1Es, vecākais un Kristus ciešanu liecinieks, līdzdalībnieks godībā, kas nākotnē atklāsies, pamudinu vecākos, kas pie jums ir:
1[Fananarana ny loholona mba ho malemy fanahy sy ho mahatoky, ary fananarana ny olona rehetra mba hanetry tena sy hitandrina. Vavaka farany sy fanaovam-beloma] Koa ny amin'ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona sy vavolombelon'ny fijalian'i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: [ Gr. presbytera]
2Ganiet Dieva ganāmpulku, kas pie jums, rūpēdamies par to nepiespiesti, bet labprātīgi saskaņā ar Dievu, ne negodīgas peļņas dēļ, bet pašaizliedzīgi,
2Andraso ny ondrin'Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin'ny sitrapo,[araka an'Andriamanitra]; tsy amin'ny fitiavana harena maloto, fa amin'ny zotom-panahy; [ Na: izay andraikitrareo]
3Un ne kā izredzēto valdnieki, bet no sirds esiet priekšzīme ganāmpulkam!
3tsy ho mpanjakazaka, amin'ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran'ny ondry.
4Un kad ieradīsies Virsgans, jūs saņemsiet nevīstošo godības kroni.
4Ary rehefa miseho ny Lohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba ianareo,
5Tāpat arī, jaunākie, esiet padevīgi vecākajiem! Bet visi savstarpēji ietekmējieties pazemībā, jo Dievs ļaunajiem pretojas, bet pazemīgajiem dod žēlastību.
5Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34). [ Gr. presbytera]
6Tādēļ pazemojieties zem varenās Dieva rokas, lai Viņš jūs paaugstinātu apmeklējuma laikā;
6Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro;
7Visas savas rūpes metiet uz Viņu, jo Viņš par jums rūpējas.
7ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55.22).
8Esiet skaidrā prāta un nomodā, jo jūsu pretinieks velns staigā apkārt kā rūcošs lauva, meklēdams, ko aprīt.
8Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;
9Stipri ticībā pretojieties tam, zinādami, ka tādas pat ciešanas notiek jūsu brāļiem pasaulē.
9tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao.
10Bet visas žēlastības Dievs, kas mūs Jēzū Kristū aicinājis savā mūžīgajā godībā, pats mūs pēc īslaicīgām ciešanām darīs pilnīgus, stiprinās un spēcinās.
10Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
11Viņam gods un vara mūžu mūžos! Amen.
11Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
12Kā man šķiet, es īsumā uzrakstīju jums caur uzticīgo brāli Silvanu, pamācīdams un apliecinādams, ka šī ir patiesā Dieva žēlastība, kurā jūs atrodaties.
12Efa manoratra teny fohifohy ho aminareo aho hampitondraina an'i Silasy, izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mananatra anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan'Andriamanitra,- tomoera tsara amin'izany ianareo.
13Jūs sveicina līdzizvēlētā baznīca Babilonā un mans dēls Marks.
13Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa.Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin'i Kristy anie ny fiadanana.
14Sveiciniet cits citu ar svētu skūpstu! Žēlastība jums visiem, kas esat Jēzū Kristū! Amen.
14Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin'i Kristy anie ny fiadanana.