1Pāvils un Silvāns, un Timotejs tesalonīkiešu draudzei Dievā Tēvā un Kungā Jēzū Kristū:
1[Fiarahabana ny Tesaloniana, sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny nandraisan'ireo ny filazantsara sy ny nandrosoany tamin'ny finoana sy ny fitiavana] Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
2Žēlastība jums un miers! Mēs vienmēr pateicamies Dievam par jums visiem, pieminēdami jūs bez mitēšanās savās lūgšanās.
2Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin'ny fivavahanay,
3Mēs atminamies jūsu ticības darbu un pūles, un mīlestību, un izturību cerībā uz mūsu Kungu Jēzu Kristu Dieva un mūsu Tēva priekšā.
3sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin'ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin'ny fitiavana ary ny faharetanareo amin'ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason'Andriamanitra Raintsika;
4Mēs zinām, Dieva mīlētie brāļi, ka jūs esat izredzēti,
4fa fantatray, ry rahalahy malalan'Andriamanitra, ny fifidianana anareo,
5Jo mūsu evaņģēlijs bija pie jums ne tikvien vārdos, bet arī spēkā un Svētajā Garā, un visā pilnībā, kā jau jūs zināt, kādi mēs bijām pie jums jūsu dēļ.
5fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.
6Svētā Gara priekā pieņemdami vārdu daudzās apspiešanās, jūs kļuvāt mūsu un Kunga sekotāji.
6Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin'ny fahoriana be mbamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina,
7Un tā jūs esat priekšzīme visiem ticīgajiem Maķedonijā un Ahajā.
7ka dia tonga fianarana ho an'ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.
8Jo no jums izpaudās Kunga mācība ne tikai Maķedonijā un arī Ahajā, bet jūsu ticība uz Dievu izplatījusies visur, tā ka mums nekas vairs nav jāstāsta.
8Fa avy taminareo no nanenoan'ny tenin'ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan'ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.
9Jo viņi īpaši stāsta par mums, kā jūs uzņēmāt mūs un kā jūs no elkiem atgriezāties pie Dieva, lai kalpotu dzīvajam un patiesajam Dievam
9Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampy hiverenana amin'Andriamanitra mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina,ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.
10Un gaidītu no debesīm Viņa Dēlu Jēzu (ko Viņš uzmodināja no miroņiem), kas mūs izglāba no nākamajām dusmām.
10ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.