1Dari Daud. Pujilah TUHAN, hai jiwaku, segenap batinku, pujilah nama-Nya yang kudus.
1[Fiderana an'Andriamanitra noho ny fahatsarany sy ny famindram-pony] Nataon'i Davida Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.
2Pujilah TUHAN, hai jiwaku, jangan lupakan segala kebaikan-Nya!
2Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,
3Dia yang mengampuni semua dosamu, yang menyembuhkan segala penyakitmu,
3Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
4Dia yang membebaskan nyawamu dari kuburan, yang melimpahi engkau dengan kasih dan belas kasihan.
4Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,
5Dia yang memuaskan hidupmu dengan yang baik, sehingga engkau awet muda seperti burung rajawali.
5Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery.[Na: fanahinao, na fahanteranao][Na: ho toy ny voromahery]
6TUHAN menjalankan hukum dan keadilan bagi semua orang yang tertindas.
6Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina.
7Ia menyatakan rencana-Nya kepada Musa dan perbuatan-perbuatan-Nya kepada bangsa Israel.
7Efa nampahafantatra an'i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak'Isiraely nampahafantariny ny asany.
8Sebab TUHAN pengasih dan penyayang, Ia panjang sabar dan kasih-Nya berlimpah.
8Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.
9Ia tidak menghardik terus-menerus, dan tidak marah untuk selama-lamanya.
9Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.
10Ia tidak menghukum kita setimpal dosa kita, atau membalas kita setimpal kesalahan kita.
10Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.
11Tetapi setinggi langit di atas bumi, sebesar itu kasih-Nya bagi orang yang takwa.
11Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy.
12Sejauh timur dari barat, sejauh itu dibuang-Nya dosa-dosa kita.
12Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
13Seperti seorang bapak mengasihi anak-anaknya, begitulah TUHAN mengasihi orang yang takwa.
13Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy;
14Sebab TUHAN tahu kita terbuat dari apa, Ia ingat kita ini hanya debu.
14Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika.
15Manusia hidupnya singkat seperti rumput; ia berkembang seperti bunga di ladang;
15Tahaka ny ahitra ny andron'ny zanak'olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
16bila ditiup angin, lenyaplah ia, malah tempatnya tidak diketahui lagi.
16Satria tsofin'ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.
17Tetapi TUHAN tetap mengasihi orang takwa, kebaikan-Nya berlangsung turun-temurun
17Fa ny famindram-pon'i Jehovah dia hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka.
18bagi orang yang berpegang pada perjanjian-Nya, dan dengan setia melakukan perintah-Nya.
18Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
19TUHAN memerintah di surga, Ia raja yang berkuasa atas segala-galanya.
19Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.
20Pujilah TUHAN, hai malaikat-malaikat-Nya yang perkasa, yang mendengarkan dan melakukan perintah-Nya.
20Misaora an'i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon'ny teniny.
21Pujilah TUHAN, hai semua makhluk di surga, semua hamba-Nya yang melakukan kehendak-Nya.
21Misaora an'i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.Misaora an'i Jehovah, ny asany rehetra eran'ny fanjakany; Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko.
22Pujilah TUHAN, hai segala ciptaan di seluruh wilayah kekuasaan-Nya. Pujilah TUHAN, hai jiwaku!
22Misaora an'i Jehovah, ny asany rehetra eran'ny fanjakany; Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko.