Hebrew: Modern

Malagasy

Numbers

26

1ויהי אחרי המגפה ויאמר יהוה אל משה ואל אלעזר בן אהרן הכהן לאמר׃
1[Ny nandaminana ny Isiraely fanindroany, teo Arbota-moaba] Ary rehefa afaka ny areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Eleazara, zanak'i Arona mpisorona:
2שאו את ראש כל עדת בני ישראל מבן עשרים שנה ומעלה לבית אבתם כל יצא צבא בישראל׃
2Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra amin'ny Isiraely azo halefa hanafika.
3וידבר משה ואלעזר הכהן אתם בערבת מואב על ירדן ירחו לאמר׃
3Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
4מבן עשרים שנה ומעלה כאשר צוה יהוה את משה ובני ישראל היצאים מארץ מצרים׃
4Ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely izay nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
5ראובן בכור ישראל בני ראובן חנוך משפחת החנכי לפלוא משפחת הפלאי׃
5Robena, lahimatoan'Isiraely; ary ny zanak'i Robena dia Hanoka sy ny fokon'ny Hanokita; avy tamin'i Palo ny fokon'ny Paloita;
6לחצרן משפחת החצרוני לכרמי משפחת הכרמי׃
6avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita; avy tamin'i Karmy ny fokon'ny Karmita.
7אלה משפחת הראובני ויהיו פקדיהם שלשה וארבעים אלף ושבע מאות ושלשים׃
7Ireo no fokon'ny Robenita; ary izay voalamina taminy dia telo-polo amby fiton-jato sy telo arivo sy efatra alina.
8ובני פלוא אליאב׃
8Ary ny zanak'i Palo dia Eliaba.
9ובני אליאב נמואל ודתן ואבירם הוא דתן ואבירם קרואי העדה אשר הצו על משה ועל אהרן בעדת קרח בהצתם על יהוה׃
9Ary ny zanak'i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abìrama. Ireo dia ilay Datana sy Abìrama, olom-boafidin'ny fiangonana, izay nila ady tamin'i Mosesy sy Arona, teo amin'ny antokon'i Kora, raha nila ady tamin'i Jehovah izy,
10ותפתח הארץ את פיה ותבלע אתם ואת קרח במות העדה באכל האש את חמשים ומאתים איש ויהיו לנס׃
10ary nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin'i Kora, tamin'ny nahafatesan'izany antokony izany, ary levon'ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana.
11ובני קרח לא מתו׃
11Kanefa ny zanak'i Kora tsy mba maty.
12בני שמעון למשפחתם לנמואל משפחת הנמואלי לימין משפחת הימיני ליכין משפחת היכיני׃
12Ny taranak'i Simeona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Nemoela ny fokon'ny Nemoelita; avy tamin'i Jamina ny fokon'ny Jaminita; avy tamin'i Jakina ny fokon'ny Jakinita;
13לזרח משפחת הזרחי לשאול משפחת השאולי׃
13avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita; avy tamin'i Saoly ny fokon'ny Saolita.
14אלה משפחת השמעני שנים ועשרים אלף ומאתים׃
14Ireo no fokon'ny Simeonita, dia roanjato amby roa arivo sy roa alina.
15בני גד למשפחתם לצפון משפחת הצפוני לחגי משפחת החגי לשוני משפחת השוני׃
15Ny taranak'i Gada, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Zefona ny fokon'ny Zefonita; avy tamin'i Hagy ny fokon'ny Hagita; avy tamin'i Sony ny fokon'ny Sonita;
16לאזני משפחת האזני לערי משפחת הערי׃
16avy tamin'i Ozny ny fokon'ny Oznita; avy tamin'i Erỳ ny fokon'ny Erita;
17לארוד משפחת הארודי לאראלי משפחת האראלי׃
17avy tamin'i Aroda ny fokon'ny Arodita; avy tamin'i Arely ny fokon'ny Arelita.
18אלה משפחת בני גד לפקדיהם ארבעים אלף וחמש מאות׃
18Ireo no fokon'ny zanak'i Gada, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby efatra alina
19בני יהודה ער ואונן וימת ער ואונן בארץ כנען׃
19Ny zanak'i Joda dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin'ny tany Kanana ihany.
20ויהיו בני יהודה למשפחתם לשלה משפחת השלני לפרץ משפחת הפרצי לזרח משפחת הזרחי׃
20Ary ny taranak'i Joda, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Sela ny fokon'ny Selita; avy tamin'i Fareza ny fokon'ny Farezita; avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita.
21ויהיו בני פרץ לחצרן משפחת החצרני לחמול משפחת החמולי׃
21Ary ny taranak'i Fareza dia izao: avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita; avy tamin'i Hamola ny fokon'ny Hamolita.
22אלה משפחת יהודה לפקדיהם ששה ושבעים אלף וחמש מאות׃
22Ireo no fokon'i Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito alina.
23בני יששכר למשפחתם תולע משפחת התולעי לפוה משפחת הפוני׃
23Ny taranak'Isakara, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Tola ny fokon'ny Tolita; avy tamin'i Pova ny fokon'ny Povita;
24לישוב משפחת הישובי לשמרן משפחת השמרני׃
24avy tamin'i Jasoba ny fokon'ny Jasobita; avy tamin'i Simrona ny fokon'ny Simronita,
25אלה משפחת יששכר לפקדיהם ארבעה וששים אלף ושלש מאות׃
25Ireo no fokon'Isakara, araka izay voalamina taminy, dia telon-jato amby efatra arivo sy enina alina.
26בני זבולן למשפחתם לסרד משפחת הסרדי לאלון משפחת האלני ליחלאל משפחת היחלאלי׃
26Ny taranak'i Zebolona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Sereda ny fokon'ny Seredita; avy tamin'i Elona ny fokon'ny Elonita; avy tamin'i Jahalela ny fokon'ny Jahalelita.
27אלה משפחת הזבולני לפקדיהם ששים אלף וחמש מאות׃
27Ireo no fokon'ny Zebolonita, araka izay voalamina taminy. dia diman-jato amby enina alina.
28בני יוסף למשפחתם מנשה ואפרים׃
28Ny zanak'i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima.
29בני מנשה למכיר משפחת המכירי ומכיר הוליד את גלעד לגלעד משפחת הגלעדי׃
29Ny taranak'i Manase dia izao: avy tamin'i Makira ny fokon'ny Makirita; ary Makira niteraka an'i Gileada; avy tamin'i Gileada ny fokon'ny Gileadita.
30אלה בני גלעד איעזר משפחת האיעזרי לחלק משפחת החלקי׃
30Izao no taranak'i Gileada: avy tamin'i Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Heleka ny fokon'ny Helekita;
31ואשריאל משפחת האשראלי ושכם משפחת השכמי׃
31ary avy tamin'i Äsriela ny fokon'ny Asrielita; ary avy tamin'i Sekema ny fokon'ny Sekemita;
32ושמידע משפחת השמידעי וחפר משפחת החפרי׃
32ary avy tamin'i Semida ny fokon'ny Semidita; ary avy tamin'i Hefera ny fokon'ny Heferita.
33וצלפחד בן חפר לא היו לו בנים כי אם בנות ושם בנות צלפחד מחלה ונעה חגלה מלכה ותרצה׃
33Ary Zelofada, zanak'i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran'ny zanakavavin'i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
34אלה משפחת מנשה ופקדיהם שנים וחמשים אלף ושבע מאות׃
34Ireo no fokon'i Manase; ary izay voalamina taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby dimy alina.
35אלה בני אפרים למשפחתם לשותלח משפחת השתלחי לבכר משפחת הבכרי לתחן משפחת התחני׃
35Izao no taranak'i Efraima, araka ny fokony: avy tamin'i Sotela ny fokon'ny Sotelita; avy tamin'i Bekera ny fokon'ny Bekerita; avy tamin'i Tahana ny fokon'ny Tahanita.
36ואלה בני שותלח לערן משפחת הערני׃
36Ary izao no taranak'i Sotela: avy tamin'i Erana ny fokon'ny Eranita.
37אלה משפחת בני אפרים לפקדיהם שנים ושלשים אלף וחמש מאות אלה בני יוסף למשפחתם׃
37Ireo no fokon'ny taranak'i Efraima, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak'i Josefa araka ny fokony.
38בני בנימן למשפחתם לבלע משפחת הבלעי לאשבל משפחת האשבלי לאחירם משפחת האחירמי׃
38Ny taranak'i Benjamina, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Bela ny fokon'ny Belita; avy tamin'i Asibela ny fokon'ny Asibelita; avy tamin'i Ahirama ny fokon'ny Ahiramita;
39לשפופם משפחת השופמי לחופם משפחת החופמי׃
39avy tamin'i Sefofama ny fokon'ny Sefofamita; avy tamin'i Hofama ny fokon'ny Hofamita.
40ויהיו בני בלע ארד ונעמן משפחת הארדי לנעמן משפחת הנעמי׃
40Ary ny taranak'i Bela dia Arda sy Namana; dia ny fokon'ny Ardita; ary avy tamin'i Namana ny fokon'ny Namanita.
41אלה בני בנימן למשפחתם ופקדיהם חמשה וארבעים אלף ושש מאות׃
41Ireo no taranak'i Benjamina araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
42אלה בני דן למשפחתם לשוחם משפחת השוחמי אלה משפחת דן למשפחתם׃
42Izao no taranak'i Dana, araka ny fokony: avy tamin'i Sohama ny fokon'ny Sohamita. Ireo no fokon'i Dana, araka ny fokony.
43כל משפחת השוחמי לפקדיהם ארבעה וששים אלף וארבע מאות׃
43Ny fokon'ny Sohamita rehetra, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby efatra arivo sy enina alina.
44בני אשר למשפחתם לימנה משפחת הימנה לישוי משפחת הישוי לבריעה משפחת הבריעי׃
44Ny taranak'i Asera, araka ny fokony dia izao: avy tamin'i Jimna ny fokon'ny Jimnita; avy tamin'i Jisvy ny fokon'ny Jisvita; avy tamin'i Bena ny fokon'ny Berita;
45לבני בריעה לחבר משפחת החברי למלכיאל משפחת המלכיאלי׃
45avy tamin'ny zanak'i Bena dia izao: avy tamin'i Hebera ny fokon'ny Heberita; avy tamin'i Malkiela ny fokon'ny Malkielita.
46ושם בת אשר שרח׃
46Ary ny anaran'ny zanakavavin'i Asera dia Sera.
47אלה משפחת בני אשר לפקדיהם שלשה וחמשים אלף וארבע מאות׃
47Ireo no fokon'ny taranak'i Asera, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
48בני נפתלי למשפחתם ליחצאל משפחת היחצאלי לגוני משפחת הגוני׃
48Ny taranak'i Naftaly, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Jaziela ny fokon'ny Jazielita; avy tamin'i Gony ny fokon'ny Gonita;
49ליצר משפחת היצרי לשלם משפחת השלמי׃
49avy tamin'i Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Silema ny fokon'ny Silemita.
50אלה משפחת נפתלי למשפחתם ופקדיהם חמשה וארבעים אלף וארבע מאות׃
50Ireo no fokon'i Naftaly araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
51אלה פקודי בני ישראל שש מאות אלף ואלף שבע מאות ושלשים׃
51Ireo no voalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.
52וידבר יהוה אל משה לאמר׃
52Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
53לאלה תחלק הארץ בנחלה במספר שמות׃
53Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany.
54לרב תרבה נחלתו ולמעט תמעיט נחלתו איש לפי פקדיו יתן נחלתו׃
54Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny.
55אך בגורל יחלק את הארץ לשמות מטות אבתם ינחלו׃
55Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran'ny firenen'ny razany no hahazoany zara-tany.
56על פי הגורל תחלק נחלתו בין רב למעט׃
56Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an'ny maro, na ny ho an'ny vitsy.
57ואלה פקודי הלוי למשפחתם לגרשון משפחת הגרשני לקהת משפחת הקהתי למררי משפחת המררי׃
57Ary izao no voalamina tamin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony: avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Gersonita; avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Kehatita; avy tamin'i Merary ny fokon'ny Merarita.
58אלה משפחת לוי משפחת הלבני משפחת החברני משפחת המחלי משפחת המושי משפחת הקרחי וקהת הולד את עמרם׃
58Izao no fokon'i Levy: ny fokon'ny Libnita, ny fokon'ny Hebronita, ny fokon'ny Mahalita, ny fokon'ny Mosita, ny fokon'ny Koralta. Ary Kehata niteraka an'i Amrama.
59ושם אשת עמרם יוכבד בת לוי אשר ילדה אתה ללוי במצרים ותלד לעמרם את אהרן ואת משה ואת מרים אחתם׃
59Ary ny anaran'ny vadin'i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin'i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an'i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin'i Amrama izy.
60ויולד לאהרן את נדב ואת אביהוא את אלעזר ואת איתמר׃
60Ary ny naterak'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
61וימת נדב ואביהוא בהקריבם אש זרה לפני יהוה׃
61Fa maty Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah.
62ויהיו פקדיהם שלשה ועשרים אלף כל זכר מבן חדש ומעלה כי לא התפקדו בתוך בני ישראל כי לא נתן להם נחלה בתוך בני ישראל׃
62Ary izay voalamina taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely izy, satria tsy mba nomena zara-tany teo amin'ny Zanak'Isiraely.
63אלה פקודי משה ואלעזר הכהן אשר פקדו את בני ישראל בערבת מואב על ירדן ירחו׃
63Ireo no voalamin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
64ובאלה לא היה איש מפקודי משה ואהרן הכהן אשר פקדו את בני ישראל במדבר סיני׃
64Ary tamin'ireo dia tsy nisy olona avy tamin'izay efa voalamin'i Mosesy sy Arona mpisorona tamin'izy nandamina ny Zanak'Isiraely tany an-efitr'i Sinay.Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin'ireny afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona, ihany.
65כי אמר יהוה להם מות ימתו במדבר ולא נותר מהם איש כי אם כלב בן יפנה ויהושע בן נון׃
65Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin'ireny afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona, ihany.