1ותדבר מרים ואהרן במשה על אדות האשה הכשית אשר לקח כי אשה כשית לקח׃
1[Ny nanomezan'i Miriama sy Arona tsiny an'i Mosesy, sy ny nataon'Andriamanitra tamin'izany] Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an'i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy.
2ויאמרו הרק אך במשה דבר יהוה הלא גם בנו דבר וישמע יהוה׃
2Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan'i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren'i Jehovah izany.
3והאיש משה ענו מאד מכל האדם אשר על פני האדמה׃
3Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin'ny tany.
4ויאמר יהוה פתאם אל משה ואל אהרן ואל מרים צאו שלשתכם אל אהל מועד ויצאו שלשתם׃
4Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin'i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin'ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy.
5וירד יהוה בעמוד ענן ויעמד פתח האהל ויקרא אהרן ומרים ויצאו שניהם׃
5Ary andri-rahona no nidinan'i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran'ny trano-lay Izy; dia niantso an'i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy.
6ויאמר שמעו נא דברי אם יהיה נביאכם יהוה במראה אליו אתודע בחלום אדבר בו׃
6Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin'i Jehovah eo aminareo, dia amin'ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin'ny nofy no hitenenako aminy.
7לא כן עבדי משה בכל ביתי נאמן הוא׃
7Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin'ny tranoko rehetra.
8פה אל פה אדבר בו ומראה ולא בחידת ותמנת יהוה יביט ומדוע לא יראתם לדבר בעבדי במשה׃
8Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin'ny fahitana, fa tsy amin'ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik'i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an'i Mosesy mpanompoko?
9ויחר אף יהוה בם וילך׃
9Dia nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izy mianadahy, ka niala Izy.
10והענן סר מעל האהל והנה מרים מצרעת כשלג ויפן אהרן אל מרים והנה מצרעת׃
10Ary ny rahona niala tamin'ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an'i Miriama, ka indro fa boka izy.
11ויאמר אהרן אל משה בי אדני אל נא תשת עלינו חטאת אשר נואלנו ואשר חטאנו׃
11Ary hoy Arona tamin'i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay.
12אל נא תהי כמת אשר בצאתו מרחם אמו ויאכל חצי בשרו׃
12Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy.
13ויצעק משה אל יהוה לאמר אל נא רפא נא לה׃
13Ary Mosesy dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy!
14ויאמר יהוה אל משה ואביה ירק ירק בפניה הלא תכלם שבעת ימים תסגר שבעת ימים מחוץ למחנה ואחר תאסף׃
14Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha nandrora tamin'ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan'ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray.
15ותסגר מרים מחוץ למחנה שבעת ימים והעם לא נסע עד האסף מרים׃
15Dia natokana tany ivelan'ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama.Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana.
16ואחר נסעו העם מחצרות ויחנו במדבר פארן׃
16Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana.