Latvian: New Testament

Malagasy

2 Corinthians

10

1Bet es, Pāvils, kas jūsu klātbūtnē esot pazemīgs, bet prombūtnē drošsirdīgs pret jums, lūdzu jūs Kristus lēnprātības un laipnības dēļ.
1[Teny nentin'i Paoly namaly izay nanohitra sy nanevateva ny fahefany ka azy tsy ho Apostoly marina] Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin'ny hamoram-panahy sy ny fandeferan'i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo.
2Un es jūs lūdzu, lai man nevajadzētu, pie jums esot, uzstāties ar tādu drošsirdību, ar kādu esmu apņēmies uzstāties pret dažiem, kas domā, ka mēs dzīvojam miesai.
2Dia mangataka aho mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin'ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana amin'ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo.
3Jo mēs gan miesā dzīvojam, bet nekarojam miesīgi.
3Fa na dia velona amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo
4Mūsu cīņas ieroči nav miesīgi, bet ar Dievu tie ir spējīgi sagraut cietokšņus; mēs apgāžam lēmumus
4(fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy);
5Un katru augstprātību, kas paceļas pret Dieva atzīšanu, un ņemam gūstā visus prātus, lai tie kalpotu Kristum.
5fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy,
6Un esam gatavi nosodīt katru nepaklausību, tiklīdz jūsu paklausība būs pilnīga.
6ary vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo.
7Vērojiet to, kas acu priekšā! Ja kāds ir sevī pārliecināts, ka viņš pieder Kristum, tad lai tas pats sevi padomā: kā viņš pieder Kristum, tā arī mēs.
7Mijery zavatra araka ny fisehony ihany va ianareo? Raha misy olona matoky ny tenany fa an'i Kristy, aoka izay hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah'an'i Kristy azy no mah'an'i Kristy anay koa.[Na: Mijery zavatra araka ny fisehony ihany ianareo]
8Un ja es vēl vairāk lepotos ar varu, ko Kungs mums devis jūsu stiprināšanai, bet ne jūsu graušanai, arī tad es nepalikšu kaunā.
8Fa na dia bebe ihany aza ny fireharehako ny amin'ny fahefanay izay nomen'i Kristy anay hananganana, fa tsy handravana anareo, dia tsy hahazo henatra aho,
9Bet nedomājiet, ka es ar vēstulēm gribētu jūs iebaidīt!
9mba tsy hisehoako toy ny ta-hampitahotra anareo amin'ny epistily.
10Jo tie gan saka, ka viņa vēstules ir svarīgas un spēcīgas, bet viņa personīgā uzstāšanās ir vāja, un viņa runa nenozīmīga.
10Fa ny epistiliny, hoy izy, dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan'ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny.
11Tādi lai iegaumē sekojošo: kādi mēs esam prombūtnē vārdos savās vēstulēs, tādi arī klātesot darbos.
11Aoka izany olona izany hihevitra izao, fa tahaka ny fiteninay amin'ny epistily, raha tsy eo izahay, dia ho tahaka izany koa ny asanay rehefa tonga izahay.
12Jo mēs neuzdrošināmies sevi pieskaitīt vai pielīdzināt tādiem, kas sevi ieteic; bet mēs mērojam sevi pēc tā, kas mēs sevī esam un salīdzinām sevi ar mums pašiem.
12Fa izahay tsy sahy hanao ny tenanay ho isan'ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenanay amin'ny tenany sy mampitaha ny tenany amin'ny tenanay.
13Bet mēs neleposimies pārmērīgi, bet saskaņā ar mēra paraugu, ko Dievs mums spraudis. Pēc šī mēra mēs sniedzamies līdz jums.
13Fa izahay tsy mba hirehareha tsy amin'ohatra, fa araka ny ohatry ny voafaritr'Andriamanitra ho anjaranay, dia ohatra mihatra aminareo.
14Mēs nepārspīlējam, it kā mēs nebūtu nonākuši līdz jums; mēs taču atnesām jums Kristus evaņģēliju.
14Fa tsy toy izay tsy mihatra aminareo izahay ka mihoatra ny faritry ny anjaranay; fa tonga hatrany aminareo aza izahay amin'ny filazantsaran'i Kristy;
15Mēs bez mēra nelielīsimies ar svešiem darbiem, bet mēs ceram, ka, pieaugot jūsu ticībai, mēs savas darbības apjomā iegūsim jūsu atzinību pārpilnībā,
15tsy mirehareha tsy amin'ohatra amin'izay nisasaran'ny sasany izahay, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo, dia hohalehibiazina ao aminareo izahay araka ny voafaritra ho anjarany, sady mbola handroso ihany
16Lai varētu sludināt evaņģēliju pāri jūsu robežām, nemaz nedižojoties ar to, kas jau padarīts svešā darba laukā.
16ka hitory ny filazantsara amin'ny tany any ankoatranareo, ary tsy hirehareha amin'izay efa vonona rahateo ao anatin'ny voafaritra ho an'ny sasany.
17Bet kas lielās, lai lielās Kungā!
17Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9, 23)Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain'ny Tompo.
18Jo ne tas ir cienīgs, kas sevi ieteic, bet ko Kungs ieteic.
18Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain'ny Tompo.