Latvian: New Testament

Malagasy

2 Corinthians

9

1Bet man ir lieki rakstīt jums par palīdzības darbu svētajiem.
1Fa ny amin'ny fiantrana ho an'ny olona masina, dia tsy misy tokony hanoratako aminareo;[Gr. fanompoana]
2Jo es pazīstu jūsu centīgo garu, par ko es jūs cildināju maķedoniešiem. Arī Ahaja no pagājuša gada bijusi sagatavota, bet jūsu centība pamudinājusi daudzus citus.
2fa fantatro ny fahazotoanareo, izay ataoko rehareha ny aminareo amin'ny Makedoniana hoe : Efa vonona hatry ny taon-itsy Akaia, ary ny zotom-ponareo dia namporisika ny maro.
3Bet es nosūtīju brāļus, lai jūs (kā jau sacīju) būtu sagatavoti un mūsu dižošanās par jums šinī ziņā nebūtu tukša;
3Kanefa naniraka ireo rahalahy ireo ihany aho, fandrao dia ho foana ny reharehanay ny aminareo amin'izany zavatra izany, mba ho vonona ianareo araka izay nolazaiko,
4Lai tad, ja maķedonieši kopā ar mani atnāktu un atrastu jūs nesagatavotus, mums (neteiksim jums) nebūtu jānosarkst šīs lietas dēļ.
4fandrao, raha tàhiny hisy hiaraka amiko ny avy eto Makedonia ka hahita anareo tsy mbola vonona, dia ho menatra izahay (mba tsy hanaovanay hoe, ianareo) noho izany fahatokiana izany.
5Tāpēc man šķita, ka ir nepieciešami lūgt brāļus, lai viņi jau iepriekš aiziet pie jums un lai sagatavo šo apsolīto svētību tā, ka tā būtu gatava kā svētība, bet ne kā skopums.
5Koa nataoko fa tsy maintsy mangataka ny rahalahy handeha hialoha ho any aminareo aho ka hahavita rahateo ny fiantranareo izay nokasainareo teo aloha, mba hovitaina toy ny fiantrana izany, fa tsy toy ny fahihirana.
6Bet to es saku: kas skopi sēj, tas skopi pļaus; un kas svētīgi sēj, tas svētīgi pļaus.
6Fa izao no lazaiko: Izay mamafy kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany.
7Katrs lai dara, kā viņš savā sirdī apņēmies, ne skumdams un ne spiests, jo augstsirdīgu devēju Dievs mīl.
7Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra (Oha. 22. 8, LXX.).
8Bet Dievs ir spējīgs dot jums bagātīgi visādas žēlastības, lai jums vienmēr visā būtu visāda pārticība un jūs būtu bagāti visādiem labiem darbiem.
8Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra;
9Kā rakstīts: Viņš ir izbēris, devis nabagiem, Viņa taisnība paliek mūžīgi mūžos. (Ps 111,9)
9araka ny voasoratra hoe: Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay (Sal. 112. 9).
10Bet kas dod sēklu sējējam, dos arī maizi ēšanai un vairos jūsu sēju un liks pieaugt jūsu taisnības augļiem,
10Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,
11Lai jums, kas visā bagāti, pārpilnībā būtu katra labsirdība, kas mūsos rada pateicību Dievam.
11dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny hitsim-po,izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.[Na: fahafoizana]
12Jo šis palīdzības darbs ne tikai aizpildīs to, kas trūkst svētajiem, bet pārpilnībā radīs arī daudz pateicības Dievam.
12Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon'ny olona masina ihany, fa mahabe ny fisaoran'ny maro an'Andriamanitra koa,
13Šīs sekmīgās labdarības dēļ viņi godina Dievu par jūsu paklausības apliecinājumu Kristus evaņģēlijam un labvēlīgo palīdzību viņiem un citiem,
13satria ny fizahan-toetra anareo amin'izany fanompoana izany no ankalazany an'Andriamanitra noho ny fitananareo tsara ny fanekenareo ny filazantsaran'i Kristy sy noho ny fahazotoanareo amin'ny fiantrana ho azy sy ho an'ny olona rehetra;
14Un viņi, lūgdami Dievu par jums, ilgojas pēc jums pārlieku lielās Dieva žēlastības dēļ, kas ir jūsos.
14ary amin'ny fangatahany ho anareo dia manina anareo izy noho ny haben'ny fahasoavan'Andriamanitra aminareo.Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.
15Dievam lai pateicība par Viņa neizsakāmo dāvanu!
15Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina.