Latvian: New Testament

Malagasy

1 Timothy

5

1Vecāku vīru nerāj, bet pamāci kā tēvu, jaunekļus - kā brāļus.
1[Ny amin'ny fitondrana ny loholona sy ny vehivavy mpitondratena mbamin'ny sasany koa, ary anatra ho amin'ny mpanompon'olona] Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy,
2Vecākas sievietes - kā mātes, jaunākas - kā māsas visā šķīstībā!
2ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin'ny fahadiovana rehetra.
3Godā atraitnes, kuras ir īstas atraitnes!
3Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.
4Bet ja kādai atraitnei ir bērni vai bērnu bērni, tad lai tā vispirms mācās valdīt savu māju un parādīt pateicību saviem vecākiem, jo tā tas Dievam patīk.
4Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra.
5Bet kas ir īsta atraitne un vientule, lai cer uz Dievu un paliek lūgšanās un aizlūgumos nakti un dienu!
5Fa izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an'Andriamanitra ka maharitra amin'ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman'alina
6Jo, kas dzīvo izpriecās, tā, dzīva būdama, ir mirusi.
6Fa izay vehivavy manaram-po amin'ny fahafinaretana dia maty fahavelony.
7Arī to piekodini, lai tās būtu nevainojamas!
7Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny.
8Bet ja kāds nerūpējas par savējiem, sevišķi par mājiniekiem, tas noliedz ticību un ir ļaunāks par neticīgo.
8Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.
9Atraitnēs jāuzņem tāda, kas ir vismaz sešdesmit gadus veca un ir bijusi viena vīra sieva,
9Aza soratana ho isan'ny mpitondratena izay latsaka noho ny enim-polo taona sady efa nanam-bady indray mandeha ihany
10Kas pazīstama ar labiem darbiem: ja viņa bērnus uzaudzinājusi, bijusi viesmīlīga, ja svētajiem kājas mazgājusi, ja tā palīdzējusi cietējiem un bijusi centīga ikkatrā labā darbā.
10ary tsara laza amin'ny asa tsara; raha namelon-jaza izy, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra.
11Bet jaunākas atraitnes noraidi, jo, ja tās, pretodamās Kristum, iestieg baudkārē, tad viņas grib precēties.
11Fa mandava ny mpitondra-tena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan'i Kristy izy, dia ta-hanam-bady
12Tās pelna nosodīšanu, jo pirmo uzticību lauzušas.
12ka hahazo fanamelohana, satria nandà ny finoany voalohany izy.
13Turklāt viņas mācās dīkā staigāt no mājas uz māju, un ne tikai dīkā, bet ir arī pļāpīgas un vīzdegunīgi runā ko nevajag.
13Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an'olona ka manao teny tsy mety.
14Tāpēc es vēlos, lai jaunākās precētos, dzemdētu bērnus, pārvaldītu mājas un nedotu pretiniekam nekādu iemeslu nievāšanai.
14Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy.
15Jo dažas jau novēršas, lai sekotu sātanam.
15Fa ny sasany efa nivily sahady nanaraka an'i Satana.
16Ja kādam ticīgajam jārūpējas par atraitnēm, tad lai apgādā tās un lai netiek apgrūtināta draudze, kurai jāpalīdz īstajām atraitnēm.
16Raha misy vehivavy mino manana mpitondratena, aoka izy hamelona azy, ary aza avela hahavaky tratra ny fiangonana, mba hamelomany izay efa mpitondratena tokoa. [ Gr. eklesia]
17Prezbiteri, kas labi priekšnieki, ir cienīgi, ka tos godinātu ar divkāršu godu, sevišķi tos, kas darbojas sludināšanā un mācībā.
17Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny indrindra fa izay nikely aina amin'ny teny sy ny fampianarana. [ Gr. presbytera]
18Jo Raksti saka: Kūlējam vērsim purnu neaizsien (5.Moz.25,4) un: Strādnieks ir savas algas cienīgs. (Mt.10,10; Lk.10,7)
18Fa hoy ny Soratra Masina: "Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary ianao" (Deo. 25.4) Ary koa: "Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany" (Lio.10.7).
19Sūdzību pret prezbiteru nepieņem bez diviem vai trijiem lieciniekiem!
19Aza mandray teny hiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo. [ Gr. presbytera]
20Tos, kas grēko, norāj visu klātbūtnē, lai arī citi bītos!
20Izay manota dia anaro eo anatrehan'ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany.
21Es tevi zvērinu Dieva un Jēzus Kristus, un izredzēto eņģeļu priekšā, lai tu to pildītu bez aizsprieduma. Nedari neko, ietekmēts no vienas vai otras puses!
21Mananatra anao mafy aho eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin'ny fiangarana.
22Pārsteidzīgi nevienam rokas neuzliec un nekļūsti svešu grēku līdzdalībnieks! Sargi sevi šķīstu!
22Aza malaky mametra-tanana amin'olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin'ny sasany; tehirizo madio ny tenanao.
23Nedzer vairs ūdeni vien, bet lieto mazliet vīna tava kuņģa un biežo slimību dēļ!
23Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.
24Dažu cilvēku grēki ir visiem zināmi un iet tiesā pirms tiem, bet citiem tie vēl seko.
24Ny fahotan'ny olona sasany miharihary ka mialoha ho amin'ny fitsarana, fa ny an'ny sasany kosa manaraka ato aoriana.Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina.
25Tāpēc arī labie darbi ir visiem zināmi; un kur tas tā vēl nav, tur nevar palikt apslēpti.
25Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina.