Latvian: New Testament

Malagasy

2 Corinthians

13

1Lūk, trešo reiz es nāku pie jums. Ikviena lieta tiks izšķirta, diviem vai trim lieciniekiem liecinot.
1Izao no fanintelon'ny hankanesako atỳ aminareo. Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra (Deo. 19. 15).
2Pie jums būdams, es sacīju un tagad prombūtnē saku tiem, kas agrāk grēkojuši, un visiem pārējiem, ka nesaudzēšu tos, kad atkal atnākšu.
2Efa nambarako fahiny, sady milaza rahateo koa aho - toy ny nataoko fony mbola teo aminareo fanindroany ihany, ary ankehitriny raha tsy eo kosa - amin'izay nanota teo aloha sy amin'ny sisa rehetra, fa rehefa tonga indray aho, dia tsy hiantra,
3Vai jūs meklējat pierādījumu tam, ka manī runā Kristus? Viņš jūsos nav bezspēcīgs, bet Viņš jūsos varens.
3satria ianareo mitady famantarana fa miteny ato anatiko Kristy, Izay tsy malemy aminareo, fa mahery ao aminareo kosa.
4Lai gan Viņš krustā sists nespēkā, bet dzīvo Dieva spēkā. Arī mēs Viņā esam nespēcīgi, bet mēs dzīvosim starp jums līdz ar Viņu Dieva spēkā.
4Fa voahombo tamin'ny hazo fijaliana Izy noho ny fahalemena, nefa velona kosa noho ny herin'Andriamanitra. Fa izahay koa dia malemy ao aminy, nefa hiara-belona aminy ho anareo izahay noho ny herin'Andriamanitra.
5Pārbaudiet paši sevi, vai esat ticīgi, pārbaudiet sevi! Vai jūs sevī neatzīstat, ka Kristus ir jūsos? Ja nē, tad jūs esat neuzticīgi.
5Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin'ny finoana ianareo, na tsia; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin'ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo ?
6Bet es ceru, ka jūs atzīsiet, ka mēs esam uzticīgi.
6Nefa manantena aho fa ho fantatrareo fa izahay dia tsy olona nolavina.
7Un mēs lūdzam Dievu, lai jūs nedarītu nekā ļauna ne tāpēc, lai mūs uzskatītu par uzticīgiem, bet lai jūs darītu labu un mēs būtu it kā nederīgi.
7Ary mangataka amin'Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy ianareo, tsy ny hisehoanay ho olona voazaha toetra anefa, fa ny mba hanaovanareo izay tsara, na dia ho toy ny olona nolavina aza izahay.
8Jo mēs nekā nespējam pret patiesību, bet par patiesību.
8Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa hampandroso ny marina kosa.
9Mēs priecājamies, ka mēs esam vāji, bet jūs stipri. To arī izlūdzamies, lai jūs būtu pilnīgi.
9Fa faly izahay, raha malemy izahay, fa ianareo no mahery; ary izao no angatahinay, dia ny fanatanterahana anareo.
10Tāpēc es jums šo rakstu prombūtnē, lai, pie jums esot, man nevajadzētu bargāk rīkoties saskaņā ar to varu, ko Kungs man devis celšanai, bet ne graušanai.
10Izany no anoratako izany zavatra izany, raha tsy eo aminareo aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hanao izay mafy araka ny hery izay nomen'ny Tompo ahy ho fananganana, fa tsy ho fandravana.
11Bez tam, brāļi, esiet līksmi, topiet pilnīgi, ieprieciniet viens otru, esiet vienprātīgi, uzturiet mieru: un miera un mīlestības Dievs būs ar jums.
11Farany, ry rahalahy, mifalia, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.[Na: veloma]
12Sveiciniet viens otru ar svētu skūpstu! Visi svētie jūs sveicina.
12Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina.
13Mūsu Kunga Jēzus Kristus žēlastība un Dieva mīlestība, un Svētā Gara sadraudzība lai ir ar jums visiem! Amen.
13Ny olona masina rehetra manao veloma anareo.Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.
14Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.