Latvian: New Testament

Malagasy

Colossians

4

1Kungi, dariet saviem kalpiem taisnīgi un pareizi, zinot, ka arī jums ir Kungs debesīs!
1Hianareo tompo, ataovy amin'ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
2Esiet pastāvīgi lūgšanā un pateicībā modri!
2[Ny amin'ny naman'i Paoly, sy fanaovam-beloma ny sakaizany tao Kolosia] Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana,
3Reizē lūdziet Dievu arī par mums, lai Dievs mums atver mācīšanas durvis Kristus noslēpumu sludināšanai (kura dēļ es esmu važās),
3ary mangataha koa ho anay, mba hamohan'Andriamanitra varavarana ho an'ny teny hilazanay ny zava-niafina izay an'i Kristy, sady izany no namatorana ahy,
4Lai es to pasludinātu, kā man pienākas sludināt. (Ef.6,19; 2.Tes.3,1)
4mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.
5Gudri izturieties pret tiem, kas ir ārpusē! Izmantojiet laiku!
5Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.
6Jūsu runai vienmēr jābūt laipnai, sālī sālītai, lai jūs zinātu, kā katram atbildēt.
6Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
7Visu, kas attiecas uz mani, paziņos jums Tihiks, vismīļais brālis un uzticamais kalps, un līdzstrādnieks Kungā.
7Ny toetro rehetra dia holazain'i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin'ny Tompo;
8Lai viņš uzzinātu, kā jums klājas, un lai iepriecinātu jūsu sirdis, es viņu sūtīju šim nolūkam
8ny anton'ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo;
9Kopā ar mīlēto un uzticamo brāli Onēzimu, kas ir no jums. Tie jums darīs zināmu visu, kas šeit notiek.
9ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ .
10Jūs sveicina mans līdzgūsteknis Aristarhs un Barnabas brāļa dēls Marks par viņu jūs jau saņēmāt norādījumus; kad viņš ieradīsies pie jums, uzņemiet to!
10Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan'i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),
11Un Jēzus, kas tiek saukts Justs, no apgraizītajiem. Šie, kas mani iepriecināja, ir vienīgie mani palīgi Dieva valstības darbā.
11ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin'ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan'Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
12Jūs sveicina vēl Kristus kalps Epafra, kas ir no jums. Viņš savās lūgšanās pastāvīgi par jums rūpējas, lai jūs būtu pilnīgi un lai izpildītu visu, ko Dievs grib.
12Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin'ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra. [ Na: ho tanteraka]
13Es dodu liecību par viņu, ka viņš daudz rūpējas par jums un par visiem, kas dzīvo Lāodikejā un Hierapolē.
13Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an'ny any Laodikia ary ho an'ny any Hierapolia izy.
14Jūs sveicina vismīļais ārsts Lūkass un Dēma.
14Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.
15Sveiciniet brāļus, kas dzīvo Lāodikejā un Nimfu, un draudzi, kas ir viņa namā!
15Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an- tranony.
16Kad šo vēstuli izlasīs pie jums, tad parūpējieties, lai tā tiktu lasīta arī lāodikejiešu draudzē, bet to, kas Lāodikejā, lasiet jūs!
16Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin'ny fiangonan'ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin'ny Laodikiana. [ Gr. eklesia]
17Bet Arhipam sakiet: Pielūko, ka tu izpildītu uzdevumu, ko saņēmi Kunga vārdā!
17Ary lazao amin'i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin'ny Tompo mba hahatanterahanao izany.Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
18Sveiciens ar manu, Pāvila, roku. Pieminiet manas važas! Žēlastība ar jums! Amen.
18Ity no veloma ataon'ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.