1Sīmanis Pēteris, Jēzus Kristus kalps un apustulis, tiem, kas mūsu Dieva un Pestītāja Jēzus Kristus taisnībā ieguvuši to pašu dārgo ticību kā mēs.
1[Fiarahabana, sy fananarana mba hitondra tena mendrika ny Kristiana] Simona Petera, mpanompo sy Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay amin'ny fahamarinan'i Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy: [ Na: ny fahamarinan'Andriamanitra sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika]
2Žēlastība un miers lai jūsos pavairojas Dieva un mūsu Kunga Jēzus Kristus atzīšanā.
2hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.
3Mums Viņa dievišķā vara dāvinājusi visu vajadzīgo dzīvei un dievbijībai caur Viņa atzīšanu, kas mūs aicinājis ar savu godu un spēku,
3Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany; [ Na: [tamin'ny voninahitra sy ny fahatsarana]
4Dāvinādams mums ļoti lielus un dārgus apsolījumus, lai jūs caur tiem kļūtu dievišķās dabas līdzdalībnieki, bēgdami no kārības posta, kas valda pasaulē.
4ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna;
5Tāpēc pielieciet visas pūles un parādiet savā ticībā tikumu, bet tikumā atzīšanu,
5koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,
6Atzīšanā atturību, atturībā pacietību, pacietībā dievbijību,
6ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra,
7Dievbijībā brāļu mīlestību, mīlestībā tuvākmīlestību!
7ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
8Ja jums tas ir un bagātīgi ir, tad jūs nepaliksiet tukši un neauglīgi mūsu Kunga Jēzus Kristus atzīšanā.
8Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan'izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin'ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy Tompontsika.
9Kam tā nav, tas akls un taustās ar roku, aizmirstot, ka viņš šķīstīts no visiem vecajiem grēkiem.
9Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin'ny fahotany voalohany izy.
10Tādēļ, brāļi, centieties ar labiem darbiem nodrošināt savu aicinājumu un izvēlēšanu, jo, to darot, jūs nekad negrēkosiet.
10Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay;
11Tas bagātīgi veicinās jūsu ieiešanu mūsu Kunga un Pestītāja Jēzus Kristus mūžīgajā valstībā.
11fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.
12Tādēļ es nekad nerimšos jums to atgādināt, kaut gan jūs to zināt un esat nostiprinājušies šinī patiesībā.
12[Fananarana mba hiorina tsara amin'ny fampianarana marina] Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin'izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin'ny fahamarinana izay efa eo aminareo.
13Jo kamēr esmu šinī mājoklī, es turu par savu pienākumu uzturēt jūs modrus ar atgādinājumiem,
13Fa raha mbola eto amin'ity trano-lay ity aho, dia ataoko fa mety ny hampifoha anareo amin'ny fampahatsiarovana anareo,
14Jo zinu, ka drīz man šis mājoklis būs jāatstāj, kā jau to arī mūsu Kungs Jēzus Kristus man atklājis.
14satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon'i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa.
15Bet es rūpēšos, lai jūs arī pēc manas nāves varētu bieži to pieminēt.
15Ary dia hataoko izay zakako mba hisy hahatsiarovanareo izany zavatra izany mandrakariva, rehefa maty aho.
16Mēs pasludinājām jums mūsu Kunga Jēzus Kristus spēku un atnākšanu, nesekodami izgudrotajām pasakām, bet būdami aculiecinieki Viņa varenībai.
16Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin'ny fahafetsen'ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan'ny masonay ny fiandrianany.
17Jo Viņš saņēma no Dieva Tēva godu un cildinājumu, kad Viņam atskanēja no augsti cēlās godības šāda balss: Šis ir mans mīļais Dēls, pie kā man labpatikšana, Viņu klausiet!
17Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin'ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: "Ity no Zanako malalako izay sitrako" (Mat. 17.5).
18Un šo balsi, kas atskanēja no debesīm, mēs dzirdējām, kad bijām kopā ar Viņu svētajā kalnā.
18Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.
19Un pravieša vārds ir mums jo stiprāks, un jūs labi darāt, ievērodami to kā sveci, kas spīd tumšā vietā, kamēr uzausīs diena un rīta zvaigzne uzlēks jūsu sirdīs.
19Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin'ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro;
20Vispirms to saprotiet, ka neviena pravieša mācība Rakstos nav iztulkojama patvaļīgi,
20fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany;fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy.
21Jo pravietojumi nekad nav cēlušies no cilvēku gribas, bet svētie Dieva cilvēki runājuši, Svētā Gara iedvesmoti.
21fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy.