1ויקחו בני אהרן נדב ואביהוא איש מחתתו ויתנו בהן אש וישימו עליה קטרת ויקרבו לפני יהוה אש זרה אשר לא צוה אתם׃
1[Ny nitondran'i Nadaba sy Abiho afo tsy izy, sy ny nataon'Andriamanitra noho izany] Ary Nadaba sy Abiho, zanak'i Arona, samy naka ny fitondran'afony avy ka nanisy afo teo anatiny, ary nanisy ditin-kazo manitra teo, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah, izay tsy nandidiany azy.
2ותצא אש מלפני יהוה ותאכל אותם וימתו לפני יהוה׃
2Dia nisy afo nivoaka avy teo anatrehan'i Jehovah ka nahafaty azy roa lahy, dia maty teo anatrehan'i Jehovah izy.
3ויאמר משה אל אהרן הוא אשר דבר יהוה לאמר בקרבי אקדש ועל פני כל העם אכבד וידם אהרן׃
3Dia hoy Mosesy tamin'i Arona: Izany dia ilay nolazain'i Jehovah hoe: Amin'izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina, ary eo anatrehan'ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona.
4ויקרא משה אל מישאל ואל אלצפן בני עזיאל דד אהרן ויאמר אלהם קרבו שאו את אחיכם מאת פני הקדש אל מחוץ למחנה׃
4Ary Mosesy dia nampaka an'i Misaela sy Elzafana, zanak'i Oziela, rahalahin-drain'i Arona, ka nanao taminy hoe: Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan'ny fitoerana masina ho eny ivelan'ny toby.
5ויקרבו וישאם בכתנתם אל מחוץ למחנה כאשר דבר משה׃
5Dia nanatona izy roa lahy ka nitondra azy, mbola miakanjo ny akanjo lavany ihany, ho eny ivelan'ny toby, araka izay efa nolazain'i Mosesy.
6ויאמר משה אל אהרן ולאלעזר ולאיתמר בניו ראשיכם אל תפרעו ובגדיכם לא תפרמו ולא תמתו ועל כל העדה יקצף ואחיכם כל בית ישראל יבכו את השרפה אשר שרף יהוה׃
6Ary hoy Mosesy tamin'i Arona ary tamin'i Eleazara sy Itamara, zananilahy: Aza mirakaraka volo, na mandriatra ny akanjonareo, fandrao mba maty koa ianareo, sady hisy fahatezerana hahatratra ny olona rehetra; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak'Isiraely rehetra, no hitomany noho ny fahamaizana izay narehitr'i Jehovah.
7ומפתח אהל מועד לא תצאו פן תמתו כי שמן משחת יהוה עליכם ויעשו כדבר משה׃
7Ary aza miala eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, fandrao maty ianareo; fa efa mby aminareo ny diloilo fanosoran'i Jehovah. Dia nanao araka ny tenin'i Mosesy izy.
8וידבר יהוה אל אהרן לאמר׃
8Ary Jehovah niteny tamin'i Arona ka nanao hoe:
9יין ושכר אל תשת אתה ובניך אתך בבאכם אל אהל מועד ולא תמתו חקת עולם לדרתיכם׃
9Aza misotro divay na toaka ianao, na ny zanakao, raha miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo (ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany),
10ולהבדיל בין הקדש ובין החל ובין הטמא ובין הטהור׃
10ary mba hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ary ny madio sy ny tsy madio,
11ולהורת את בני ישראל את כל החקים אשר דבר יהוה אליהם ביד משה׃
11ary mba hampianarinareo ny Zanak'Isiraely ny didy rehetra izay nasain'i Jehovah holazain'i Mosesy taminy.
12וידבר משה אל אהרן ואל אלעזר ואל איתמר בניו הנותרים קחו את המנחה הנותרת מאשי יהוה ואכלוה מצות אצל המזבח כי קדש קדשים הוא׃
12Ary hoy Mosesy tamin'i Arona ary tamin'i Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny fanatitra hohanina izay sisa amin'ny fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Jehovah, ka hano eo anilan'ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa masina dia masina izany.
13ואכלתם אתה במקום קדש כי חקך וחק בניך הוא מאשי יהוה כי כן צויתי׃
13Ary hano eo amin'izay fitoerana masina izany, fa anjaranao sy ny zanakao avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany; fa izany no nandidiany ahy.
14ואת חזה התנופה ואת שוק התרומה תאכלו במקום טהור אתה ובניך ובנתיך אתך כי חקך וחק בניך נתנו מזבחי שלמי בני ישראל׃
14Ary ny tratrany ahevaheva sy ny sorony asandratra hohaninareo eo amin'izay fitoerana madio, dia ianao mbamin'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy koa; fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin'ny fanati-pihavanana aterin'ny Zanak'Isiraely.
15שוק התרומה וחזה התנופה על אשי החלבים יביאו להניף תנופה לפני יהוה והיה לך ולבניך אתך לחק עולם כאשר צוה יהוה׃
15Ny sorony asandratra sy ny tratrany ahevaheva mbamin'ny saborany izay fanatitra atao amin'ny afo dia ho entiny mba hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo mandrakizay, araka izay nandidian'i Jehovah.
16ואת שעיר החטאת דרש דרש משה והנה שרף ויקצף על אלעזר ועל איתמר בני אהרן הנותרם לאמר׃
16Ary Mosesy nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra noho ny ota, kanjo efa voadotra izany; dia tezitra tamin'ny zanak'i Arona sisa izy, dia tamin'i Eleazara sy Itamara, ka hoy izy:
17מדוע לא אכלתם את החטאת במקום הקדש כי קדש קדשים הוא ואתה נתן לכם לשאת את עון העדה לכפר עליהם לפני יהוה׃
17Nahoana no tsy nohaninareo teo amin'ny fitoerana masina ny fanatitra noho ny ota? fa masina dia masina izany, ary efa nomeny anareo izy hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah.
18הן לא הובא את דמה אל הקדש פנימה אכול תאכלו אתה בקדש כאשר צויתי׃
18Indro, ny ràny tsy nampidirina tao anatin'ny fitoerana masina, koa tokony ho nihinana azy mihitsy teo amin'ny fitoerana masina ianareo, araka izay nandidiako.
19וידבר אהרן אל משה הן היום הקריבו את חטאתם ואת עלתם לפני יהוה ותקראנה אתי כאלה ואכלתי חטאת היום הייטב בעיני יהוה׃
19Ary Arona niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Indro, androany no nanaterany ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany teo anatrehan'i Jehovah, ary efa azon'izao manjo izao aho; koa raha tàhiny nihinana ny fanatitra noho ny ota androany aho, moa ho tsara teo imason'i Jehovah va izany?Ary raha ren'i Mosesy izany, dia nankasitrahany.
20וישמע משה וייטב בעיניו׃
20Ary raha ren'i Mosesy izany, dia nankasitrahany.