodidina ny tanàna indray mandeha koa izy tamin'ny andro faharoa ka niverina tany an-toby; henemana no nanaovany toy izany.
15ויהי ביום השביעי וישכמו כעלות השחר ויסבו את העיר כמשפט הזה שבע פעמים רק ביום ההוא סבבו את העיר שבע פעמים׃
15Ary tamin'ny andro fahafito dia nifoha maraina koa izy, raha mbola nazava ratsy ny andro ka nanodidina ny tanàna impito toy ny nataony teo, nefa tamin'izany andro izany ihany no nanodidina ny tanàna impito izy.
16ויהי בפעם השביעית תקעו הכהנים בשופרות ויאמר יהושע אל העם הריעו כי נתן יהוה לכם את העיר׃
16Ary tamin'ny nandehanany fanimpitony, raha nitsoka ny anjomara ny mpisorona, dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Manakorà! fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tanàna.
17והיתה העיר חרם היא וכל אשר בה ליהוה רק רחב הזונה תחיה היא וכל אשר אתה בבית כי החבאתה את המלאכים אשר שלחנו׃
17Dia hatolotra ho an'i Jehovah ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano, satria nanafina ny iratsika izy. [Heb. herema; izahao Lev. XXII. 28]
18ורק אתם שמרו מן החרם פן תחרימו ולקחתם מן החרם ושמתם את מחנה ישראל לחרם ועכרתם אותו׃
18Kanefa mitandrema kosa ianareo ny amin'ny zavatra voaozona, fandrao manolotra zavatra ho voaozona ianareo, nefa maka amin'ny zavatra voaozona kosa, ka mahatonga ny tobin'ny Isiraely ho voaozona ary mampidi-doza aminy.
19וכל כסף וזהב וכלי נחשת וברזל קדש הוא ליהוה אוצר יהוה יבוא׃
19Fa ny volafotsy sy ny volamena rehetra ary ny fanaka varahina sy vy dia masina ho an'i Jehovah; hatao ao amin'ny rakitr'i Jehovah izany.
20וירע העם ויתקעו בשפרות ויהי כשמע העם את קול השופר ויריעו העם תרועה גדולה ותפל החומה תחתיה ויעל העם העירה איש נגדו וילכדו את העיר׃
20Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren'ny vahoaka ny feon'ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin'izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna samy nizotra tamin'izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanàna.
21ויחרימו את כל אשר בעיר מאיש ועד אשה מנער ועד זקן ועד שור ושה וחמור לפי חרב׃
21Ary naringany tamin'ny lelan-tsabatra izay rehetra tao an-tanana, na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra, na omby, na ondry aman'osy, na boriky. [Heb. nataony herema]
22ולשנים האנשים המרגלים את הארץ אמר יהושע באו בית האשה הזונה והוציאו משם את האשה ואת כל אשר לה כאשר נשבעתם לה׃
22Ary izy roa lahy izay efa nisafo ny tany dia efa nilazan'i Josoa hoe: Mankanesa ao amin'ny tranon'ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy ny havany rehetra ary izay mety ho azy, araka izay nianiananareo taminy.
23ויבאו הנערים המרגלים ויציאו את רחב ואת אביה ואת אמה ואת אחיה ואת כל אשר לה ואת כל משפחותיה הוציאו ויניחום מחוץ למחנה ישראל׃
23Dia nankao ireo zatovo nisafo ireo ka nitondra an-dRahaba nivoaka sy ny rainy aman-dreniny sy ny anadahiny ary ny havany rehetra mbamin'izay nety ho azy; dia nitondra ny mpianakaviny rehetra nivoaka izy ka nametraka azy teo ivelan'ny tobin'ny Isiraely.
24והעיר שרפו באש וכל אשר בה רק הכסף והזהב וכלי הנחשת והברזל נתנו אוצר בית יהוה׃
24Ary ny tanàna sy izay rehetra tao dia nodorany tamin'ny afo, nefa ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka varahina sy vy dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.
25ואת רחב הזונה ואת בית אביה ואת כל אשר לה החיה יהושע ותשב בקרב ישראל עד היום הזה כי החביאה את המלאכים אשר שלח יהושע לרגל את יריחו׃
25Fa Rahaba janga sy ny ankohonan'ny rainy sy ny havany rehetra mbamin'izay nety ho azy dia novelomin'i Josoa, ary mitoetra eo amin'ny Isiraely mandraka androany ravehivavy, satria nanafina ny iraka izay efa nirahin'i Josoa hisafo an'i Jeriko izy.
26וישבע יהושע בעת ההיא לאמר ארור האיש לפני יהוה אשר יקום ובנה את העיר הזאת את יריחו בבכרו ייסדנה ובצעירו יציב דלתיה׃
26Dia nilaza fanozonana Josoa tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Ho voaozona eo anatrehan'i Jehovah izay olona mitsangana manorina ity tanàna Jeriko ity indray; ny ain'ny lahimatoany no ho sazin'ny hanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'ny faralahiny no ho sazin'ny hananganany ny vavahadiny.Ary Jehovah nomba an'i Josoa, ka niely tamin'ny tany rehetra ny lazany.
27ויהי יהוה את יהושע ויהי שמעו בכל הארץ׃
27Ary Jehovah nomba an'i Josoa, ka niely tamin'ny tany rehetra ny lazany.