1ויהי העם כמתאננים רע באזני יהוה וישמע יהוה ויחר אפו ותבער בם אש יהוה ותאכל בקצה המחנה׃
1[Ny nimonomononan'ny Zanak'Isiraely tao Tabera sy Kibrota-hatava] Ary dia nitaraim-pahoriana teo anatrehan'i Jehovah ny olona, ary nony ren'i Jehovah izany, dia nirehitra ny fahatezerany, ary ny afon'i Jehovah nandoro azy, ka may ny teo an-tsisin'ny toby.
2ויצעק העם אל משה ויתפלל משה אל יהוה ותשקע האש׃
2Dia nitaraina tamin'i Mosesy ny olona; ary Mosesy nifona tamin'i Jehovah, dia maty ny afo.
3ויקרא שם המקום ההוא תבערה כי בערה בם אש יהוה׃
3Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Tabera, satria nandoro azy ny afon'i Jehovah.
4והאספסף אשר בקרבו התאוו תאוה וישבו ויבכו גם בני ישראל ויאמרו מי יאכלנו בשר׃
4Ary ny olona hafa firenena izay niharo taminy dia liana, ary ny Zanak'Isiraely koa dia nitomany indray hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay!
5זכרנו את הדגה אשר נאכל במצרים חנם את הקשאים ואת האבטחים ואת החציר ואת הבצלים ואת השומים׃
5Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay, maimaim-poana tany Egypta mbamin'ny voatango sy tongolo samy hafa karazana.
6ועתה נפשנו יבשה אין כל בלתי אל המן עינינו׃
6Fa izao dia maina ny ainay: tsy misy na inona na inona eto imasonay afa-tsy ny mana ihany.
7והמן כזרע גד הוא ועינו כעין הבדלח׃
7Ary ny mana dia toy ny voan-drafy, ary ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny bedola.
8שטו העם ולקטו וטחנו ברחים או דכו במדכה ובשלו בפרור ועשו אתו עגות והיה טעמו כטעם לשד השמן׃
8Nandehandeha ny olona ka nanangona azy, dia nitoto azy tamin'ny fikosoham-bary na tamin'ny laona, ary nahandro azy tamin'ny vilany, dia nanao mofo azy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana mofo misy diloilo.
9וברדת הטל על המחנה לילה ירד המן עליו׃
9Ary raha nilatsaka tamin'ny toby ny ando nony alina, dia nilatsaka koa niaraka taminy ny mana.
10וישמע משה את העם בכה למשפחתיו איש לפתח אהלו ויחר אף יהוה מאד ובעיני משה רע׃
10Ary Mosesy nandre ny olona nitomany tamin'ny isam-pianakaviany, samy teo amin'ny varavaran'ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran'i Jehovah; ary tsy sitrak'i Mosesy koa izany.
11ויאמר משה אל יהוה למה הרעת לעבדך ולמה לא מצתי חן בעיניך לשום את משא כל העם הזה עלי׃
11Dia hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao aho, ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity firenena rehetra ity?
12האנכי הריתי את כל העם הזה אם אנכי ילדתיהו כי תאמר אלי שאהו בחיקך כאשר ישא האמן את הינק על האדמה אשר נשבעת לאבתיו׃
12Izaho va no torontoronina an'ity firenena rehetra ity? ary izaho va no niteraka azy, no ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny ray mpitaiza mitondra ny zaza minono, ho any amin'ny tany izay nianiananao tamin'ny razany homena azy?
13מאין לי בשר לתת לכל העם הזה כי יבכו עלי לאמר תנה לנו בשר ונאכלה׃
13Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena rehetra ity, no dia mitomany amiko izy manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay?
14לא אוכל אנכי לבדי לשאת את כל העם הזה כי כבד ממני׃
14Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity firenena rehetra ity, fa mavesatra amiko loatra.
15ואם ככה את עשה לי הרגני נא הרג אם מצאתי חן בעיניך ואל אראה ברעתי׃
15Koa raha izao no ataonao amiko, masìna Hianao, vonoy mihitsy aho, raha nahita fitia eo imasonao; fa aza avela hahita ny fahoriako aho.
16ויאמר יהוה אל משה אספה לי שבעים איש מזקני ישראל אשר ידעת כי הם זקני העם ושטריו ולקחת אתם אל אהל מועד והתיצבו שם עמך׃
16Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin'ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin'ny trano-lay fihaonana izy.
17וירדתי ודברתי עמך שם ואצלתי מן הרוח אשר עליך ושמתי עליהם ונשאו אתך במשא העם ולא תשא אתה לבדך׃
17Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin'ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin'ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.
18ואל העם תאמר התקדשו למחר ואכלתם בשר כי בכיתם באזני יהוה לאמר מי יאכלנו בשר כי טוב לנו במצרים ונתן יהוה לכם בשר ואכלתם׃
18Koa lazao amin'ny olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin'ny ampitso, dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo anatrehan'i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen'i Jehovah hena ianareo, ka hohaninareo.
19לא יום אחד תאכלון ולא יומים ולא חמשה ימים ולא עשרה ימים ולא עשרים יום׃
19Tsy indray andro no hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roa-polo andro aza,
20עד חדש ימים עד אשר יצא מאפכם והיה לכם לזרא יען כי מאסתם את יהוה אשר בקרבכם ותבכו לפניו לאמר למה זה יצאנו ממצרים׃
20fa hatramin'ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin'ny vavoronareo ka haharikoriko anareo; satria nolavinareo Jehovah, Izay eo aminareo, ka nitomany teo anatrehany ianareo nanao hoe: Nahoana re no nivoaka avy tany Egypta izahay?
21ויאמר משה שש מאות אלף רגלי העם אשר אנכי בקרבו ואתה אמרת בשר אתן להם ואכלו חדש ימים׃
21Dia hoy Mosesy: Ny olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia lalana; ary hoy ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana.
22הצאן ובקר ישחט להם ומצא להם אם את כל דגי הים יאסף להם ומצא להם׃
22Moa ondry aman'osy sy omby va no hovonoina ho azy hahavoky azy? sa ny hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina no hangonina ho azy hahavoky azy?
23ויאמר יהוה אל משה היד יהוה תקצר עתה תראה היקרך דברי אם לא׃
23Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nihafohy va ny tànan'i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia.
24ויצא משה וידבר אל העם את דברי יהוה ויאסף שבעים איש מזקני העם ויעמד אתם סביבת האהל׃
24Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay.
25וירד יהוה בענן וידבר אליו ויאצל מן הרוח אשר עליו ויתן על שבעים איש הזקנים ויהי כנוח עליהם הרוח ויתנבאו ולא יספו׃
25Ary nidina teo amin'ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin'i Mosesy ka napetrany tao amin'ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony.
26וישארו שני אנשים במחנה שם האחד אלדד ושם השני מידד ותנח עליהם הרוח והמה בכתבים ולא יצאו האהלה ויתנבאו במחנה׃
26Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran'ny anankiray, ary Medada no anaran'ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan'izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin'ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy.
27וירץ הנער ויגד למשה ויאמר אלדד ומידד מתנבאים במחנה׃
27Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby.
28ויען יהושע בן נון משרת משה מבחריו ויאמר אדני משה כלאם׃
28Dia namaly Josoa, zanak'i Nona, izay nanompo an'i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy.
29ויאמר לו משה המקנא אתה לי ומי יתן כל עם יהוה נביאים כי יתן יהוה את רוחו עליהם׃
29Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon'i Jehovah rehetra, ka halatsak'i Jehovah aminy ny Fanahiny!
30ויאסף משה אל המחנה הוא וזקני ישראל׃
30Dia nankeo an-toby Mosesy sy ny loholon'ny Isiraely.
31ורוח נסע מאת יהוה ויגז שלוים מן הים ויטש על המחנה כדרך יום כה וכדרך יום כה סביבות המחנה וכאמתים על פני הארץ׃
31Ary nisy rivotra nivoaka avy tamin'i Jehovah ka nitondra papelika avy tany amin'ny ranomasina ary nampihahakahaka azy teny amin'ny toby, ka tokony ho lalana indray andro manodidina ny toby no nisy azy, ary tokony ho roa hakiho ambonin'ny tany izy.
32ויקם העם כל היום ההוא וכל הלילה וכל יום המחרת ויאספו את השלו הממעיט אסף עשרה חמרים וישטחו להם שטוח סביבות המחנה׃
32Dia nitsangana ny olona nandritra izany andro izany sy nandritra ny alina sy ny ampitson'iny koa ka nanangona ny papelika; ary izay kely fanangona no folo homera; ary nahahiny ho maina ireny manodidina ny toby.
33הבשר עודנו בין שניהם טרם יכרת ואף יהוה חרה בעם ויך יהוה בעם מכה רבה מאד׃
33Fa raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany, dia nirehitra tamin'ny olona ny fahatezeran'i Jehovah, ary namely ny olony tamin'ny kapoka mafy indrindra Izy.
34ויקרא את שם המקום ההוא קברות התאוה כי שם קברו את העם המתאוים׃
34Ary ny anaran'izany tany izany nataony hoe: Kibrota-hatava, satria teo no nandevenana ny olona izay liana.Ary niala tao Kibrota-hatava ny olona ka nifindra nankany Hazerota; dia nitoetra tany Hazerota izy.
35מקברות התאוה נסעו העם חצרות ויהיו בחצרות׃
35Ary niala tao Kibrota-hatava ny olona ka nifindra nankany Hazerota; dia nitoetra tany Hazerota izy.