1Pāvils, apustulis ne no cilvēkiem, ne caur cilvēku, bet caur Jēzu Kristu un Dievu Tēvu, kas Viņu uzmodināja no miroņiem,
1[Fiarahabana] Paoly Apostoly - tsy avy tamin'olona, na tamin'ny alalan'olona, fa tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin'ny maty -
2Un brāļi, kas ir pie manis, Galatijas draudzēm.
2mbamin'ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana atỳ Galatia: [ Gr. eklesia]
3Žēlastība un miers jums no Dieva Tēva un mūsu Kunga Jēzus Kristus,
3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika,
4Kas sevi atdeva par mūsu grēkiem, lai saskaņā ar Dieva, mūsu Tēva, prātu izglābtu mūs no tagadējās ļaunās pasaules.
4Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin'izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon'Andriamanitra Raintsika; [ Na: izao andro ratsy izao]
5Viņam lai gods mūžīgi mūžos! Amen.
5ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
6Brīnos, ka jūs tik drīz novēršaties no tā, kas jūs aicināja Kristus žēlastībai, uz citu evaņģēliju;
6[Fananarana ny Galatiana noho ny fivadibadihany, sy ny fanambarana ny mah'Apostoly an'i Paoly] Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin'izay efa niantso anareo tamin'ny fahasoavan'i Kristy ho amin'ny filazantsara hafa,
7Bet cita nav; ir tikai daži cilvēki, kas jūs mulsina un grib sagrozīt Kristus evaņģēliju.
7izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy. [ Gr. anankiray koa]
8Bet ja arī mēs vai eņģelis no debesīm sludinātu citu evaņģēliju nekā to, ko mēs jums pasludinājām, lai tas top nolādēts!
8Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. [ Na: manohitra] [ Gr. anatema]
9Kā agrāk jums sacījām, tā arī tagad vēlreiz saku: ja kāds sludinātu jums citu evaņģēliju nekā to, ko esat saņēmuši, tas lai top nolādēts!
9Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy, [ Gr. anatema]
10Vai es meklēju cilvēku vai Dieva labvēlību? Vai es cenšos cilvēkiem izpatikt? Ja es arī tagad cilvēkiem izpatiktu, tad es nebūtu Kristus kalps.
10Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.
11Pasludinu jums, brāļi, ka evaņģēlijs, ko es jums pasludināju, nav no cilvēkiem,
11Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany.
12Jo es pieņēmu to un iemācījos ne no cilvēka, bet no Jēzus Kristus caur atklāsmi.
12Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany.
13Jūs jau dzirdējāt par manu iepriekšējo dzīves veidu jūdu ticībā, ka es pārmērīgi vajāju Dieva Baznīcu un apkaroju to,
13Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy; [ Gr. eklesia]
14Un kā es jūdu ticībā pārspēju daudzus sava vecuma ļaudis savā tautā, būdams centīgāks savu tēvu paražās.
14ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin'ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.
15Bet kad Tam, kas mani no manas mātes miesām izredzējis un savā žēlastībā aicinājis, labpatika
15Fa raha sitrak'Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon'ineny ny niantso ahy tamin'ny fahasoavany,
16Atklāt man savu Dēlu, lai es Viņu sludinātu pagāniem, tad es tūdaļ nepievērsos miesai un asinīm,
16ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny jentilisa, niaraka tamin'izay dia tsy naka saina tamin'ny nofo aman-drà aho,
17Negāju arī uz Jeruzalemi pie tiem, kas jau pirms manis bija apustuļi, bet es aizgāju uz Arābiju un atkal atgriezos atpakaļ Damaskā.
17ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin'izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.
18Tikai vēlāk, pēc trim gadiem es aizgāju uz Jeruzalemi, lai redzētu Pēteri, un paliku pie viņa piecpadsmit dienas.
18Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an'i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin'ny folo andro.
19Tad no citiem apustuļiem es nevienu neredzēju, tikai Jēkabu, Kunga brāli.
19Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin'ny Tompo. [ Na: fa Jakoba kosa]
20Bet ko es jums rakstu, lūk, Dievs to zina, ka es nemeloju.
20Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho.
21Pēc tam es nonācu Sīrijas un Kilikijas apgabalos,
21Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Syria sy Kilikia aho;
22Bet Jūdejas kristīgās draudzes personīgi mani nepazina.
22ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin'i Kristy, ny tarehiko. [ Gr. eklesia]
23Viņas tikai dzirdēja: Tas, kas mūs kādreiz vajāja, tagad sludina ticību, ko citkārt apkaroja.
23Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny .Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho.
24Un viņi godināja Dievu manis dēļ.
24Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho.