Hebrew: Modern

Malagasy

Numbers

34

1וידבר יהוה אל משה לאמר׃
1[Ny ho faritry ny tany Kanana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2צו את בני ישראל ואמרת אלהם כי אתם באים אל הארץ כנען זאת הארץ אשר תפל לכם בנחלה ארץ כנען לגבלתיה׃
2Mandidia ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.
3והיה לכם פאת נגב ממדבר צן על ידי אדום והיה לכם גבול נגב מקצה ים המלח קדמה׃
3Ary ny lafiny atsimo amin'ny taninareo dia hatramin'ny efitra Zina, izay mifanolotra amin'i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira any atsinanana,
4ונסב לכם הגבול מנגב למעלה עקרבים ועבר צנה והיה תוצאתיו מנגב לקדש ברנע ויצא חצר אדר ועבר עצמנה׃
4dia miolaka eo atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon'i Kadesibarnea, dia mahazo an'i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona,
5ונסב הגבול מעצמון נחלה מצרים והיו תוצאתיו הימה׃
5ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, ka dia mihatra amin'ny ranomasina.
6וגבול ים והיה לכם הים הגדול וגבול זה יהיה לכם גבול ים׃
6Ary ny amin'ny fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no ho fari-taninareo andrefana.
7וזה יהיה לכם גבול צפון מן הים הגדל תתאו לכם הר ההר׃
7Ary izao no ho fari-taninareo avaratra: hatramin'ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny tendrombohitra Hora no hotandrifinareo;
8מהר ההר תתאו לבא חמת והיו תוצאת הגבל צדדה׃
8ary hatramin'ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an'i Zedada,
9ויצא הגבל זפרנה והיו תוצאתיו חצר עינן זה יהיה לכם גבול צפון׃
9dia hahazo an'i Zifrona, ka dia hihatra an'i Hazar-enana; izany no ho faritaninareo avaratra.
10והתאויתם לכם לגבול קדמה מחצר עינן שפמה׃
10Ary ny ho fari-taninareo atsinanana dia ampifanitsio amin'i Hazar-enana ka hatrany Sefama,
11וירד הגבל משפם הרבלה מקדם לעין וירד הגבול ומחה על כתף ים כנרת קדמה׃
11dia hidina hatrany Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan'i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin'ny Ranomasin'i Kinereta atsinanana,
12וירד הגבול הירדנה והיו תוצאתיו ים המלח זאת תהיה לכם הארץ לגבלתיה סביב׃
12dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin'ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina.
13ויצו משה את בני ישראל לאמר זאת הארץ אשר תתנחלו אתה בגורל אשר צוה יהוה לתת לתשעת המטות וחצי המטה׃
13Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian'i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;
14כי לקחו מטה בני הראובני לבית אבתם ומטה בני הגדי לבית אבתם וחצי מטה מנשה לקחו נחלתם׃
14fa ny firenena taranak'i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak'i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen'i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny;
15שני המטות וחצי המטה לקחו נחלתם מעבר לירדן ירחו קדמה מזרחה׃
15dia ny firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan'i Jordana, hitsin'i Jeriko, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro.
16וידבר יהוה אל משה לאמר׃
16[Ny anaran'ny lehilahy roa ambin'ny folo notendrena hizara ny tany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
17אלה שמות האנשים אשר ינחלו לכם את הארץ אלעזר הכהן ויהושע בן נון׃
17Izao no anaran'ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona.
18ונשיא אחד נשיא אחד ממטה תקחו לנחל את הארץ׃
18Ary loholona iray avy amin'ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany.
19ואלה שמות האנשים למטה יהודה כלב בן יפנה׃
19Ary izao no anaran'ireo lehilahy ireo: ny avy amin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone;
20ולמטה בני שמעון שמואל בן עמיהוד׃
20ary ny avy amin'ny firenena taranak'i Simeona dia Semoela, zanak'i Amihoda;
21למטה בנימן אלידד בן כסלון׃
21ary ny avy amin'ny firenen'i Benjamina dia Elidada, zanak'i Kislona;
22ולמטה בני דן נשיא בקי בן יגלי׃
22ary ny lohan'ny firenena taranak'i Dana dia Boky, zanak'i Jogly;
23לבני יוסף למטה בני מנשה נשיא חניאל בן אפד׃
23ary ny avy amin'ny taranak'i Josefa: ny lohan'ny firenena taranak'i Manase dia Haniela, zanak'i Efoda;
24ולמטה בני אפרים נשיא קמואל בן שפטן׃
24ary ny lohan'ny firenena taranak'i Efraima dia Kemoela, zanak'i Siftana;
25ולמטה בני זבולן נשיא אליצפן בן פרנך׃
25ary ny lohan'ny firenena taranak'i Zebolona dia Elizafana, zanak'i Parnaka;
26ולמטה בני יששכר נשיא פלטיאל בן עזן׃
26ary ny lohan'ny firenena taranak'Isakara dia Paltiela, zanak'i Azana;
27ולמטה בני אשר נשיא אחיהוד בן שלמי׃
27ary ny lohan'ny firenena taranak'i Asera dia Ahihoda, zanak'i Selomy;
28ולמטה בני נפתלי נשיא פדהאל בן עמיהוד׃
28ary ny lohan'ny firenena taranak'i Naftaly dia Pedahela, zanak'i Amihoda.Ireo no nodidian'i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an'ny Zanak'Isiraely.
29אלה אשר צוה יהוה לנחל את בני ישראל בארץ כנען׃
29Ireo no nodidian'i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an'ny Zanak'Isiraely.