Latvian: New Testament

Malagasy

2 Peter

2

1Bija arī tautā viltus pravieši, kā arī jums būs mācītāji meļi, kuri ienesīs kaitīgas maldu mācības, noliegdami Kungu, kas viņus atpirka, tā sagatavodami sev drīzu pazušanu.
1[Ny hahafantarana ny mpampianatra sandoka, sy faminaniana ny handringanana azy] Efa nisy mpaminany sandoka teo amin'ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin'ny tenany. [ Na: fitokoana]
2Un daudzi sekos viņu baudu dzīvei, un viņi zaimos patiesības ceļu.
2Ary maro no hanaraka ny fijejojejoany; ka ireny no hitenenan-dratsy ny lalan'ny fahamarinana. [ Gr. hanaovana blasfemia, izahao Mat.9.3]
3Un mantkārībā viņi izmantos jūs ar izdomātiem vārdiem: jau sen nekavējas viņu notiesāšana, un viņu bojā eja nesnauž.
3Ary amin'ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin'ny teny mamitaka; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy rendremana ny fahaverezany.
4Jo arī eņģeļus, kas apgrēkojās, Dievs nesaudzēja, bet, elles tumsības saitēm saistītus, nogrūda bezdibenī ciešanās, lai glabātu viņus tiesai.
4Fa raha tsy navelan'Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin'ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina mba hotehirizina ho amin'ny fitsarana, [ Na: (nafatony tamin'ny gadra fahamaizinana)]
5Un Viņš nesaudzēja seno pasauli, sūtīdams plūdus bezdievīgajai pasaulei, bet saudzēja taisnības sludinātāju Noasu kā astoto.
5ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an'i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny safo-drano tamin'ny ratsy fanahy teo amin'izao tontolo izao,-
6Un tāpat nosodīja sodomiešu un gomoriešu pilsētas, pārvērsdams tās pelnos un iznīcinādams, rādot biedinājumu visiem, kas bezdievīgi dzīvos.
6ary raha nataony nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora ka nohelohiny horavana ary nataony fananarana ho an'izay ratsy fanahy ato aoriana,-
7Viņš izglāba taisnīgo Latu, ko nomāca bezdievju varmācība un viņu netiklā dzīve,
7fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan'ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka
8Jo, visu to redzēdams un dzirdēdams, viņš palika taisnīgs, lai gan viņš dzīvoja pie tiem, kuri diendienā mocīja ļauniem darbiem viņa taisnīgo dvēseli.
8(fa izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan'andro isan'andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan'ireo ny lalàna):
9Kungs prot izglābt dievbijīgos no kārdinājuma, bet netaisnos paturēt mokām tiesas dienai,
9dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana,-
10Bet it sevišķi tos, kas seko nešķīstajām miesas kārībām un nicina augstāko varu, pārdroši un patmīlīgi nebaidīdamies radīt šķelšanos un zaimot,
10indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan'ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahalehibiazana. Ireo efa olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra.
11Kaut gan eņģeļi, kas stiprumā un spēkā lielāki, netiesā viens otru zaimiem,
11Fa ny anjely aza, izay mihoatra amin'ny tanjaka sy ny hery, tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy azy eo anatrehan'ny Tompo.
12Jo tie zaimo to, ko nepazīst un savā samaitāšanā iet bojā kā neprātīgi dzīvnieki, kas pēc dabas paredzēti sagūstīšanai un nonāvēšanai.
12Fa ireo kosa izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan'aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin'ny fahalotoany,
13Tie saņem netaisnības algu; dienas uzdzīvi viņi uzskata par prieku; tie ir netīrumu un kauna traipi, kas savās dzīrēs dzīro kopā ar jums.
13ary hiharan'ny ratsy ho valin'ny faharatsiany izy. Ataony ho zava-mahafinaritra ny velona vetivety amin'ny fy, ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona amin'ny fy eo amin'ny fanasam-pifankatiavany, raha miara-mihinana aminareo, [ Na: [amin'ny famitahany].
14Viņu acis pildītas laulības pārkāpšanām, nepiepildāmiem grēkiem. Viņi vilina svārstīgas dvēseles. Viņu sirdis vingrinātas mantkārībā; tie ir lāsta bērni.
14manana maso feno fijangajangana, izay tsy mety mitsahatra amin'ny fahotana: dia mamitaka ny tsy miorina tsara izy; ary mampaharatra ny fony amin'ny hafatratry ny fitiavany harena, dia zanaky ny fanozonana izy;
15Viņi maldījās, atstādami taisno ceļu, un sekoja Balaama, Bosora dēla, ceļam, kas mīlēja netaisnības algu,
15efa niala tamin'ny lalana mahitsy izy ka nivily nanaraka ny lalan'i Balama, zanak'i Beora, izay tia ny tambin'ny tsi-fahamarinana, [Na: Bosora].
16Bet saņēma pamācību par savu ārprātu: mēms nastu nesējs lops, runādams cilvēka valodā, aizkavēja pravieša neprātību.
16nefa voanatra izy noho ny fahotany: ny boriky moana efa nanao feon'olona ka nisakana ny hadalan'ilay mpaminany.
17Tie ir bezūdens avoti, vētras dzenāti mākoņi, kam nolemta visdrūmākā tumsība.
17Ireo efa loharano ritra, zavona entin'ny tafio-drivotra, ka efa tehirizina ho azy ny fahamaintisan'ny maizina.
18Jo, runādami lepnus, tukšus vārdus, tie vilina miesas kārībās un netiklās baudās tos, kas tikko izbēguši no maldu ceļu gājējiem,
18Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan'ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony; [ Na: Satria velona amin'ny filan'ny nofo ireo, dia ny fandokafany fatratra ny zava-poana no entiny mitaona ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony ho amin'ny fijejojejoana]
19Apsolīdami tiem brīvību, būdami paši samaitāšanas vergi, jo kura kāds uzvarēts, tā vergs viņš ir.
19fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon'ny fahalotoana; efa izay maharesy ny olona dia mahandevo avy.
20Jo ja tie, kas mūsu Kunga un Pestītāja Jēzus Kristus atzīšanā izbēguši no pasaules gānekļiem, bet tanīs atkal iepīti, tiek uzvarēti, tad pēdējo gals ir ļaunāks nekā sākums.
20Fa raha misy efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr'izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany.
21Tiem būtu labāk, ja tie nebūtu pazinuši patiesības ceļu, nekā, to pazīstot, novērsties no viņiem dotā svētā baušļa.
21Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy.Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: "Ny amboa miverina indray amin'ny loany" (Oha. 26. 11), ary: "Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray."
22Bet viņiem noticis, kā saka patiess sakāmvārds: Suns atgriežas pie sava vēmekļa, un mazgāta cūka atkal vārtās dubļos.
22Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: "Ny amboa miverina indray amin'ny loany" (Oha. 26. 11), ary: "Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray."