Hebrew: Modern

Malagasy

Numbers

33

1אלה מסעי בני ישראל אשר יצאו מארץ מצרים לצבאתם ביד משה ואהרן׃
1[Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely tany an-efitra] Ary izao no nandehan'ny Zanak'Isiraely, izay nentin'i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.
2ויכתב משה את מוצאיהם למסעיהם על פי יהוה ואלה מסעיהם למוצאיהם׃
2Dia nosoratan'i Mosesy ny nialany araka ny nandehanany, araka ny didin'i Jehovah; ary izao no nandehanany araka ny nialany:
3ויסעו מרעמסס בחדש הראשון בחמשה עשר יום לחדש הראשון ממחרת הפסח יצאו בני ישראל ביד רמה לעיני כל מצרים׃
3Niala tao Ramesesa Izy tamin'ny volana voalohany, dia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; nony ampitson'ny Paska no nivoahan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tanana avo teo imason'ny Egyptiana rehetra.
4ומצרים מקברים את אשר הכה יהוה בהם כל בכור ובאלהיהם עשה יהוה שפטים׃
4Fa ny Egyptiana mbola nandevina izay efa novonoin'i Jehovah teo aminy, dia ny lahimatoa rehetra; ary ny andriamaniny dia notsarain'i Jehovah.
5ויסעו בני ישראל מרעמסס ויחנו בסכת׃
5Ary nony niala tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely, dia nitoby tao Sokota.
6ויסעו מסכת ויחנו באתם אשר בקצה המדבר׃
6Ary nony niala tao Sokota izy, dia nitoby ao Etama, izay teo an-tsisin'ny efitra.
7ויסעו מאתם וישב על פי החירת אשר על פני בעל צפון ויחנו לפני מגדל׃
7Ary nony niala tao Etama izy, dia nivily nankao Pi-hahirota, izay tandrifin'i Balazefona, ka nitoby tandrifin'i Migdola.
8ויסעו מפני החירת ויעברו בתוך הים המדברה וילכו דרך שלשת ימים במדבר אתם ויחנו במרה׃
8Ary nony niala tandrifin'i Hahirota izy, dia nandeha nita teo afovoan'ny ranomasina ho any an-efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao Mara.
9ויסעו ממרה ויבאו אילמה ובאילם שתים עשרה עינת מים ושבעים תמרים ויחנו שם׃
9Ary nony niala tao Mara izy, dia nankany Elima; ary tao Elima dia nisy loharano roa ambin'ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo izy.
10ויסעו מאילם ויחנו על ים סוף׃
10Ary nony niala tao Elima izy, dia nitoby tao amoron'ny Ranomasina Mena.
11ויסעו מים סוף ויחנו במדבר סין׃
11Ary nony niala tao amoron'ny Ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an-efitra Sina.
12ויסעו ממדבר סין ויחנו בדפקה׃
12Ary nony niala tany an-efitra Sina izy, dia nitoby tao Dopka.
13ויסעו מדפקה ויחנו באלוש׃
13Ary nony niala tao Dopka izy, dia nitoby tao Alosy.
14ויסעו מאלוש ויחנו ברפידם ולא היה שם מים לעם לשתות׃
14Ary nony niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano tao hosotroin'ny olona.
15ויסעו מרפידם ויחנו במדבר סיני׃
15Ary nony niala tao Refidima izy, dia nitoby tany an-efitr'i Sinay.
16ויסעו ממדבר סיני ויחנו בקברת התאוה׃
16Ary nony niala tany an-efitr'i Sinay izy, dia nitoby tao Kibrota-hatava.
17ויסעו מקברת התאוה ויחנו בחצרת׃
17Ary nony niala tao Kibrota-hatava izy, dia nitoby tao Hazerota.
18ויסעו מחצרת ויחנו ברתמה׃
18Ary nony niala tao Hazerota izy, dia nitoby tao Ritma.
19ויסעו מרתמה ויחנו ברמן פרץ׃
19Ary nony niala tao Ritma izy, dia nitoby tao Rimona-pareza.
20ויסעו מרמן פרץ ויחנו בלבנה׃
20Ary nony niala tao Rimona-pareza izy, dia nitoby tao Libna.
21ויסעו מלבנה ויחנו ברסה׃
21Ary nony niala tao Libna izy, dia nitoby tao Risa.
22ויסעו מרסה ויחנו בקהלתה׃
22Ary nony niala tao Risa izy, dia nitoby tao Kehelata.
23ויסעו מקהלתה ויחנו בהר שפר׃
23Ary nony niala tao Kehelata izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sapera.
24ויסעו מהר שפר ויחנו בחרדה׃
24Ary. nony niala tao an-tendrombohitra Sapera izy, dia nitoby tao Harada.
25ויסעו מחרדה ויחנו במקהלת׃
25Ary nony niala tao Harada izy, dia nitoby tao Makelota.
26ויסעו ממקהלת ויחנו בתחת׃
26Ary nony niala tao Makelota izy, dia nitoby tao Tahata.
27ויסעו מתחת ויחנו בתרח׃
27Ary nony niala tao Tahata izy, dia nitoby tao Tera.
28ויסעו מתרח ויחנו במתקה׃
28Ary nony niala tao Tera izy, dia nitoby tao Mitka.
29ויסעו ממתקה ויחנו בחשמנה׃
29Ary nony niala tao Mitka izy, dia nitoby tao Hasmona.
30ויסעו מחשמנה ויחנו במסרות׃
30Ary nony niala tao Hasmona izy, dia nitoby tao Moserota.
31ויסעו ממסרות ויחנו בבני יעקן׃
31Ary nony niala tao Moserota izy, dia nitoby tao Bene-jakana.
32ויסעו מבני יעקן ויחנו בחר הגדגד׃
32Ary nony niala tao Bene-jakana izy, dia nitoby tao Hora-hagidgada.
33ויסעו מחר הגדגד ויחנו ביטבתה׃
33Ary nony niala tao Hora-hagidgada izy, dia nitoby tao Jotbata.
34ויסעו מיטבתה ויחנו בעברנה׃
34Ary nony niala tao Jotbata izy, dia nitoby tao Abrona.
35ויסעו מעברנה ויחנו בעציון גבר׃
35Ary nony niala tao Abrona izy, dia nitoby tao Ezion-gebera.
36ויסעו מעציון גבר ויחנו במדבר צן הוא קדש׃
36Ary nony niala tao Ezion-gebera izy, dia nitoby tany an-efitra Zina (Kadesy izany).
37ויסעו מקדש ויחנו בהר ההר בקצה ארץ אדום׃
37Ary nony niala tao Kadesy izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin'ny tany Edoma.
38ויעל אהרן הכהן אל הר ההר על פי יהוה וימת שם בשנת הארבעים לצאת בני ישראל מארץ מצרים בחדש החמישי באחד לחדש׃
38Ary Arona mpisorona niakatra tao an-tendrombohitra Hora, araka ny didin'i Jehovah, dia maty tao izy tamin'ny fahefa-polo taona taorian'ny nivoahan'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy.
39ואהרן בן שלש ועשרים ומאת שנה במתו בהר ההר׃
39Ary efa telo amby roa-polo amby zato taona Arona, raha maty tao an-tendrombohitra Hora izy.
40וישמע הכנעני מלך ערד והוא ישב בנגב בארץ כנען בבא בני ישראל׃
40Ary ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo amin'ny tany Kanana, fa avy ny Zanak'Isiraely.
41ויסעו מהר ההר ויחנו בצלמנה׃
41Ary nony niala tao an-tendrombohitra Hora izy, dia nitoby tao Zalmona.
42ויסעו מצלמנה ויחנו בפונן׃
42Ary nony niala tao Zalmona izy, dia nitoby tao Ponona.
43ויסעו מפונן ויחנו באבת׃
43Ary nony niala tao Ponona izy, dia nitoby tao Obota.
44ויסעו מאבת ויחנו בעיי העברים בגבול מואב׃
44Ary nony niala tao Obota izy, dia nitoby tao Ie-abarima tao amin'ny faritanin'i Moaba.
45ויסעו מעיים ויחנו בדיבן גד׃
45Ary nony niala tao Ie-abarima izy, dia nitoby tao Dibon-gada.
46ויסעו מדיבן גד ויחנו בעלמן דבלתימה׃
46Ary nony niala tao Dibon-gada izy, dia nitoby tao Almon-diblataima.
47ויסעו מעלמן דבלתימה ויחנו בהרי העברים לפני נבו׃
47Ary nony niala tao Almon-diblataima izy, dia nitoby tao amin'ny tendrombohitra Abarima, tandrifin'i Nebo.
48ויסעו מהרי העברים ויחנו בערבת מואב על ירדן ירחו׃
48Ary nony niala tamin'ny tendrombohitra Abarima izy, dia nitoby tao Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
49ויחנו על הירדן מבית הישמת עד אבל השטים בערבת מואב׃
49Ary nitoby teo amoron'i Jordana izy hatrany Betijesimota ka hatrany Abela-sitima, tao Arbota-moaba.
50וידבר יהוה אל משה בערבת מואב על ירדן ירחו לאמר׃
50Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
51דבר אל בני ישראל ואמרת אלהם כי אתם עברים את הירדן אל ארץ כנען׃
51Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ka tonga any amin'ny tany Kanana ianareo,
52והורשתם את כל ישבי הארץ מפניכם ואבדתם את כל משכיתם ואת כל צלמי מסכתם תאבדו ואת כל במתם תשמידו׃
52dia horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin'ny tany, ary horavanareo ny vato soratany rehetra, ary hosimbanareo ny sarin-javany an-idina rehetra, ary horavanareo ny fitoerana avony rehetra;
53והורשתם את הארץ וישבתם בה כי לכם נתתי את הארץ לרשת אתה׃
53dia halainareo ny tany, ka hitoetra eo ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany ho zara-taninareo.
54והתנחלתם את הארץ בגורל למשפחתיכם לרב תרבו את נחלתו ולמעט תמעיט את נחלתו אל אשר יצא לו שמה הגורל לו יהיה למטות אבתיכם תתנחלו׃
54Ary filokana no hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenareo kelikely kokoa; samy ao amin'izay ivoahan'ny filokana ho azy no ho anjarany; araka ny firenen'ny razanareo no hahazoanareo zara-tany.
55ואם לא תורישו את ישבי הארץ מפניכם והיה אשר תותירו מהם לשכים בעיניכם ולצנינם בצדיכם וצררו אתכם על הארץ אשר אתם ישבים בה׃
55Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin'ny tany, dia ho lay amin'ny masonareo sy ho tsilo amin'ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo eo amin'ny tany izay onenanareo izy;ary hataoko aminareo izay nokasaiko hatao aminy.
56והיה כאשר דמיתי לעשות להם אעשה לכם׃
56ary hataoko aminareo izay nokasaiko hatao aminy.