Hebrew: Modern

Malagasy

Numbers

25

1וישב ישראל בשטים ויחל העם לזנות אל בנות מואב׃
1[Ny nijangajangan'ny Isiraely tamin'ny zanakavavin'ny Moabita] Ary nitoetra tao Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin'ny zanakavavin'ny Moabita izy.
2ותקראן לעם לזבחי אלהיהן ויאכל העם וישתחוו לאלהיהן׃
2Fa ireo nanasa ny olona hihinana tamin'ny zavatra novonoiny ho fanatitra ho an'ny andriamaniny, ka nihinana ny olona sady niankohoka tamin'ny andriamaniny.
3ויצמד ישראל לבעל פעור ויחר אף יהוה בישראל׃
3Dia niray tamin'i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran'i Jehovah.
4ויאמר יהוה אל משה קח את כל ראשי העם והוקע אותם ליהוה נגד השמש וישב חרון אף יהוה מישראל׃
4Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin'ny masoandro eo anatrehan'i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan'ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely.
5ויאמר משה אל שפטי ישראל הרגו איש אנשיו הנצמדים לבעל פעור׃
5Dia hoy Mosesy tamin'ny mpitsara ny Isiraely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny, izay niray tamin'i Bala-peora.
6והנה איש מבני ישראל בא ויקרב אל אחיו את המדינית לעיני משה ולעיני כל עדת בני ישראל והמה בכים פתח אהל מועד׃
6Ary, indro, avy ny anankiray tamin'ny Zanak'Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin'ny rahalahiny, teo imason'i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
7וירא פינחס בן אלעזר בן אהרן הכהן ויקם מתוך העדה ויקח רמח בידו׃
7Ary raha nahita izany Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin'ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tànany;
8ויבא אחר איש ישראל אל הקבה וידקר את שניהם את איש ישראל ואת האשה אל קבתה ותעצר המגפה מעל בני ישראל׃
8dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin'ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin'ny Zanak'Isiraely.
9ויהיו המתים במגפה ארבעה ועשרים אלף׃
9Ary izay maty tamin'ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina.
10וידבר יהוה אל משה לאמר׃
10Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
11פינחס בן אלעזר בן אהרן הכהן השיב את חמתי מעל בני ישראל בקנאו את קנאתי בתוכם ולא כליתי את בני ישראל בקנאתי׃
11Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin'ny Zanak'Isiraely, raha firehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak'Isiraely tamin'ny firehetan'ny fahatezerako.
12לכן אמר הנני נתן לו את בריתי שלום׃
12Ary noho izany dia lazao hoe: Indro, omeko azy ny faneken'ny fihavanako;
13והיתה לו ולזרעו אחריו ברית כהנת עולם תחת אשר קנא לאלהיו ויכפר על בני ישראל׃
13ary izy sy ny zanany mandimby azy no hanana izany ho faneken'ny fisoronana mandrakizay, satria nirehitra noho ny fitiavany an'Andriamaniny izy ka nanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely.
14ושם איש ישראל המכה אשר הכה את המדינית זמרי בן סלוא נשיא בית אב לשמעני׃
14Ary ny anaran'ilay lehilahy Isiraelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanak i Salo, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Simeonita.
15ושם האשה המכה המדינית כזבי בת צור ראש אמות בית אב במדין הוא׃
15Ary ny anaran'ny vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby, zanak'i Zora, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Midianita.
16וידבר יהוה אל משה לאמר׃
16Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
17צרור את המדינים והכיתם אותם׃
17Rafeso ny Midianita, ka iadio;fa izy nandrafy anareo tamin'ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin'ny an'i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin'ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana noho ny an'i Peora.
18כי צררים הם לכם בנכליהם אשר נכלו לכם על דבר פעור ועל דבר כזבי בת נשיא מדין אחתם המכה ביום המגפה על דבר פעור׃
18fa izy nandrafy anareo tamin'ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin'ny an'i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin'ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana noho ny an'i Peora.