1Redziet, kādu mīlestību Tēvs mums dāvājis, lai mēs sauktos un būtu Dieva bērni! Tāpēc pasaule mūs nepazīst, jo tā nav Viņu pazinusi.
1[Ny fahazotoan'ny zanak'Andriamanitra hanao ny sitrapon'ny Ramy sy hifankatia amin'ny namany, ary ny fahatokiana ananany] Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy. [ Gr. nomen']
2Mīļie, tagad mēs esam Dieva bērni. Un vēl nav atklājies, kas mēs būsim. Mēs tikai zinām, ka tad, kad Viņš parādīsies, mēs būsim Viņam līdzīgi, jo mēs redzēsim Viņu tādu, kāds Viņš ir.
2Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.
3Un katrs, kam ir šī cerība uz Viņu, svētdara sevi, kā arī Viņš ir svēts.
3Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.
4Katrs, kas grēko, dara arī netaisnību; arī grēks ir netaisnība.
4Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
5Un jūs zināt, ka Viņš parādījies, lai gandarītu par mūsu grēkiem, un Viņā grēka nav.
5Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [ Na: hitondra]
6Katrs, kas paliek Viņā, negrēko; un katrs, kas grēko, nav Viņu redzējis, nav arī Viņu pazinis.
6Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy.
7Bērniņi, lai neviens jūs nemaldina! Kas dara taisnību, tas ir taisnīgs, tāpat kā Viņš ir taisnīgs.
7Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy.
8Kas grēko, tas ir no velna, jo velns grēko no sākuma. Tamdēļ Dieva Dēls atnāca, lai Viņš sagrautu velna darbus.
8Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly.
9Katrs, kas no Dieva dzimis, nedara grēku, jo Viņa sēkla paliek tanī; un tas nevar grēkot, jo no Dieva dzimis.
9Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra.
10Dieva bērnus un sātana bērnus var pazīt tā: ikkatrs, kas nav taisnīgs, nav no Dieva, tāpat arī tas, kas nemīl savu brāli.
10Izany no mampiseho miharihary izay Zanak'Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.
11Jo šis ir tas vēstījums, ko dzirdējāt no sākuma, lai jūs viens otru mīlētu.
11Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin'ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika,-
12Ne tā kā Kains, kas bija no ļaunā un nonāvēja savu brāli. Un kādēļ viņš to nonāvēja? Tādēļ, ka viņa darbi bija ļauni, bet viņa brāļa taisnīgi.
12tsy mba tahaka an'i Kaina, izay avy tamin'ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an'ny rahalahiny.
13Nebrīnieties, brāļi, ja pasaule jūs ienīst!
13Aza gaga, ry rahalahy, raha halan'izao tontolo izao ianareo.
14Mēs zinām, ka esam pārnesti no nāves dzīvībā, jo mēs mīlam brāļus. Kas nemīl, paliek nāvē.
14Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana isika satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin'ny fahafatesana ihany.
15Katrs, kas savu brāli ienīst, ir slepkava; un jūs zināt, ka nevienā slepkavā nav mūžīgās dzīvības, kas paliktu viņā.
15Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
16No tā mēs pazinām Dieva mīlestību, ka Viņš par mums atdeva savu dzīvību; tā arī mums pienākas savu dzīvību atdot par brāļiem.
16Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.
17Kam būtu šīs pasaules manta un viņš redzētu savu brāli trūkumā, bet noslēgtu tam savu sirdi, kā gan Dieva mīlestība paliktu viņā?
17Ary izay rehetra manam-pananana amin'izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran'ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatiny?
18Mani bērniņi, nemīlēsim vārdos, ne ar mēli, bet darbos un patiesībā!
18Anaka, aoka tsy ho tia amin'ny teny na amin'ny lela isika, fa amin'ny asa sy amin'ny marina.
19No tā mēs zinām, ka esam no patiesības, un Viņa priekšā varam mierināt savas sirdis.
19Izany no hahafantarantsika fa avy amin'ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany,
20Ja mūsu sirds pārmet mums, Dievs ir lielāks nekā mūsu sirds, un zina visu.
20na amin'inona na amin'inona no anamelohan'ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.
21Mīļie, ja mūsu sirds nepārmet, tad mums ir paļāvība uz Dievu.
21Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan'Andriamanitra isika.
22Un visu, ko mēs lūgsim, to saņemsim no Viņa, jo mēs izpildām Viņa baušļus un darām to, kas Viņam patīkams.
22Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.
23Un šis ir Viņa bauslis, lai mēs ticētu Viņa Dēla Jēzus Kristus vārdam un mīlētu viens otru, kā Viņš mums pavēlējis.
23Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny anaran'i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika.Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.
24Un kas Viņa baušļus izpilda, tas paliek Viņā, un Viņš tanī; un ka Viņš mūsos paliek, to zinām no tā Gara, ko Viņš mums devis.
24Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.