1וידבר יהוה אל משה בערבת מואב על ירדן ירחו לאמר׃
1[Ny hanomezana tanàna ho an'ny Levita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo Arbota-moaba, amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
2צו את בני ישראל ונתנו ללוים מנחלת אחזתם ערים לשבת ומגרש לערים סביבתיהם תתנו ללוים׃
2Mandidia ny Zanak'Isiraely mba hanome tanàna ao amin'ny zara-taniny avy honenan'ny Levita; ary homenareo tany manodidina ny tanàna koa izy.
3והיו הערים להם לשבת ומגרשיהם יהיו לבהמתם ולרכשם ולכל חיתם׃
3Koa ny tanàna dia honenany; ary ny tany dia ho an'ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin'ny bibiny rehetra.
4ומגרשי הערים אשר תתנו ללוים מקיר העיר וחוצה אלף אמה סביב׃
4Ary ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin'ny màndan'ny tanàna ka hatramin'ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin'ny lafiny efatra avy.
5ומדתם מחוץ לעיר את פאת קדמה אלפים באמה ואת פאת נגב אלפים באמה ואת פאת ים אלפים באמה ואת פאת צפון אלפים באמה והעיר בתוך זה יהיה להם מגרשי הערים׃
5Dia handrefy roa arivo hakiho eo ivelan'ny tanàna ianareo amin'ny lafiny atsinanana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny atsimo, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho eo afovoany; izany no ho taniny manodidina ny tanàna.
6ואת הערים אשר תתנו ללוים את שש ערי המקלט אשר תתנו לנס שמה הרצח ועליהם תתנו ארבעים ושתים עיר׃
6Ary izao no tanàna izay homenareo ny Levita: dia tanàna enina, fandosirana, izay homenareo handosiran'izay nahafaty olona, sy tanàna roa amby efa-polo koa.
7כל הערים אשר תתנו ללוים ארבעים ושמנה עיר אתהן ואת מגרשיהן׃
7Koa ny tanàna rehetra izay homenareo ny Levita dia valo amby efa-polo mbamin'ny tany manodidina azy.
8והערים אשר תתנו מאחזת בני ישראל מאת הרב תרבו ומאת המעט תמעיטו איש כפי נחלתו אשר ינחלו יתן מעריו ללוים׃
8Ary ny amin'ny tanàna izay homenareo avy amin'ny zara-tanin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome tanàna ho an'ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy.
9וידבר יהוה אל משה לאמר׃
9[Ny hifidianana tanàna handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
10דבר אל בני ישראל ואמרת אלהם כי אתם עברים את הירדן ארצה כנען׃
10Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tafita an'i Jordana ianareo ka tonga any amin'ny tany Kanana,
11והקריתם לכם ערים ערי מקלט תהיינה לכם ונס שמה רצח מכה נפש בשגגה׃
11dia hifidy tanàna ianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy.
12והיו לכם הערים למקלט מגאל ולא ימות הרצח עד עמדו לפני העדה למשפט׃
12Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho azon'ny mpamaly rà izany tanàna izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana.
13והערים אשר תתנו שש ערי מקלט תהיינה לכם׃
13Ary ireo tanàna homenareo ireo dia ho tanàna fandosirana enina ho anareo.
14את שלש הערים תתנו מעבר לירדן ואת שלש הערים תתנו בארץ כנען ערי מקלט תהיינה׃
14Ny tanàna telo dia homenareo etỳ an-dafin'i Jordana etỳ, ary ny tanàna telo kosa homenareo ao amin'ny tany Kanana; ho tanàna fandosirana ireo.
15לבני ישראל ולגר ולתושב בתוכם תהיינה שש הערים האלה למקלט לנוס שמה כל מכה נפש בשגגה׃
15Ireo tanàna enina ireo dia ho fandosirana ho an'ny Zanak'Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra ao aminy, mba handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.
16ואם בכלי ברזל הכהו וימת רצח הוא מות יומת הרצח׃
16Kanefa raha misy mamely vy olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
17ואם באבן יד אשר ימות בה הכהו וימת רצח הוא מות יומת הרצח׃
17Ary raha misy mamely vato olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
18או בכלי עץ יד אשר ימות בו הכהו וימת רצח הוא מות יומת הרצח׃
18Ary raha misy mamely hazo olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
19גאל הדם הוא ימית את הרצח בפגעו בו הוא ימיתנו׃
19Ny mpamaly rà no mahazo mamono azy; raha mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy.
20ואם בשנאה יהדפנו או השליך עליו בצדיה וימת׃
20Ary raha misy mamely olona noho ny lolom-po, na mitoraka olona amin'ny fanotrehana, ka mahafaty,
21או באיבה הכהו בידו וימת מות יומת המכה רצח הוא גאל הדם ימית את הרצח בפגעו בו׃
21na mamely amin'ny tànany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely; nahafaty olona izy; ny mpamaly rà no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy.
22ואם בפתע בלא איבה הדפו או השליך עליו כל כלי בלא צדיה׃
22Fa raha misy mamely olona tsy nahy, ka tsy noho ny fandrafiana, na mitoraka olona na amin'inona na amin'inona, nefa tsy amin'ny fanotrehana,
23או בכל אבן אשר ימות בה בלא ראות ויפל עליו וימת והוא לא אויב לו ולא מבקש רעתו׃
23na sendra manjera vato ka mahafaty olona, nefa tsy hitany, sady tsy fahavalony izy, na mitady handratra azy,
24ושפטו העדה בין המכה ובין גאל הדם על המשפטים האלה׃
24dia hotsarain'ny fiangonana ilay namely sy ny mpamaly rà araka izany lalàna izany.
25והצילו העדה את הרצח מיד גאל הדם והשיבו אתו העדה אל עיר מקלטו אשר נס שמה וישב בה עד מות הכהן הגדל אשר משח אתו בשמן הקדש׃
25Ary hovonjen'ny fiangonana ho afaka amin'ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, ka hateriny indray ho ao amin'ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra; ary hitoetra ao izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe izay voahosotra tamin'ny diloilo masina.
26ואם יצא יצא הרצח את גבול עיר מקלטו אשר ינוס שמה׃
26Fa raha mivoaka ho eo ivelan'ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra ilay nahafaty olona
27ומצא אתו גאל הדם מחוץ לגבול עיר מקלטו ורצח גאל הדם את הרצח אין לו דם׃
27ka hitan'ny mpamaly rà eo ivelan'ny tanàna, dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-drà amin'izany,
28כי בעיר מקלטו ישב עד מות הכהן הגדל ואחרי מות הכהן הגדל ישוב הרצח אל ארץ אחזתו׃
28satria tokony ho nitoetra tao an-tanàna fandosirana izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe; fa rehefa maty ny mpisoronabe, dia mahazo mody any amin'ny zara-taniny ihany ilay nahafaty olona.
29והיו אלה לכם לחקת משפט לדרתיכם בכל מושבתיכם׃
29Ary izany zavatra izany dia ho lalàna hitondrana anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby eny amin'izay rehetra onenanareo.
30כל מכה נפש לפי עדים ירצח את הרצח ועד אחד לא יענה בנפש למות׃
30Ny amin'izay rehetra mahafaty olona, dia hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin'ny vavolombelona; nefa raha vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka hahafaty olona izany.
31ולא תקחו כפר לנפש רצח אשר הוא רשע למות כי מות יומת׃
31Ary ianareo tsy handray avotry ny ain'ny nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty; fa hatao maty tokoa izy.
32ולא תקחו כפר לנוס אל עיר מקלטו לשוב לשבת בארץ עד מות הכהן׃
32Ary ianareo tsy handray avotra ho an'izay mandositra ho ao an-tanàna fandosirana, mba hodiany indray hitoetra amin'ny taniny, raha mbola tsy maty ny mpisorona.
33ולא תחניפו את הארץ אשר אתם בה כי הדם הוא יחניף את הארץ ולארץ לא יכפר לדם אשר שפך בה כי אם בדם שפכו׃
33Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin'ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin'ny ran'izay nandatsaka azy ihany.Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin'ny Zanak'Isiraely.
34ולא תטמא את הארץ אשר אתם ישבים בה אשר אני שכן בתוכה כי אני יהוה שכן בתוך בני ישראל׃
34Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin'ny Zanak'Isiraely.