Hebrew: Modern

Malagasy

Joshua

10

1ויהי כשמע אדני צדק מלך ירושלם כי לכד יהושע את העי ויחרימה כאשר עשה ליריחו ולמלכה כן עשה לעי ולמלכה וכי השלימו ישבי גבעון את ישראל ויהיו בקרבם׃
1[Ny nandresen'ny Isiraely ny mpanjaka dimy lahy, sy ny nahazoany an'i Kanana Atsimo rehetra.] Ary rehefa ren'i Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa afak'i Josoa Ay ka noravany (fa araka izay nataony tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin'Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin'ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy, [Heb. nataony herema]
2וייראו מאד כי עיר גדולה גבעון כאחת ערי הממלכה וכי היא גדולה מן העי וכל אנשיה גברים׃
2dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona tahaka ny anankiray amin'ny tanàna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo.
3וישלח אדני צדק מלך ירושלם אל הוהם מלך חברון ואל פראם מלך ירמות ואל יפיע מלך לכיש ואל דביר מלך עגלון לאמר׃
3Dia naniraka olona Adoni-zedeka, mpanjakan'i Jerosalema, ho any amin'i Hohama mpanjakan'i Hebrona, sy Pirama, mpanjakan'i Jarmota, sy Jafia, mpanjakan'i Lakisy, ary Debira, mpanjakan'i Eglona, ka nanao hoe:
4עלו אלי ועזרני ונכה את גבעון כי השלימה את יהושע ואת בני ישראל׃
4Miakara atỳ amiko, ka manampia ahy, hamelezantsika an'i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely izy.
5ויאספו ויעלו חמשת מלכי האמרי מלך ירושלם מלך חברון מלך ירמות מלך לכיש מלך עגלון הם וכל מחניהם ויחנו על גבעון וילחמו עליה׃
5Dia niangona ireo mpanjaka dimy tamin'ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin'i Gibeona ka namely azy.
6וישלחו אנשי גבעון אל יהושע אל המחנה הגלגלה לאמר אל תרף ידיך מעבדיך עלה אלינו מהרה והושיעה לנו ועזרנו כי נקבצו אלינו כל מלכי האמרי ישבי ההר׃
6Ary ny mponina tao Gibeona dia naniraka olona ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala hanao hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara faingana ho atỳ aminay, ary vonjeo sy ampio izahay; fa miangona hamely anay ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita izay monina any amin'ny tany havoana.
7ויעל יהושע מן הגלגל הוא וכל עם המלחמה עמו וכל גבורי החיל׃
7Dia niakatra niala tany Gilgala Josoa sy ny mpanafika rehetra teo aminy, dia ny lehilahy mahery rehetra.
8ויאמר יהוה אל יהושע אל תירא מהם כי בידך נתתים לא יעמד איש מהם בפניך׃
8Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tananao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.
9ויבא אליהם יהושע פתאם כל הלילה עלה מן הגלגל׃
9Ary tonga tampoka tamin'ireo Josoa; fa nanao lava alina-avy tany Gilgala izy.
10ויהמם יהוה לפני ישראל ויכם מכה גדולה בגבעון וירדפם דרך מעלה בית חורן ויכם עד עזקה ועד מקדה׃
10Ary Jehovah nampifanaritaka ireo teo anoloan'ny Isiraely; ary namely ireo tany Gibeona izy ka nahafaty maro be, sady nanenjika azy tamin'ny fiakarana mankany Beti-horona izy ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda.
11ויהי בנסם מפני ישראל הם במורד בית חורן ויהוה השליך עליהם אבנים גדלות מן השמים עד עזקה וימתו רבים אשר מתו באבני הברד מאשר הרגו בני ישראל בחרב׃
11Ary nony nandositra teo anoloan'ny Isiraely teo am-pidinan'i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin'ny havandra noho izay novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra.
12אז ידבר יהושע ליהוה ביום תת יהוה את האמרי לפני בני ישראל ויאמר לעיני ישראל שמש בגבעון דום וירח בעמק אילון׃
12Ary tamin'izany Josoa dia niteny tamin'i Jehovah tamin'ny andro nanoloran'i Jehovah ny Amorita teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ka nanao teo imason'ny Zanak'Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanòna eo ambonin'i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan'i Aialona.[Heb. mangina]
13וידם השמש וירח עמד עד יקם גוי איביו הלא היא כתובה על ספר הישר ויעמד השמש בחצי השמים ולא אץ לבוא כיום תמים׃
13Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, Mandra-pamalin'ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin'ny Bokin'i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan'ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra. [Heb. mangina][Jasara = Ilay mahitsy]
14ולא היה כיום ההוא לפניו ואחריו לשמע יהוה בקול איש כי יהוה נלחם לישראל׃
14Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan'i Jehovah ny feon'olona; fa Jehovah niady ho an'ny Isiraely.
15וישב יהושע וכל ישראל עמו אל המחנה הגלגלה׃
15Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala.
16וינסו חמשת המלכים האלה ויחבאו במערה במקדה׃
16Ary nandositra ny mpanjaka dimy ka niery tao anatin'ilay zohy any Makeda.
17ויגד ליהושע לאמר נמצאו חמשת המלכים נחבאים במערה במקדה׃
17Dia nolazaina tamin'i Josoa hoe: Indreo, miery ao anatin'ilay zohy any Makeda ny mpanjaka dimy.
18ויאמר יהושע גלו אבנים גדלות אל פי המערה והפקידו עליה אנשים לשמרם׃
18Ary hoy Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan'ny zohy, ary asio olona eo anoloany hiambina azy;
19ואתם אל תעמדו רדפו אחרי איביכם וזנבתם אותם אל תתנום לבוא אל עריהם כי נתנם יהוה אלהיכם בידכם׃
19fa ianareo aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-lalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo.
20ויהי ככלות יהושע ובני ישראל להכותם מכה גדולה מאד עד תמם והשרידים שרדו מהם ויבאו אל ערי המבצר׃
20Ary rehefa voaringan'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely mihitsy ireny mandra-pahalany ritrany, ka izay afa-nandositra no lasa niditra tany amin'ny tanàna mimanda,
21וישבו כל העם אל המחנה אל יהושע מקדה בשלום לא חרץ לבני ישראל לאיש את לשנו׃
21dia niverina soa aman-tsara ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Makeda ny vahoaka rehetra; ary tsy nisy sahy nanao vava ratsy tamin'ny Zanak'Isiraely intsony.[Heb. nandranitra ny lelany]
22ויאמר יהושע פתחו את פי המערה והוציאו אלי את חמשת המלכים האלה מן המערה׃
22Dia hoy Josoa: Sokafy ny vavan'ny zohy, ka avoahy ao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo hankatỳ amiko.
23ויעשו כן ויציאו אליו את חמשת המלכים האלה מן המערה את מלך ירושלם את מלך חברון את מלך ירמות את מלך לכיש את מלך עגלון׃
23Dia nataon'ny olona izany, ka namoaka ireo mpanjaka dimy ireo avy tao an-johy izy ho eo aminy, dia ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jarmota, ny mpanjakan'i Lakisy, ary ny mpanjakan'i Eglona.
24ויהי כהוציאם את המלכים האלה אל יהושע ויקרא יהושע אל כל איש ישראל ויאמר אל קציני אנשי המלחמה ההלכוא אתו קרבו שימו את רגליכם על צוארי המלכים האלה ויקרבו וישימו את רגליהם על צואריהם׃
24Ary rehefa navoaka ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin'i Josoa, dia niantso ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely Josoa ka nanao tamin'ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatona, ka ataovy eo amin'ny vozon'ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona izy ka nanao ny tongony teo amin'ny vozon'ireo.
25ויאמר אליהם יהושע אל תיראו ואל תחתו חזקו ואמצו כי ככה יעשה יהוה לכל איביכם אשר אתם נלחמים אותם׃
25Ary hoy Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po ; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon'i Jehovah amin'ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo.
26ויכם יהושע אחרי כן וימיתם ויתלם על חמשה עצים ויהיו תלוים על העצים עד הערב׃
26Ary rehefa afaka izany, dia namely ireo Josoa ka nahafaty azy, ary nahantony tamin'ny hazo dimy ny fatiny; ka dia nihantona tamin'ny hazo izy mandra-paharivan'ny andro.
27ויהי לעת בוא השמש צוה יהושע וירידום מעל העצים וישלכם אל המערה אשר נחבאו שם וישמו אבנים גדלות על פי המערה עד עצם היום הזה׃
27Ary tamin'ny nilentehan'ny masoandro dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin'ilay zohy niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin'ny vavan'ny zohy, ka mbola ao izany mandraka androany.
28ואת מקדה לכד יהושע ביום ההוא ויכה לפי חרב ואת מלכה החרם אותם ואת כל הנפש אשר בה לא השאיר שריד ויעש למלך מקדה כאשר עשה למלך יריחו׃
28Ary Makeda dia afak'i Josoa tamin'izany andro izany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko, no nataony tamin'ny mpanjakan'i Makeda koa.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
29ויעבר יהושע וכל ישראל עמו ממקדה לבנה וילחם עם לבנה׃
29Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia niala tany Makeda ka nankany Libna ary namely azy;
30ויתן יהוה גם אותה ביד ישראל ואת מלכה ויכה לפי חרב ואת כל הנפש אשר בה לא השאיר בה שריד ויעש למלכה כאשר עשה למלך יריחו׃
30dia natolotr'i Jehovah teo an-tànan'ny Isiraely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy mbamin'ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko no nataony tamin'ny mpanjakany koa.
31ויעבר יהושע וכל ישראל עמו מלבנה לכישה ויחן עליה וילחם בה׃
31Dia niala tany Libna Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy.
32ויתן יהוה את לכיש ביד ישראל וילכדה ביום השני ויכה לפי חרב ואת כל הנפש אשר בה ככל אשר עשה ללבנה׃
32Dia natolotr'i Jehovah teo an-tànan'ny Isiraely koa Lakisy, ka afany tamin'ny andro faharoa izy; dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny olona rehetra tao, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Libna koa.
33אז עלה הרם מלך גזר לעזר את לכיש ויכהו יהושע ואת עמו עד בלתי השאיר לו שריד׃
33Dia niakatra Horama, mpanjakan'i Gazera, hamonjy an'i Lakisy; dia nasian'i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paha-tsy nisy niangana.
34ויעבר יהושע וכל ישראל עמו מלכיש עגלנה ויחנו עליה וילחמו עליה׃
34Dia niala tany Lakisy Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Eglona, dia nitoby tandrifiny ka namely azy;
35וילכדוה ביום ההוא ויכוה לפי חרב ואת כל הנפש אשר בה ביום ההוא החרים ככל אשר עשה ללכיש׃
35dia afany tamin'izany andro izany koa izy ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia naringany tamin'izany andro izany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Lakisy.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
36ויעל יהושע וכל ישראל עמו מעגלונה חברונה וילחמו עליה׃
36Dia niakatra niala tany Eglona Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy;
37וילכדוה ויכוה לפי חרב ואת מלכה ואת כל עריה ואת כל הנפש אשר בה לא השאיר שריד ככל אשר עשה לעגלון ויחרם אותה ואת כל הנפש אשר בה׃
37dia afany koa izy, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
38וישב יהושע וכל ישראל עמו דברה וילחם עליה׃
38Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Debira ary namely azy;
39וילכדה ואת מלכה ואת כל עריה ויכום לפי חרב ויחרימו את כל נפש אשר בה לא השאיר שריד כאשר עשה לחברון כן עשה לדברה ולמלכה וכאשר עשה ללבנה ולמלכה׃
39dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra Izy, ka naringany avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin'i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin'i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin'i Libna sy ny mpanjakany koa.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
40ויכה יהושע את כל הארץ ההר והנגב והשפלה והאשדות ואת כל מלכיהם לא השאיר שריד ואת כל הנשמה החרים כאשר צוה יהוה אלהי ישראל׃
40Dia nasian'i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka ary ny any ambodin'ny tendrombohitra; tsy nasiany niangana ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny didin'i Jehovah. Andriamanitry ny Isiraely, [Heb. Sefela]
41ויכם יהושע מקדש ברנע ועד עזה ואת כל ארץ גשן ועד גבעון׃
41Dia nasian'i Josoa izy hatrany Kadesi-barnea ka hatrany Gaza, ary ny tany Gosena rehetra hatrany Gibeona.
42ואת כל המלכים האלה ואת ארצם לכד יהושע פעם אחת כי יהוה אלהי ישראל נלחם לישראל׃
42Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon'i Josoa indray mandeha, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an'ny Isiraely.Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ho any an-toby tany Gilgala.
43וישב יהושע וכל ישראל עמו אל המחנה הגלגלה׃
43Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ho any an-toby tany Gilgala.