1Pujilah TUHAN! Hai hamba-hamba TUHAN, pujilah nama TUHAN!
1[Fiderana an'Andriamanitra lehibe, Izay manandratra ny malahelo] Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon'i Jehovah, Miderà ny anaran'i Jehovah.
2Nama-Nya akan dimasyhurkan, sekarang dan sepanjang masa.
2Isaorana anie ny anaran'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
3Dari timur sampai ke barat nama TUHAN harus dipuji.
3Hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany No hoderaina anie ny anaran'i Jehovah.
4TUHAN berkuasa atas segala bangsa, keagungan-Nya mengatasi langit.
4Avo ambonin'ny jentilisa Jehovah; Ambonin'ny lanitra ny voninahiny.
5Siapa seperti TUHAN Allah kita? Ia bertakhta di tempat yang tinggi.
5Iza no tahaka an'i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin'ny avo,
6Tetapi Ia membungkukkan diri untuk memandang langit dan bumi.
6Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?
7Orang miskin diangkat-Nya dari debu, dan orang melarat dari abu.
7Manangana ny malahelo hiala amin'ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin'ny zezika,
8Mereka didudukkan-Nya bersama para penguasa, bersama para bangsawan dari umat-Nya.
8Mba hametraka azy ho naman'ny mpanapaka ny olony.Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.
9Ia menganugerahkan anak-anak kepada istri yang mandul, menjadikan dia ibu yang berbahagia dan terhormat di rumahnya. Pujilah TUHAN!
9Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.