1Ikkatrs, kas atrodas verdzības jūgā, lai uzskata savus kungus par katra goda cienīgiem, lai Dieva vārds un mācība netiktu zaimoti.
1Aoka izay andevo rehetra eo ambanin'ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba tsy hitenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra sy ny fampianarana. [Gr. hasiana blasfemia, izahao Mat. 9.3]
2Bet kam kungi ir ticīgi, lai nenicina tos tāpēc, ka tie ir brāļi, bet vēl labāk lai tie kalpo, jo tie ir ticīgi un mīlējami, un labvēlības līdzdalībnieki. Tu māci un pamudini!
2Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.
3Ja kas māca ko citu un neseko mūsu Kunga Jēzus Kristus veselīgajai mācībai, nedz tai mācībai, kas ved dievbijībā,
3[Fananarana sy teny farany ho an'i Timoty] Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an'i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, [ Gr. salama]
4Tas ir uzpūtīgs, nekā nezina, bet sirgst ar prātošanas un ķildošanās sērgu, no kā ceļas skaudība, ķildas, zaimi, ļaunas aizdomas.
4dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala amin'ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, [ Gr. marary]
5Tukšas ķildas starp prātu zaudējušiem cilvēkiem, kam sveša patiesība un kas domā, ka dievbijība kalpo peļņai.
5fifandirana lalandava, fanaon'ny olona vetaveta saina sady efa nialan'ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ho fahazoan-javatra.
6Tiešām, dievbijība kopā ar pieticību ir liels ieguvums.
6Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra omban'ny fianinana.
7Jo mēs šinī pasaulē nekā līdz neatnesām, bez šaubām, arī nekā aiznest nevaram.
7Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. [ Na: satria]
8Bet ja mums ir uzturs un apģērbs, būsim apmierināti ar to!
8Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany.
9Jo tie, kas grib kļūt bagāti, krīt kārdināšanā un sātana valgā, un daudzās nevajadzīgās un kaitīgās kārībās, kas cilvēkus grūž pazušanā un samaitāšanā.
9Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana.
10Jo visu ļaunumu sakne ir mantkārībā. Daži, pēc tās dzīdamies, ir nomaldījušies no ticības un sagādājuši sev daudz ciešanu.
10Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be.
11Bet tu, Dieva cilvēks, bēdz no tā! Turpretīm centies pēc taisnības, dievbijības, ticības, mīlestības, pacietības, lēnprātības!
11Fa ianao kosa, sy lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
12Izcīni labo ticības cīņu, tver mūžīgo dzīvi, kurai tu esi aicināts, pats apliecinādams labo apliecību daudzu liecinieku priekšā!
12Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro.
13Dieva priekšā, kas visu dzīvu dara, un Kristus Jēzus priekšā, kas liecību deva Poncija Pilāta laikā, es tev pavēlu labu liecināt,
13Izaho mananatra anao eo anatrehan'Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan'i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan'i Pontio Pilato,
14Lai tu izpildītu šo uzdevumu nevainojami līdz mūsu Kunga Jēzus Kristus atnākšanai,
14mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin'ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany;
15Ko savlaicīgi rādīs svētais un vienīgais, un spēcīgais ķēniņu Ķēniņš un kungu Kungs.
15ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho izany amin'ny fotoany;
16Viņam vienīgajam ir nemirstība, un Viņš dzīvo nepieejamā gaismā, ko neviens cilvēks nav redzējis un arī nevar redzēt; Viņam gods un mūžīga valdīšana! Amen.
16Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan'olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
17Šīs pasaules bagātajiem pavēli nebūt augstprātīgiem un paļauties ne uz nedrošu bagātību, bet uz dzīvo Dievu (kas bagātīgi piešķir mums visu izlietošanai),
17Anaro ny mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, [ Gr. fiovavovan'ny harena]
18Lai viņi darītu labu, būtu bagāti labos darbos, būtu labdarīgi, līdzcietīgi,
18mba hanao soa, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, hazoto manome sy miantra,
19Uzkrātu sev vērtības, labu pamatu nākotnei, lai sasniegtu patieso dzīvi.
19ka dia hihary fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.
20Timotej, sargi tev uzticēto, izvairies no pasaulīgām, tukšām sarunām un pretrunīgajām mācībām, kas nepareizi nosauktas par zinātni!
20Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin'ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin'izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy,izay neken'ny sasany, ka nania tamin'ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
21Daži, tās atzīdami, atkrita no ticības. Žēlastība lai ir ar tevi! Amen.
21izay neken'ny sasany, ka nania tamin'ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.