1Lūk, vismīļie, šī jau ir otrā vēstule, ko es jums rakstu, lai ar atgādinājumiem uzturētu jūsu skaidro prātu modru,
1[Ny amin'ny hihavian'ny Tompo, sy fananarana noho izany] Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin'ny fampahatsiarovana,
2Lai jūs atcerētos svēto praviešu vārdus, kurus iepriekš minēju, un savu apustuļu pasludinātos Kunga Pestītāja likumus.
2mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan'ny mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo;
3Vispirms ziniet, ka pēdējās dienās maldināšanai nāks izsmējēji, kuri dzīvos paši savās kārībās,
3efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany
4Sacīdami: Kur ir Viņa solījums un atnākšana? Jo no tā laika, kad tēvi nomira, viss paliek tā, kā bija no radīšanas sākuma.
4ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza.
5Jo viņi ar nolūku sev slēpj to, ka debesis un zeme jau sen ir cēlušās Dieva vārda spēkā no ūdens un ar ūdeni,
5Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra,
6Kurā arī toreizējā pasaule gāja bojā ūdens plūdos.
6ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin'ny nanasaforany azy;
7Bet tagadējās debesis un zemi glabā un uztur tas pats vārds ugunij, tiesas dienai un bezdievīgo cilvēku pazušanai.
7fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.
8Bet tomēr viens, vismīļie, lai nebūtu jums noslēpts, ka viena diena Kungam ir kā tūkstoš gadi un tūkstoš gadi kā viena diena.
8Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.
9Kungs nevilcināsies savā solījumā, kā tas dažiem šķiet, bet jūsu dēļ ir pacietīgs, negribēdams, ka kāds pazustu, bet lai visi atgrieztos un gandarītu.
9Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra,
10Bet Kunga diena atnāks kā zaglis; tad debesis ar lielu troksni zudīs, pamatvielas karstumā izirs, bet zeme un viss, kas uz tās ražots, sadegs.
10Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [ Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana]
11Kad viss tas tā iznīks, kādiem tad jums jābūt svētā dzīvē un dievbijībā,
11Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,
12Gaidot un steidzoties pretim Kunga dienas atnākšanai? Viņa dēļ debesis degdamas izirs, un pamatvielas uguns karstumā izkusīs.
12sady manantena no mampahafaingana ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra! [ Na: maniry mafy]
13Tomēr mēs saskaņā ar Viņa apsolījumiem gaidām jaunas debesis un jaunu zemi, kurās mājos taisnība.
13Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana.
14Tādēļ, vismīļie, to gaidīdami, centieties, ka Viņš jūs atrastu mierā, nevainīgus un neaptraipītus!
14Koa amin'izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, efa mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fihavanana.
15Un uzskatiet mūsu Kunga pacietību kā glābšanu, kā arī mūsu mīļais brālis Pāvils jums rakstījis saskaņā ar viņam doto gudrību,
15Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy,
16Kā viņš runā par to savās vēstulēs, no kurām dažas grūti saprotamas, kuras, kā arī citus Rakstus nemācītie un nenostiprinātie sagroza sev par pazušanu.
16tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.
17Tagad, brāļi, to jau zinādami, sargieties, ka nezaudējiet, neprātīgo maldu līdzaizrauti, savu stiprumu!
17Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan'ny fahadisoan'ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin'izay iorenanareo;fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.
18Bet audziet mūsu Kunga un Pestītāja Jēzus Kristus žēlastībā un atzīšanā! Viņam lai ir gods tagad un līdz mūžības dienai! Amen!
18fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.