1ויהי כשמע יבין מלך חצור וישלח אל יובב מלך מדון ואל מלך שמרון ואל מלך אכשף׃
1[Ny nandresena ny mpanjaka rehetra any Kanana Avaratra, sy ny nahazoan'ny Isiraely ny tany Kanana rehetra] Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan'i Hazora, dia naniraka tany amin'i Jobaba, mpanjakan'i Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona sy ny mpanjakan'i Aksafa,
2ואל המלכים אשר מצפון בהר ובערבה נגב כנרות ובשפלה ובנפות דור מים׃
2ary ireo mpanjaka tany amin'ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin'ny tani-hay atsimon'i Kinerota sy tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka ary tany amin'ny havoan'i Dora andrefana, [Heb. Arabà][Heb. Sefela]
3הכנעני ממזרח ומים והאמרי והחתי והפרזי והיבוסי בהר והחוי תחת חרמון בארץ המצפה׃
3dia tamin'ny Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita tany amin'ny tany havoana, ary tamin'ny Hivita tany am-bodin'i Hermona, tany amin'ny tany Mizpa.
4ויצאו הם וכל מחניהם עמם עם רב כחול אשר על שפת הים לרב וסוס ורכב רב מאד׃
4Dia nivoaka izy ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro indrindra.
5ויועדו כל המלכים האלה ויבאו ויחנו יחדו אל מי מרום להלחם עם ישראל׃
5Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin'ny Isiraely ka nitoby teo anilan'ny rano Meroma.
6ויאמר יהוה אל יהושע אל תירא מפניהם כי מחר כעת הזאת אנכי נתן את כלם חללים לפני ישראל את סוסיהם תעקר ואת מרכבתיהם תשרף באש׃
6Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan'ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin'ny afo ny kalesiny.
7ויבא יהושע וכל עם המלחמה עמו עליהם על מי מרום פתאם ויפלו בהם׃
7Dia nandeha Josoa sy ny vahoaka rehetra mpanafika teo aminy ka tonga tampoka taminy teo amoron'ny rano Meroma, dia namely azy.
8ויתנם יהוה ביד ישראל ויכום וירדפום עד צידון רבה ועד משרפות מים ועד בקעת מצפה מזרחה ויכם עד בלתי השאיר להם שריד׃
8Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan'ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-maima ary hatramin'ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
9ויעש להם יהושע כאשר אמר לו יהוה את סוסיהם עקר ואת מרכבתיהם שרף באש׃
9Ary Josoa dia nanao taminy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy: ny soavalin'ireny notraingoiny ary ny kalesiny nodorany tamin'ny afo.
10וישב יהושע בעת ההיא וילכד את חצור ואת מלכה הכה בחרב כי חצור לפנים היא ראש כל הממלכות האלה׃
10Ary tamin'izany dia niverina Josoa ka nahafaka an'i Hazora ary namely ny mpanjakany tamin'ny sabatra, satria Hazora no lohan'ireny fanjakana rehetra ireny fahiny.
11ויכו את כל הנפש אשר בה לפי חרב החרם לא נותר כל נשמה ואת חצור שרף באש׃
11Ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ny olona rehetra tao ka naringany avokoa: tsy nisy olo-miaina sisa na dia iray akory aza; ary Hazora nodorany tamin'ny afo.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
12ואת כל ערי המלכים האלה ואת כל מלכיהם לכד יהושע ויכם לפי חרב החרים אותם כאשר צוה משה עבד יהוה׃
12Ary ny tanàna rehetra izay an'ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon'i Josoa ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ka naringany, araka izay efa nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah. [Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
13רק כל הערים העמדות על תלם לא שרפם ישראל זולתי את חצור לבדה שרף יהושע׃
13Fa ny tanàna rehetra izay teny an-kavoana dia tsy mba nodoran'ny Isiraely afa-tsy Hazora ihany, izay nodoran'i Josoa.
14וכל שלל הערים האלה והבהמה בזזו להם בני ישראל רק את כל האדם הכו לפי חרב עד השמדם אותם לא השאירו כל נשמה׃
14Ary ny fananana rehetra tao amin'ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy dia nalain'ny Zanak'Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra nasiany tamin'ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
15כאשר צוה יהוה את משה עבדו כן צוה משה את יהושע וכן עשה יהושע לא הסיר דבר מכל אשר צוה יהוה את משה׃
15Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy mpanompony no nandidian'i Mosesy an'i Josoa; ka dia izany no nataon'i Josoa: tsy nisy namelany izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
16ויקח יהושע את כל הארץ הזאת ההר ואת כל הנגב ואת כל ארץ הגשן ואת השפלה ואת הערבה ואת הר ישראל ושפלתה׃
16Dia lasan'i Josoa avokoa izany tany rehetra izany na ny tany havoana, na ny tany atsimo rehetra, na ny tany Gosena rehetra, na ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tani-hay na ny tany havoan'ny Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa, [Heb. Sefela][Heb. Arabà]
17מן ההר החלק העולה שעיר ועד בעל גד בבקעת הלבנון תחת הר חרמון ואת כל מלכיהם לכד ויכם וימיתם׃
17hatramin'ny tendrombohitra mangadihady, izay fiakarana no any Seira, ka hatrany Bala-gada eo amin'ny lohasahan'i Libanona am-bodin'ny tendrombohitra Hermona; ary ny mpanjakany rehetra nosamboriny ka novonoiny ho faty.
18ימים רבים עשה יהושע את כל המלכים האלה מלחמה׃
18Ela no niadian'i Josoa tamin'ireny mpanjaka rehetra ireny.
19לא היתה עיר אשר השלימה אל בני ישראל בלתי החוי ישבי גבעון את הכל לקחו במלחמה׃
19Tsy nisy tanàna izay nanao fihavanana tamin'ny Zanak'Isiraely, afa-tsy ny Hivita izay nonina tany Gibeona ihany; fa azony tamin'ny ady avokoa izy rehetra.
20כי מאת יהוה היתה לחזק את לבם לקראת המלחמה את ישראל למען החרימם לבלתי היות להם תחנה כי למען השמידם כאשר צוה יהוה את משה׃
20Fa avy tamin'i Jehovah no nanamafian'ireo ny fony hiady amin'ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.[Heb. herema]
21ויבא יהושע בעת ההיא ויכרת את הענקים מן ההר מן חברון מן דבר מן ענב ומכל הר יהודה ומכל הר ישראל עם עריהם החרימם יהושע׃
21Dia nandeha tamin'izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tany amin'ny tany havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin'ny tany havoan'i Joda rehetra, ary tany amin'ny tany havoan'Isiraely rehetra: naringan'i Josoa avokoa izy sy ny tanànany. [Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]
22לא נותר ענקים בארץ בני ישראל רק בעזה בגת ובאשדוד נשארו׃
22Tsy nisy sisa tany amin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa.Dia lasan'i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
23ויקח יהושע את כל הארץ ככל אשר דבר יהוה אל משה ויתנה יהושע לנחלה לישראל כמחלקתם לשבטיהם והארץ שקטה ממלחמה׃
23Dia lasan'i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.