1וידבר יהוה אל משה לאמר׃
1[Ny amin'ny mpisafo-tany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy, ka nanao hoe:
2שלח לך אנשים ויתרו את ארץ כנען אשר אני נתן לבני ישראל איש אחד איש אחד למטה אבתיו תשלחו כל נשיא בהם׃
2Maniraha lehilahy vitsivitsy hisafo ny tany Kanana, izay omeko ho an'ny Zanak'Isiraely; dia lehilahy iray avy isam-pirazanany no hirahinareo, ka izay samy lohan'ny fireneny avy.
3וישלח אתם משה ממדבר פארן על פי יהוה כלם אנשים ראשי בני ישראל המה׃
3Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin'i Jehovah; ary samy lohan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.
4ואלה שמותם למטה ראובן שמוע בן זכור׃
4Ary izao no anarany: Avy tamin'ny firenen'i Robena dia Samoa, zanak'i Zakora;
5למטה שמעון שפט בן חורי׃
5avy tamin'ny firenen'i Simeona dia Safata, zanak'i Hory;
6למטה יהודה כלב בן יפנה׃
6avy tamin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone;
7למטה יששכר יגאל בן יוסף׃
7avy tamin'ny firenen'Isakara dia Jigala, zanak'i Josefa;
8למטה אפרים הושע בן נון׃
8avy tamin'ny firenen'i Efraima dia Hosea, zanak'i Nona;
9למטה בנימן פלטי בן רפוא׃
9avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Palty, zanak'i Rafo;
10למטה זבולן גדיאל בן סודי׃
10avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia Gadiela, zanak'i Sody;
11למטה יוסף למטה מנשה גדי בן סוסי׃
11avy tamin'ny firenen'i Josefa, tamin'ny firenen'i Manase, dia Gady, zanak'i Sosy;
12למטה דן עמיאל בן גמלי׃
12avy tamin'ny firenen'i Dana dia Amiela, zanak'i Gemaly;
13למטה אשר סתור בן מיכאל׃
13avy tamin'ny firenen'i Asera dia Setora, zanak'i Mikaela;
14למטה נפתלי נחבי בן ופסי׃
14avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia Naby, zanak'i Vofsy;
15למטה גד גאואל בן מכי׃
15avy tamin'ny firenen'i Gada dia Geoela, zanak'i Maky.
16אלה שמות האנשים אשר שלח משה לתור את הארץ ויקרא משה להושע בן נון יהושע׃
16Ireo no anaran'ny lehilahy izay nirahin'i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak'i Nona, dia nataon'i Mosesy hoe Josoa.
17וישלח אתם משה לתור את ארץ כנען ויאמר אלהם עלו זה בנגב ועליתם את ההר׃
17Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atỳ amin'ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin'ny tany havoana;
18וראיתם את הארץ מה הוא ואת העם הישב עליה החזק הוא הרפה המעט הוא אם רב׃
18dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro;
19ומה הארץ אשר הוא ישב בה הטובה הוא אם רעה ומה הערים אשר הוא יושב בהנה הבמחנים אם במבצרים׃
19ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanàna mimanda;
20ומה הארץ השמנה הוא אם רזה היש בה עץ אם אין והתחזקתם ולקחתם מפרי הארץ והימים ימי בכורי ענבים׃
20ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza ianareo, ka itondray ny vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan'ny voaloboka mialin-taona.
21ויעלו ויתרו את הארץ ממדבר צן עד רחב לבא חמת׃
21Dia niakatra ireo ka nisafo ny tany hatramin'ny efitra Zina ka hatrany Rehoba, dia ao akaikin'i Hamata.
22ויעלו בנגב ויבא עד חברון ושם אחימן ששי ותלמי ילידי הענק וחברון שבע שנים נבנתה לפני צען מצרים׃
22Dia niakatra tao amin'ny tany atsimo izy ka nankany Hebrona; ary teo Ahimana sy Sesay ary Talmay, teraky ny Anakita. (Ary Hebrona dia voaorina fito taona talohan'i Zoana any Egypta.)
23ויבאו עד נחל אשכל ויכרתו משם זמורה ואשכול ענבים אחד וישאהו במוט בשנים ומן הרמנים ומן התאנים׃
23Dia nankany amin'ny lohasaha Eskola izy ka nanapaka sampam-boaloboka teo izay nisy sampahony iray ihany, ary nolanjain-droa lahy tamin'ny hazo izany; ary ny ampongaben-danitra sy ny aviavy dia nitondrany koa.
24למקום ההוא קרא נחל אשכול על אדות האשכול אשר כרתו משם בני ישראל׃
24Ary izany tany izany dia nataony hoe Lohasaha Eskola, noho ny sampahom-boaloboka izay notapahin'ny Zanak'Isiraely teo.
25וישבו מתור הארץ מקץ ארבעים יום׃
25Ary niverina avy nisafo ny tany ireo, nony afaka efa-polo andro.
26וילכו ויבאו אל משה ואל אהרן ואל כל עדת בני ישראל אל מדבר פארן קדשה וישיבו אותם דבר ואת כל העדה ויראום את פרי הארץ׃
26Dia nankeo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.
27ויספרו לו ויאמרו באנו אל הארץ אשר שלחתנו וגם זבת חלב ודבש הוא וזה פריה׃
27Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin'ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.
28אפס כי עז העם הישב בארץ והערים בצרות גדלת מאד וגם ילדי הענק ראינו שם׃
28Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin'ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.
29עמלק יושב בארץ הנגב והחתי והיבוסי והאמרי יושב בהר והכנעני ישב על הים ועל יד הירדן׃
29Ny Amalekita no monina eo amin'ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin'ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron'ny ranomasina sy eo amoron'i Jordana.
30ויהס כלב את העם אל משה ויאמר עלה נעלה וירשנו אתה כי יכול נוכל לה׃
30Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan'i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.
31והאנשים אשר עלו עמו אמרו לא נוכל לעלות אל העם כי חזק הוא ממנו׃
31Fa hoy kosa ny lehilahy izay niara-niakatra taminy: Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy.
32ויוציאו דבת הארץ אשר תרו אתה אל בני ישראל לאמר הארץ אשר עברנו בה לתור אתה ארץ אכלת יושביה הוא וכל העם אשר ראינו בתוכה אנשי מדות׃
32Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin'ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.
33ושם ראינו את הנפילים בני ענק מן הנפלים ונהי בעינינו כחגבים וכן היינו בעיניהם׃
33ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin'ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.