Latvian: New Testament

Malagasy

2 Corinthians

12

1Ja jau jālielās (lai gan tas nepieklājas), tad es pāriešu uz Kunga parādībām un atklāsmēm.
1Tsy maintsy mirehareha aho, na dia tsy mahasoa aza izany; fa handroso hilaza fahitana sy fanambaran'ny Tompo aho.
2Kristū es pazīstu cilvēku, kas pirms četrpadsmit gadiem, nezinu, vai miesā, nezinu arī, vai ārpus miesas, Dievs to zina, tika aizrauts trešajās debesīs.
2Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo.
3Un es zinu, ka šis cilvēks vai miesā, vai ārpus miesas, nezinu, Dievs to zina,
3Ary mahalala ilay olona anankiray aho - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala -
4Tika aizrauts paradīzē un dzirdēja noslēpumainus vārdus, ko cilvēks nedrīkst izrunāt.
4fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona.
5Ar viņu es lielīšos, bet ar sevi es nelielīšos, kā vienīgi ar savām vājībām.
5Ilay anankiray no hataoko rehareha; fa ny amin'ny tenako dia tsy hirehareha aho afa-tsy amin'ny fahalemena ihany.
6Ja arī es gribēšu dižoties, es nebūšu neprātīgs, jo es teikšu patiesību; bet es atturos, lai kāds par mani nedomātu vairāk par to, ko tas manī saskata un ko no manis dzird.
6Fa na dia te-hirehareha aza aho, dia tsy ho adala, fa hilaza ny marina; nefa tsy manao izany aho, fandrao misy olona mihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy na izay andrenesany ny teniko.
7Bet lai atklāsmju daudzums mani neizceltu, manā miesā ir dots dzelonis, sātana eņģelis, kas mani pļaukā.
7Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin'ny nofo, dia irak'i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.[Na: Notsatohana hazo maranitra ny nofoko]
8Tāpēc es trīs reizes lūdzu Kungu, lai tas no manis atkāptos.
8Izany no nangatahako intelo tamin'ny Tompo, mba hialan'izany amiko.
9Un Viņš man sacīja: Tev pietiek manas žēlastības, jo spēks nespēkā kļūst pilnīgs. Tāpēc es labprāt dižošos savā nespēkā, lai Kristus spēks mājotu manī.
9Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko.
10Kristus dēļ man patīk manas vājības, nievāšanas, posts, vajāšanas, apspiešana; jo, būdams nespēcīgs, es esmu spēcīgs.
10Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.
11Es esmu kļuvis neprātīgs; jūs mani pie tā novedāt. Jums gan vajadzēja mani ieteikt, jo es nemaz neesmu zemāks par tiem, kas ir dižapustuļi, kaut gan nekas neesmu.
11Efa tonga adala aho; ianareo no nahatery ahy; fa tokony hoderainareo aho, satria tsy latsaka noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo, na dia tsinontsinona aza aho.[Na: fatratra loatra]
12Tomēr manas apustuliskās sūtības pazīmes jums ir pierādītas pacietībā, zīmēs, brīnumos un spēkā.
12Ny famantarana mah'Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin'ny faharetana rehetra, tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe.
13Un kas būtu tas, ko jūs būtu mazāk par citām draudzēm saņēmuši, ja ne tas, ka es jūs neapgrūtināju? Piedodiet man šo netaisnību!
13Fa inona moa no nahalatsaka anareo noho ny fiangonana sasany, afa-tsy ny tsy namakiako tratra anareo? Mamelà ahy ary amin'izany fahadisoana izany.
14Lūk, trešo reiz es esmu gatavs pie jums iet un neapgrūtināšu jūs; jo es nemeklēju to, kas jums ir, bet jūs pašus. Jo nav vajadzīgs, ka bērni krātu mantu vecākiem, bet vecāki bērniem.
14Indro, efa fanintelony izao no vonona hankatỳ aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo; fa tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ianareo; fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an'ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an'ny zanany.
15Un par jūsu dvēselēm es ļoti labprāt uzupurēšu visu, arī pats sevi uzupurēšu, lai gan, jo vairāk es jūs mīlu, pats tieku mazāk mīlēts.
15Ary izaho dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo, na dia araka ny fitombon'ny fitiavako anareo aza no fihenan'ny fitiavanareo ahy.
16Bet lai! Apgrūtinājis es jūs neesmu, bet es, būdams veikls, esot ieguvis jūs ar viltu.
16Kanefa, na dia izany aza, izaho tsy nahavaky tratra anareo, fa nanao saina, hono, aho, dia nahazo anareo tamin'ny fihendrena.
17Vai caur tiem, kurus pie jums sūtīju, esmu jūs piemānījis?
17Moa izay nirahiko tany aminareo va nisy nanaovako anareo ho vola aman-karena?
18Es lūdzu Titu un sūtīju viņam līdz brāli. Vai Tits jūs piemānīja? Vai mēs nedarbojāmies vienā un tanī pat garā, tanīs pat pēdās?
18Nangataka an'i Titosy aho, sady nirahiko nomba azy ilay rahalahy. Moa Titosy va nanao anareo ho vola aman-karena? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? Tsy iray ihany va no dianay?
19Jūs, laikam, sen jau domājat, ka mēs attaisnojamies jūsu priekšā? Mēs runājam Dieva priekšā Kristus vārdā. Vismīļie, tas viss jūsu pamācīšanai!
19Efa ela izay no nanaovanareo anay ho miala tsiny aminareo. Eo anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao amin'i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo.
20Es baidos, lai atnācis neatrastu jūs tādus, kādus es nevēlos; un ka jūs neatrastu mani tādu, kādu jūs nevēlaties; lai nebūtu starp jums ķildu, skaudības, dusmu, ienaida, goda laupīšanas, mēlnesības, uzpūtības, nekārtības.
20Fa matahotra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako, ary ho hitanareo aho ho toy izay tsy tianareo ; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana, fikotranana, -eny, fandrao, rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary izaho hanana alahelo amin'ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka tamin'ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony.
21Un kad atkal atnākšu, lai Dievs mani nepazemo jūsu priekšā un lai man nebūtu par daudziem jāskumst, kas agrāk grēkojuši, bet nav gandarījuši par nešķīstību un bezkaunību, un izlaidību, ko tie darījuši.
21eny, fandrao, rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary izaho hanana alahelo amin'ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka tamin'ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony.