1ויהי כשמע כל המלכים אשר בעבר הירדן בהר ובשפלה ובכל חוף הים הגדול אל מול הלבנון החתי והאמרי הכנעני הפרזי החוי והיבוסי׃
1[Ny hafetsena nataon'ny Gibeonita mba tsy handringanana azy] Ary rehefa nandre izany ny mpanjaka rehetra izay etỳ an-dafin'i Jordana, na ny tany amin'ny tany havoana, na ny tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tany amoron'ny Ranomasina Lehibe tandrifin'i Libanona, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, [Heb. Sefela]
2ויתקבצו יחדו להלחם עם יהושע ועם ישראל פה אחד׃
2dia niray hina niangona hiady amin'i Josoa sy ny Isiraely izy.
3וישבי גבעון שמעו את אשר עשה יהושע ליריחו ולעי׃
3Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan'i Josoa an'i Jeriko sy Ay,
4ויעשו גם המה בערמה וילכו ויצטירו ויקחו שקים בלים לחמוריהם ונאדות יין בלים ומבקעים ומצררים׃
4dia nanao hafetsena kosa izy ka nandeha, ary nody ho iraka ka nitondra lasaka tonta nasampiny teo amin'ny borikiny sy siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay, [Na: nitondra vatsy]
5ונעלות בלות ומטלאות ברגליהם ושלמות בלות עליהם וכל לחם צידם יבש היה נקדים׃
5ary kapa tonta sady nitampintampina teo amin'ny tongony, ary lamba tonta notafiny; ary efa maina sy bobongolo ny mofo rehetra izay vatsiny. [Na. torotoro]
6וילכו אל יהושע אל המחנה הגלגל ויאמרו אליו ואל איש ישראל מארץ רחוקה באנו ועתה כרתו לנו ברית׃
6Dia nankany amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin'ny Isiraelita nanao hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny mba manaova fanekena aminay ianareo.
7ויאמרו איש ישראל אל החוי אולי בקרבי אתה יושב ואיך אכרות לך ברית׃
7Ary hoy ny Isiraelita tamin'ireo Hivita ireo: Angamba mponina ato aminay ihany ianareo, ka hataonay ahoana no fanao fanekena aminareo?
8ויאמרו אל יהושע עבדיך אנחנו ויאמר אלהם יהושע מי אתם ומאין תבאו׃
8Fa hoy izy tamin'i Josoa: Mpanomponao izahay. Ary hoy Josoa taminy: Iza moa ianareo, ary avy aiza ?
9ויאמרו אליו מארץ רחוקה מאד באו עבדיך לשם יהוה אלהיך כי שמענו שמעו ואת כל אשר עשה במצרים׃
9Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta
10ואת כל אשר עשה לשני מלכי האמרי אשר בעבר הירדן לסיחון מלך חשבון ולעוג מלך הבשן אשר בעשתרות׃
10ary izay rehetra nataony tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, izay tany Astarta.
11ויאמרו אלינו זקינינו וכל ישבי ארצנו לאמר קחו בידכם צידה לדרך ולכו לקראתם ואמרתם אליהם עבדיכם אנחנו ועתה כרתו לנו ברית׃
11Dia niteny taminay ny loholonay sy ny mponina rehetra amin'ny taninay ka nanao hoe: Mitondrà vatsy eny an-tananareo ho any amin'ny haleha, dia mandehana hitsena azy, ka lazao aminy hoe: Mpanomponao izahay; koa ankehitriny manaova fanekena aminay.
12זה לחמנו חם הצטידנו אתו מבתינו ביום צאתנו ללכת אליכם ועתה הנה יבש והיה נקדים׃
12Itony mofonay itony dia vao mafana no nalainay tany an-tranonay ho vatsy tamin'ny andro nivoahanay hankatỳ aminareo; fa ankehitriny, indro, efa maina sy bobongolo izy; [Na: torotoro]
13ואלה נאדות היין אשר מלאנו חדשים והנה התבקעו ואלה שלמותינו ונעלינו בלו מרב הדרך מאד׃
13ary vaovao ireto siny hoditra misy divay ireto izay nofenoinay; fa, indreo, efa triatra izy; ary efa rovitra ireto lambanay sy kapanay ireto noho ny halavitry ny naleha.
14ויקחו האנשים מצידם ואת פי יהוה לא שאלו׃
14Ary nangalan'ny olona ny vatsin'ireo, nefa tsy nanontany tamin'ny vavan'i Jehovah izy.
15ויעש להם יהושע שלום ויכרת להם ברית לחיותם וישבעו להם נשיאי העדה׃
15Ary Josoa dia nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan'ny fiangonana koa dia nianiana taminy.
16ויהי מקצה שלשת ימים אחרי אשר כרתו להם ברית וישמעו כי קרבים הם אליו ובקרבו הם ישבים׃
16Ary nony efa afaka hateloana no nanaovany fanekena taminy, dia reny fa mifanakaiky aminy ihany ireo sady mitoetra eo aminy.
17ויסעו בני ישראל ויבאו אל עריהם ביום השלישי ועריהם גבעון והכפירה ובארות וקרית יערים׃
17Dia niainga ny Zanak'Isiraely ka tonga tany an-tanànan'ireo tamin'ny andro fahatelo. Ary Gibeona sy Kefira sy Berota ary Kiriata-jearima no tanànany.
18ולא הכום בני ישראל כי נשבעו להם נשיאי העדה ביהוה אלהי ישראל וילנו כל העדה על הנשיאים׃
18Fa tsy namely azy ny Zanak'Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan'ny lohan'ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin'ireo loholona ny fiangonana rehetra.
19ויאמרו כל הנשיאים אל כל העדה אנחנו נשבענו להם ביהוה אלהי ישראל ועתה לא נוכל לנגע בהם׃
19Fa hoy ny loholona rehetra tamin'ny fiangonana rehetra: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianiananay taminy; koa ankehitriny tsy mahazo mamely azy isika.
20זאת נעשה להם והחיה אותם ולא יהיה עלינו קצף על השבועה אשר נשבענו להם׃
20Fa izao no hataontsika aminy: Havelantsika ho velona ihany izy, fandrao hisy fahatezerana mahatratra antsika noho ny fianianana nataontsika taminy.
21ויאמרו אליהם הנשיאים יחיו ויהיו חטבי עצים ושאבי מים לכל העדה כאשר דברו להם הנשיאים׃
21Ary hoy koa ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ny fiangonana rehetra izy, araka ny teny nataon'ny loholona taminy.
22ויקרא להם יהושע וידבר אליהם לאמר למה רמיתם אתנו לאמר רחוקים אנחנו מכם מאד ואתם בקרבנו ישבים׃
22Dia niantso azy ireo Josoa ka nanao taminy hoe: Nahoana no namitaka anay ianareo ka nanao hoe: Lavitra anareo indrindra izahay, kanjo eto aminay ihany no onenanareo?
23ועתה ארורים אתם ולא יכרת מכם עבד וחטבי עצים ושאבי מים לבית אלהי׃
23Koa ankehitriny voaozona ianareo, ary tsy hisy ho afaka, fa ho andevo sy ho mpikapa hazo ary ho mpantsaka rano ho an'ny tranon'Andriamanitro ianareo.
24ויענו את יהושע ויאמרו כי הגד הגד לעבדיך את אשר צוה יהוה אלהיך את משה עבדו לתת לכם את כל הארץ ולהשמיד את כל ישבי הארץ מפניכם ונירא מאד לנפשתינו מפניכם ונעשה את הדבר הזה׃
24Dia namaly an'i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an'i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin'ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;
25ועתה הננו בידך כטוב וכישר בעיניך לעשות לנו עשה׃
25koa ankehitriny, indreto, eto an-tananao izahay, koa araka izay ataonao ho tsara sy marina hatao aminay dia ataovy.
26ויעש להם כן ויצל אותם מיד בני ישראל ולא הרגום׃
26Dia nanao izany taminy izy ka namonjy azy tamin'ny tanan'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hahafaty azy ireo.Dia natolotr'i Josoa tamin'izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an'ny fiangonana sy ho an'ny alitaran'i Jehovah mandraka androany eo amin'ny tany izay hofidiny.
27ויתנם יהושע ביום ההוא חטבי עצים ושאבי מים לעדה ולמזבח יהוה עד היום הזה אל המקום אשר יבחר׃
27Dia natolotr'i Josoa tamin'izany andro izany ireo ho mpikapa hazo sy ho mpantsaka rano ho an'ny fiangonana sy ho an'ny alitaran'i Jehovah mandraka androany eo amin'ny tany izay hofidiny.