Hebrew: Modern

Malagasy

Leviticus

11

1וידבר יהוה אל משה ואל אהרן לאמר אלהם׃
1[Ny lalàna ny amin'ny biby madio sy maloto] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe:
2דברו אל בני ישראל לאמר זאת החיה אשר תאכלו מכל הבהמה אשר על הארץ׃
2Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin'ny biby rehetra ambonin'ny tany:
3כל מפרסת פרסה ושסעת שסע פרסת מעלת גרה בבהמה אתה תאכלו׃
3Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo.
4אך את זה לא תאכלו ממעלי הגרה וממפריסי הפרסה את הגמל כי מעלה גרה הוא ופרסה איננו מפריס טמא הוא לכם׃
4Kanefa amin'izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
5ואת השפן כי מעלה גרה הוא ופרסה לא יפריס טמא הוא לכם׃
5ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
6ואת הארנבת כי מעלת גרה הוא ופרסה לא הפריסה טמאה הוא לכם׃
6ary ny rabitro, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy;
7ואת החזיר כי מפריס פרסה הוא ושסע שסע פרסה והוא גרה לא יגר טמא הוא לכם׃
7ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.
8מבשרם לא תאכלו ובנבלתם לא תגעו טמאים הם לכם׃
8Ny henan'ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny.
9את זה תאכלו מכל אשר במים כל אשר לו סנפיר וקשקשת במים בימים ובנחלים אתם תאכלו׃
9Ary amin'izay rehetra ao anatin'ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, no ho fihinanareo;
10וכל אשר אין לו סנפיר וקשקשת בימים ובנחלים מכל שרץ המים ומכל נפש החיה אשר במים שקץ הם לכם׃
10fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, na amin'izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin'ny zava-manan'aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;
11ושקץ יהיו לכם מבשרם לא תאכלו ואת נבלתם תשקצו׃
11eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny.
12כל אשר אין לו סנפיר וקשקשת במים שקץ הוא לכם׃
12Izay rehetra tsy misy vombony na kirany ao anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo.
13ואת אלה תשקצו מן העוף לא יאכלו שקץ הם את הנשר ואת הפרס ואת העזניה׃
13Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin'ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
14ואת הדאה ואת האיה למינה׃
14ary ny papango sy ny voromahery, isan-karazany,
15את כל ערב למינו׃
15ary ny goaika rehetra, isan-karazany,
16ואת בת היענה ואת התחמס ואת השחף ואת הנץ למינהו׃
16ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany,
17ואת הכוס ואת השלך ואת הינשוף׃
17ary ny vorondolo sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe
18ואת התנשמת ואת הקאת ואת הרחם׃
18ary ny ibisa sy ny sama ary ny voltora madinika
19ואת החסידה האנפה למינה ואת הדוכיפת ואת העטלף׃
19sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy.
20כל שרץ העוף ההלך על ארבע שקץ הוא לכם׃
20Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo;
21אך את זה תאכלו מכל שרץ העוף ההלך על ארבע אשר לא כרעים ממעל לרגליו לנתר בהן על הארץ׃
21nefa izao kosa no ho fihinanareo amin'ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin'ny faladiany hitsipihany eo amin'ny tany.
22את אלה מהם תאכלו את הארבה למינו ואת הסלעם למינהו ואת החרגל למינהו ואת החגב למינהו׃
22Amin'ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany.
23וכל שרץ העוף אשר לו ארבע רגלים שקץ הוא לכם׃
23Fa ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho zava-betaveta aminareo.
24ולאלה תטמאו כל הנגע בנבלתם יטמא עד הערב׃
24Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
25וכל הנשא מנבלתם יכבס בגדיו וטמא עד הערב׃
25Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
26לכל הבהמה אשר הוא מפרסת פרסה ושסע איננה שסעת וגרה איננה מעלה טמאים הם לכם כל הנגע בהם יטמא׃
26Ny biby rehetra izay mivaky kitro, nefa tsy mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika, dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy.
27וכל הולך על כפיו בכל החיה ההלכת על ארבע טמאים הם לכם כל הנגע בנבלתם יטמא עד הערב׃
27Ary izay rehetra mandeha amin'ny faladiany, amin'ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan'ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny.
28והנשא את נבלתם יכבס בגדיו וטמא עד הערב טמאים המה לכם׃
28Ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ka haloto mandra-paharivan'ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny.
29וזה לכם הטמא בשרץ השרץ על הארץ החלד והעכבר והצב למינהו׃
29Ary izao no haloto aminareo amin'ny biby izay mandady na mikisaka amin'ny tany: ny kionkiona sy ny totozy ary ny sitry, isan-karazany,
30והאנקה והכח והלטאה והחמט והתנשמת׃
30ary ny anakà sy ny koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana.
31אלה הטמאים לכם בכל השרץ כל הנגע בהם במתם יטמא עד הערב׃
31Ireo no maloto aminareo amin'ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin'ireo dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
32וכל אשר יפל עליו מהם במתם יטמא מכל כלי עץ או בגד או עור או שק כל כלי אשר יעשה מלאכה בהם במים יובא וטמא עד הערב וטהר׃
32Ary izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy vao hadio.
33וכל כלי חרש אשר יפל מהם אל תוכו כל אשר בתוכו יטמא ואתו תשברו׃
33Ary ny amin'ny vilany tany rehetra izay ilatsahan'ny fatin'ireo, dia haloto izay ao anatiny na inona na inona, ary ny vilany dia hovakinareo.
34מכל האכל אשר יאכל אשר יבוא עליו מים יטמא וכל משקה אשר ישתה בכל כלי יטמא׃
34Ary ny hanina fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia haloto koa, na tamin'ny fanaka inona na tamin'ny fanaka inona.
35וכל אשר יפל מנבלתם עליו יטמא תנור וכירים יתץ טמאים הם וטמאים יהיו לכם׃
35Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo.
36אך מעין ובור מקוה מים יהיה טהור ונגע בנבלתם יטמא׃
36Kanefa ny loharano na ny lavaka famorian-drano izay misy rano be dia hadio ihany; fa izay mikasika ny fatin-javatra eo no haloto.
37וכי יפל מנבלתם על כל זרע זרוע אשר יזרע טהור הוא׃
37Ary raha misy fatin'ireo latsaka amin'ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio ihany izany.
38וכי יתן מים על זרע ונפל מנבלתם עליו טמא הוא לכם׃
38Fa raha misy voan-javatra nalona tamin'ny rano ka ilatsahan'ny fatiny, dia ho zava-maloto aminareo izany.
39וכי ימות מן הבהמה אשר היא לכם לאכלה הנגע בנבלתה יטמא עד הערב׃
39Ary raha misy maty izay biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan'ny andro izay mikasika ny fatiny.
40והאכל מנבלתה יכבס בגדיו וטמא עד הערב והנשא את נבלתה יכבס בגדיו וטמא עד הערב׃
40Ary izay mihinana amin'ny fatiny dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro; ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan'ny andro
41וכל השרץ השרץ על הארץ שקץ הוא לא יאכל׃
41Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana.
42כל הולך על גחון וכל הולך על ארבע עד כל מרבה רגלים לכל השרץ השרץ על הארץ לא תאכלום כי שקץ הם׃
42Izay rehetra mandady amin'ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny.
43אל תשקצו את נפשתיכם בכל השרץ השרץ ולא תטמאו בהם ונטמתם בם׃
43Aza mametaveta ny tenanareo amin'izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany.
44כי אני יהוה אלהיכם והתקדשתם והייתם קדשים כי קדוש אני ולא תטמאו את נפשתיכם בכל השרץ הרמש על הארץ׃
44Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin'izay zavatra mandady na mikisaka amin'ny tany.
45כי אני יהוה המעלה אתכם מארץ מצרים להית לכם לאלהים והייתם קדשים כי קדוש אני׃
45Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho.
46זאת תורת הבהמה והעוף וכל נפש החיה הרמשת במים ולכל נפש השרצת על הארץ׃
46Izany no lalàna ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan'aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany,mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana.
47להבדיל בין הטמא ובין הטהר ובין החיה הנאכלת ובין החיה אשר לא תאכל׃
47mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana.