Latvian: New Testament

Malagasy

1 John

2

1Mani bērniņi, šo es jums rakstu, lai jūs negrēkotu. Bet ja nu kāds grēkojis, tad mums taisnīgais Jēzus Kristus ir aizstāvis pie Tēva.
1Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; [ Gr. parakleto; izahao Jao. xiv. 16]
2Viņš ir mūsu grēku izlīdzināšana: ne tikai mūsu vien, bet arī visas pasaules.
2ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa. [ Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana; izahao Rom. iii, 25]
3No tā mēs zinam, ka Viņu esam pazinuši, ja izpildam Viņa baušļus.
3Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny.
4Ja kas saka, ka Viņu pazīst, bet nepilda Viņa baušļus, tas ir melis, un viņā nav patiesības.
4Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.
5Bet kas Viņa vārdu ievēro, tanī patiesi Dieva mīlestība ir pilnīga; un no tā mēs zinām, ka esam Viņā.
5Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. [ Na: ny fitiavan'Andriamanitra]
6Kas saka, ka Viņā paliek, tam pienākas tā rīkoties, kā Viņš darījis.
6Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. [ Na: Izao no ahafantarantsika fa ao aminy isika: Izay etc]
7Mīļie, ne jaunu bausli es jums rakstu, bet veco bausli, kas bija jums no sākuma. Šis vecais bauslis ir tas vārds, ko dzirdējāt.
7Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin'ny voalohany. Ny didy ela dia izay teny efa renareo.
8Un es rakstu jums atkal jaunu bausli, kas patiess Viņā un jūsos, jo tumsība pagājusi un patiesā gaisma jau spīd.
8Ary koa, didy vaovao no soratako aminareo, dia zavatra marina eo aminy sy eo aminareo, satria miala ny maizina, ary ny mazava marina no mahazava ankehitriny.
9Kas saka, ka viņš ir gaismā, un ienīst savu brāli, tas vēl aizvien ir tumsībā.
9Izay milaza fa ao amin'ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin'ny maizina ihany.
10Kas savu brāli mīl, paliek gaismā, un viņā nav piedauzības.
10Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin'ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy.
11Bet kas savu brāli ienīst, tas atrodas tumsībā un staigā tumsībā, un nezina, kurp tas iet, jo tumsa darījusi aklas viņa acis.
11Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin'ny maizina ary mandeha ao amin'ny maizina ka tsy mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony.
12Es rakstu jums, bērniņi, jo grēki jums viņa vārda dēļ tiek piedoti.
12[Fananarana mba tsy ho tia izao tontolo izao, na hofitahin'ny antikristy, fa mba hiorina tsara ao amin'i Kristy] Manoratra aminareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny anarany.
13Es rakstu jums, tēvi, jo jūs pazināt Viņu, kas ir no sākuma. Es rakstu jums, jaunekļi, jo jūs uzvarējāt ļauno.
13Manoratra aminareo ray aho, satria efa mahalala Ilay hatramin'ny voalohany ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy ianareo. Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo.
14Es rakstu jums, bērni, jo jūs pazināt Tēvu. Es rakstu jums, jaunieši, jo jūs esat stipri, un Dieva vārds paliek jūsos, un jūs ļauno uzvarējāt.
14Nanoratra taminareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin'ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.
15Nemīliet pasauli, nedz arī to, kas ir pasaulē! Ja kāds mīl pasauli, tad viņā nav Tēva mīlestības.
15Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
16Jo viss, kas pasaulē, ir miesas kārība un acu kārība, un dzīves lepnība, kas nav no Tēva, bet no pasaules.
16Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany.
17Un pasaule un viņas kārība pāriet, bet kas izpilda Dieva gribu, paliek mūžīgi.
17Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
18Bērniņi, ir pēdējā stunda! Un nāk, kā jūs dzirdējāt, antikrists; un tagad jau daudzi antikristi radušies; no tā mēs zinām, ka ir pēdējā stunda.
18Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. [ Na: ilay]
19No mums viņi izgājuši, bet viņi nebija mūsējie, jo, ja tie būtu mūsējie, tie paliktu ar mums. Viņi jāatklāj, ka tie visi nav mūsējie.
19Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra.
20Bet jums ir Svētā svaidīšana, un jūs zinat visu.
20Fa ianareo kosa manana hosotra avy amin'ilay Masina ka mahalala ny zavatra rehetra.
21Es nerakstīju jums kā patiesības nezinātājiem, bet kā tās pazinējiem, jo nekādi meli nav no patiesības.
21Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsi-fisiana lainga avy amin'ny marina.
22Kas gan ir melis, ja ne tas, kas noliedz, ka Jēzus ir Kristus? Tas ir antikrists, kas noliedz Tēvu un Dēlu.
22Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka. [ Na: ilay antikristy]
23Katram, kas noliedz Dēlu, nav Tēva. Kas apliecina Dēlu, tam ir arī Tēvs.
23Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.
24Ko jūs dzirdējāt no sākuma, lai paliek jūsos. Ja jūsos paliks tas, ko dzirdējāt no sākuma, tad arī jūs paliksiet Dēlā un Tēvā.
24Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao amin'ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo.
25Šis ir tas apsolījums, ko Viņš mums solījis, mūžīgā dzīve.
25Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay.
26To es jums uzrakstīju par tiem, kas jūs maldina.
26Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin'ny mamitaka anareo.
27Un jums lai paliek tas svaidījums, ko no Viņa saņēmāt. Un jums nevajag, lai jūs kāds mācītu; bet ka Viņa svaidījums māca jums visu, tas ir patiesi un nav meli. Un kā Viņš jūs mācījis, tā palieciet Viņā!
27Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin'olona ianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.
28Un tagad, bērniņi, palieciet Viņā, lai, kad Viņš parādīsies, mums būtu paļāvība un, Viņam atnākot, mēs netiktu no Viņa apkaunoti.
28Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy ho menatra eo anatrehany amin'ny fihaviany.Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany.
29Ja jūs ziniet, ka Viņš ir taisnīgs, tad zinat arī, ka ikviens, kas dara taisnību, no Viņa ir dzimis.
29Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany.